| Entrée | 1 Ny foko nanidina |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Texte complet |
5 6 Ny foko nanidina ambony dia ambony, 7 ary saika hisetra izay faran'ny avo, 8 kanefa voadona, ka tsy afaka intsony- 9 naratra ny elany - ka indro izy lavo! 10 Naniry hihoatra anao, ry masoandro 11 mazava! Naniry tsy nijanona akory 12 na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro: 13 ny alina tamy ary koa sorisory! 14 Koa aizina anio re no sisa mamonto, 15 aizi-mitambatra sy mivangongo... 16 Rotsiako mangina ny foko efa donto, 17 ary safosafoiko ny masoko bongo! 18 A! toa efa hionona izany alahelo... 19 Sy hafeniko mba hijanona angaha? 20 O tsia! fa ny sentoko mamelovelo, 21 ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra! |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|