| Texte |
6 [CR]Hofakafakaina aloha :[CR] Inona, na avy amin' inona ange ny resaka?[CR] Ny resaka dia iray amin' ny fomba, na lalana, ampiasantsika olombelona ilay fanomezana tsy misy toa azy voatolo-Janahary an-tsika, dia ny teny.[CR] Io teny io tokoa mantsy no tena zokiny indrindra amin' ny soa voaraintsika![CR] Diniho ange raha tsy miandoha sady miompana amin' ny teny rehefa mety ho zava-dehibe maha-olombelona.[CR]Ny teny no "sady taviny no volony" ;[CR]"sady kilalao no harena" .[CR]Ny teny no iainana;[CR]ny teny no iasana;[CR]ny teny no ifaliana sy ioriana;[CR]ny teny no ampianarana, ananarana, anapahana;[CR]ny teny no ivavahana.[CR]Ny fanjakana dia miorina amin' ny teny;[CR]ny fivavahana koa, mbamin' ny sivilizasiona.[CR]Hevero ho tsy nisy, hono, ny teny, fa dia moana ny olombelona;[CR]ary kiakiaka sy naonaona mbamin' ny erona sy reondreona fotsiny toy ny an' ny biby amam-borona no hainy.[CR]Ho nisy ve ny boky sy sekoly? Ho vita ve ireo tranobe soa sy irony tsangambato isan-karazany, kanto sy miezinezina;[CR] ary ny asa maha-talanjona sesehena voakaly, ihariharian' ny voninahitry ny olombelona, toy ny piramidan' i Egypta, ny Parthenon' i Gresy, ny tilikambon' i Eiffel, ets...?[CR] - Niteny Andriamanitra dia ary izao rehetra izao, hoy ny Genesisy.[CR]"Ny teny tonga nofo ka nonina tamintsika", hoy ny filazan' i Jaona ny Tompo.[CR]
7 [CR]Ny teny no toy ny tetezana tsy hita mampiray an' Andriamanitra sy ny olona.[CR]Ny teny no fanalahidin' ny zava-boahary.[CR]Ny teny no hoatra ny fanahy jeren' ny maso, saina ren' ny sofina, fo àry vatana.[CR]
8 [CR]Maro samy hafa ny fomba ampiasantsika ny teny, mba hahatomombana izay kendrentsika amin' io fiasana tapitr' ohatra io.[CR]Izy aloha no amoahantsika tsirairay isam-batana izay tiana ho fantatry ny namana, izany hoe entina manefa izay sitrapontsika.[CR]Na hangataka isika na hanome, na hitezitra na hidera, na hananatra, na hainambitamby, na haninona, dia miteny.[CR]Dia mandroso ihany, mitatra :[CR]mampianatra, mikabary, mandahatra sy mitory, manoratra boky;[CR]eny, hatramin' ny mihira.[CR]Koa ny miresaka dia ao anelanelan' izany :[CR]tsy olon-drery miteny na mandahatra, fa mila namana hiara-miteny, miombona, mifandimby miteny.[CR]Miresaka no teny ilazana izany ankapobeny, ary dia ao koa ny anarana hafa :[CR]mitafa, mitafasiry, midinika, mitapatapak' ahitra, mifampitorotoro ravina.[CR]Ny miresaka dia mifampianatra, mifanakalo fisainana amin' ny alalan' ny teny.[CR]
9 [CR]Azo lazaina fa ny resaka no lalana tsotra indrindra fampidiran-kevitra ao an-tsain' olombelona.[CR](Ny hoe tsotra eto anefa tsy hoe mora, fa mivantana).[CR]Izy no voalohany.[CR]Ny fanorenana ny toetra ao anaty ao maha-isika antsika dia narafitry ny resaka :[CR]resak' Ineny, resak' Idada, resaky ny zoky aman-jandry, resaky ny mpitaiza, resaky ny namana aman-tsakaiza, ets...[CR]Ny resak' ireny, na ny resaka tamin' ireny, no azo atao hoe milafika ao amin' ny fanambanin' ny toetra maha-isika antsika.[CR]Ny fampianarana mety ho maizimaizina (ny mpampianatra mahay maro, hatramin' ny ela, dia manome tarehin-dresaka ny fampianarany);[CR]ny toriteny indraindray tsy maharisika;[CR]ny kabary misy mahadonto noho izato izy "tsy valiana" ;[CR]ny teny vakina mazàna malaky mahatola, azon' izy saina ranofotsiny no mikatroka;[CR]fa ny resaka raharaha misy "aina" mihetsiketsika.[CR]Ny mpiresaka dia olona mifanamboatra hitovy saranga, mifampahatoky, mifanome voninahitra, mifanatrika eo hifampisam-botra, hifameno sy hifanakalo :[CR]misononoka fandeha ery ny saina raha miresaka, azon' ny manampanampy aoka izany izy, otronin' ny maso, ny sofina, indrindra fa ny vava.[CR]Ny "teny tsy azo mampihazohazo" , adinina;[CR]ny maizina, tsilovina.[CR]Samy eo moa, "loa-bary an-dasy" .[CR]Ny tsy ampy ampiana, ny be analana.[CR]Ny maito tohizana, ny madilana tentenana.[CR]Eo amin' ny resaka no misy teny setrena mbamin' ny hevitra sandàna, mba hanana lanja marina.[CR]Raha mandaha-teny na mitoriteny, kely foana no hita ny asan' ny teny atao;[CR]indreo faly, na tsy mihontsona, na tola ny mpihaino;[CR]fa amin' ny resaka kosa, mibaribary na mankatelina izy, na leony.[CR]Ary azo amboarina tsara ny zavatra :[CR]tovonana na anesorana araka izay ilaina hahavanonany.[CR]
10 [CR]Noho izany toetra soa rehetra ananan' ny resaka izany dia izy, hoy isika, no lalana voalohany nalehan' ny olombelona rehefa manan-javatra hifampilan-tsaina izy.[CR]Talohan' ny kabary sy ny lahateny ny resaka.[CR]Zokin' ny fananarana sy ny fampianarana izy.[CR]Ny kabary amana lahateny manetriketrika indrindra, mazàna efa nomanina tamin-dresaka mialoha nifanaborahan' ny roa sy ny telo ny tao an-tsainy, ka nanaovana tetika niadian-kevitra nanaranam-po.[CR]Manta matetika ny raharaha tsy nampaidrina tamin-dresaka (...).[CR]
11 [CR]Tena tia resaka isika Malagasy;[CR]asa na hatao hoe hoatra ny olona rehetra ihany, na :[CR]manoatra noho ny maro.[CR]Miharihary anefa fa matetika resaka botribotry, na mirefarefa, no fahita atý amintsika.[CR]Mifampiarahaba, dia mifanantsafa hasalamana, dia mifanadina "vaovao" , dia izay.[CR]Rehefa vorivory bebe amin' ny raharaham-pianakaviana, indraindray mihisatra marimarina ny resaka.[CR]Tsy misy manan-kolazaina moa! Na manana ihany fa kely tsy mbola sahy andro;[CR]atahorana hotebahin' ny sasany.[CR]Ity vidin-kanina efa midangana no ifandriritana eo, dia ny mpiasa tsy misy...[CR]Misangodingodina am-pitoerana eo ny resaka, vetivety dia tankina.[CR]Ny marina angamba, na ny manakaiky ny marina ankehitriny, dia ny hoe :[CR]mahery mikorana isika.[CR]Ary tsy dia zavatra iray ny miresaka sy ny mikorana.[CR]Azo aroso ihany ho isan' ny antony tsy mahafana ny resaka malagasy ny hoe :[CR]tsy mbola zatra ny fiamana anaty vahoaka isika, sy ilay :[CR]tsy dia mba fombantsika ny manely loatra ny raharaham-pianakaviana, araka irony fiteny :[CR]"Tokantrano tsy ahahaka;[CR]samy masina an-taniny;[CR]samy manjaka eran' ny varavarany" .[CR]Ao dia ao koa ireo tsivalambalana be ihany, toy ny hoe :[CR]samy hafa firazanana, ets...[CR]
12 [CR]Anefa ny antony dia toa ny tsy fisian' ny hambara mihitsy.[CR]Ka tsy hita anie tsinona izay horesahina eo e! hoy ny sasany izany, nony ampirisihina mba hitafa izy.[CR]Ary io no tena marina :[CR]tsy hita izay horesahina.[CR]
13 [CR] Izany tsy fitovian' ny fanaontsika sy ny Vazaha rehefa misakafo, indrindra amin' ny fanasana![CR] Izy tsy ifandrenesana, tena mikorana amin-dresaka;[CR]isika mangingina.[CR]Tsy maintsy hazavaina aloha fa misy nentim-paharazana mihitsy ao;[CR]ny antsika :[CR]rehefa homana dia homana tokoa.[CR]Raha araka ny famantatro, toa tsy dia mba fomban' ny razana ny be teny eo am-pihinanana, na ny hoatra ny "milalao hanina" .[CR] Tsy manao "hano! hano, tompoko e!" hoy ny mpanasa, "fa dia samia mamely e!"[CR] Lazaina ho mahakofona (sy mahalava nify aza, hoy ilay somary hatsikana) ny miresa-komana.[CR]Ao izany.[CR]Anefa nony fotorana, tsy azo saronana ilay hoe :[CR]Tsy misy ny horesahina.[CR]Ny an-dry zareo Vazaha, rehefa mihaona, izany no mby amin' ny hoe :[CR]"Ny masoandro maty no mampalahelo" .[CR] Ahavelomany resaka avokoa izatsy mihetsiketsika rehetra izatsy![CR] Ianao nony mitazana aeroplanina, dia "mandia tany naleha" foana eo amin' ny :[CR] "Lalina izany raha fahaizana! Ey! ny aina tokana lahy sisa tsy vitany!"[CR] Fa izy mahalala :[CR]tantara manao ahoana no tsikerainy momba iny raha iny :[CR]ny herin' ny milina mitondra azy, ny toetry ny habakabaka teteziny, ny fandrosoana hatramin' ny niandohana, ny asany samy hafa, ets...[CR]Amin' izy Vazaha, tena andro iray toa zato mihitsy ireny fanasana ireny, ka hararaotina ianarana, amotorana sy ampitahana.[CR]Ny loha-resaka aminy dia ny mifidy no adala.[CR]
14 [CR]Ao ny politika -- ny an' ny firenen' ny tena sy ny an' izao tontalo izao, ao ny literatiora, ao ny ara, ao ny asa malaza vao vitan' ny ngeza, ao ny siansa, ao ny fizahan-tany, mbamin' ny karazan-javatra tsy anononana.[CR]Ny vakina ao amin' ny gazety, ny hevitra aposaka ao amin' ny boky vao nivoaka, ets...[CR]samy anton-dresaka avokoa ireny;[CR]iniana tapahina ny dinika fa mbola aiza ho aiza no azo itafana, mandra-pihaona indray.[CR]
15 [CR]Na dia izao fiaraha-mitoetra amim-bazaha izao ihany aza, efa isan' ny ilana ny hanalalahana ny toeran' ny resaka ao amin' ny saintsika Malagasy.[CR]Mba lalina anie izany hiray monina tsy miresaka! Ny fahafinaretana afoy, ny fihavanana mitsolopilopy, ny asa tsy manjarizary.[CR]
16 [CR](...)[CR]Malakia ihany lahy mba mahay mitari-dresaka ny ray aman-dreny mbamin' ny zoky be toa ray harahin' ny madinika rehetra![CR]Ny fizotry ny resaka marina no isan' izay antenaina indrindra hahafongana ilay zava-dratsy, ambany dia ambany, mbola vanon-doatra atý amintsika ankehitriny, manala-baraka sady mamohehatra ery matetika, dia ny tsaho, izay azo atao hoe :[CR]resaka mandamoaka, na resaka mandeha ho azy toy ny rano maria vaky fefiloha, sy ilay namany koa, ny fosa mbamin' ny forongony rehetra, izay resa-maizina, resa-kanosa.[CR]Tsy hoe famantaram-pahambaniana fotsiny, fa tena mosavim-bahoaka, fanetribem-pirenena mihitsy ny resaka adala.[CR]Tsy firy no zava-mandroritra midina hoatra io.[CR]"Ambarao ahy ny resany dia holazaiko anao ny toetrany" .[CR]
17 [CR] (Ravelojaona, Mpanolo-Tsaina, Mey 1927)[CR]
|