Entrée Ny Vola sy ny Heriny amin' ny Taranaka ity
Partie du discours nom propre (titre d'histoire courte ou de discours)
Auteur Ravelojaona
Tableaux et planches Tous les titres
Texte Raha tsy diso famantatra aho dia misy zava-droa loha mila hahazo toerana tafahoatra ny antonona azy ao amin' ny sain' ny Malagasy amin' ity taranaka indray mihira ity, dia ny lalao sy ny vola -- tiako holanjaina tsara ny teny ampiasaina : tafahoatra, hoy izaho. Ekeko ny hoe : lehibe, toerana lehibe, fa ny tafahoatra no iriko hosakanana. Ny momba ny vola ihany no hodinihintsika kely anio. Marina fa ilaina fatratra, tena tsy azon' ny Malagasy avela mihitsy ny vola hoentiny miaina sy hanefany ny adidiny amin' ny fampandrosoan-tany sy fanjakana anaingan' ny manam-pahefana ny vahoaka. Marina koa fa raha mitaha amin' ny ankamaroan' olona amin' izao tontolo izao isika Malagasy - tsy amin' ny Vazaha ihany fa amin' ny Japoney mbamin' ny hafa iray razana amintsika, dia miharihary fa mbola firenena "mahantra" (amin-karena) raha ny ankabeazany no raisina. Izao anefa no mahatsiravina : tsy ny vola ihany no mahaory antsika Malagasy, fa mbola misy zava-baventy betsaka, zava-tsoa maro : ny Fahasalamana, izay iankinan' ny fitomboan' ny isan' ny mponina, ny fahaizana amam-pahalalana, ny fahaiza-mitondra tena, ny fihevera-namana; ireny mbamin' ny tarik' ireny dia tena mbola mahamosarena ity firenena ity. Amin' ny firenena vanona dia tsy maintsy samy ao, mifandanja tsara lalandava, ireo mofon' aina ireo : tanjaka, harena, fahaizana sy fahendrena, fahadiovam-pitondrantena ; izany hoe : fahasalamana, asa, varotra aman-taozavatra, kolejy sy oniversite, fiangonana velona; ka tena mahakelikely fisainana ihany ny mahita izato izy be voarohin' ny vola ny olona, milentika, tsy amin' ny fitadiavam-bola fotsiny intsony fa amin' ny fitiavam-bola mihitsy. Voasongon' ny vola mbamin' ny anjaran' ny fianarana sy ny fampandrosoam-pahendrena; andevon' ny vola ny fahasalamana; tapahin' ny vola ny fihavanana; ampandeferiny ny fihevera-namana. "Izay haha-vola" azy ihany, io no baikom-piainan' ny maro ankehitriny. Koa lasa dia lasa ny eritreritra, manadinadina hoe : Ho toy inona ary ny firenena raha voababon' Mamona ny lohany sy ny fony mbamin' ny fanahiny?...

Mbola azo ahoatra an' izany koa ny hadihady : ny toe-tsaina maha-mpanavao antsika, amin' ny sivilizasiona, tampohin-javatra, miaraka amin' ny maha-tatsinanana tia fisehoana, mora rendrika amin' ny ivelany; ampian' ny maha-mponina an-tany mafana, indrakindrafana, dia mety hampanan-kery makadiry ny vola amin' ny saintsika. Mpanavao, tatsinanana, mponina an-tany mafana ; sendra antony telo "fanaovany azyy" indrindra Ravola! Ny famantaram-pihamboniana dia ny mikotrokotroka, ny miezinezina, ny mirendrarendra, ny haingo mbamin' ny trano be sy ny saha midadasika, aotomobilina; fa tsy mba izay miafina, izay tsy hita maso; izay fahaizana amana halalinan-tsaina, izay hadiovam-pitondrantena, izay asa fampisondrotam-pirenena... (...)

Ilaina tokoa ny hanana fisainana faran' izay mazava ny amin' ny vola. Inona indrindra ange izy ity? Manao ahoana sy ahoana ny asany sy ny fiasany? Ary aiza no mpitandrina azy? "Ny hany tokony hanan-karena, hoy i Goethe, dia izay mahazo an-tsaina ny tena toetry ny harena" .

Ny voalohany tsara tsy halàna eo ambany maso dia ny hoe : fiasana ny vola, fanàovana. Mpanompo kanto izy, hoy ilay fitenenana efa mahazatra. Izany tokoa; irakiraka faingan-tongotra sady kinga tànana, no matanjaka sy mahay. Tsy misy tsy efany; tsy misy mahatoraka azy. Ny haninkanina tohan' ny aina, izy no mpihaza azy; ny sekoly mbamin' ny boky fanitaran-tsaina, vidina aminy; tsy "hozatry ny ady" fotsiny araka ny nilazan' i Montaigne azy izy, fa misy miankina be aminy ny asa fampandrosoana hatramin' ny fanjakan' Andriamanitra. Tsy azo lavina izany, fiasana makadiribe eo amin' ny fiainan' ny olombelona ny vola; naman' ny fahasalamana, ny milina, ny tany sy ny rano, ny rivotra sy ny afo. Koa ilaina hahizingizina io hoe fiasana io, fa io no tena marina. Ny vola tsy fototra, tsy zavatra kendrena, tsy anton' ny anaovana, fa fiasana fotsiny enti-manefa, lalana ombàna hahatongavana amin' izay aleha, tohatra hiakarana ho ao anaty trano, kombarika ananganana; izany, ary izany ihany, izany fotsiny no anjaran' ny vola. Tsara hindramina hilazana izany tokoa ilay teny malazan' ny Tompo ny amin' ny Sabata. "Ny vola no natao ho an' ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an' ny vola" . Raha mivadika izany dia antambo no aterany, fa hanjary "Rafotsibe miandry ombalahy" tsy voatanan' ny mpitondra azy. Ary jereo raha tsy ity "mandimby ananana toy ny amboa nihaza mamba" ity no fototry ny ratsy; mamohehatra ny olombelona ankehitriny ny hamaroan' ny olona lasa ho mpanompon' ny vola. Tanteraka aminy ilay teny mahery natsindron' i Jehovah an' i Kaina fahiny : Fadiranovana ianao, satria nety ho resin' ny ota namitsaka tao am-baravaranao; anefa ianao no tokony ho nanapaka azy. Endrey ny fatiantoka, fatiantoky ny isam-batana, ny fianakaviana, ny tany ama-monina, ny firenena, eny, ny fatiantok' Andriamanitra amin' ireto olona sesehena simban' ny vola aman-karena nasaina notantaniny ho fanambinana ho azy! Navily hankeo an-tanànany lahy ny ranovelona, kanjo navelany hanafotra fa tsy nentiny nampahavokatra!

Ny soa tsy hita lany mety ho azony sy ho vitany, tamin' ny harena natolotra azy, fa tsy nomena ny hafa mitovy saranga aminy sy ny tokony ho amboniny koa; tsy nampiasainy ara-drariny ho tanjaka sy fanampiana, fa nahibony ho mosavin' aina.

Tsy azo anaovana an-tratreva ny raharaha, ary hanimba zavatra raha dirina "tery vay manta" ; anefa mba irina loatra tsy hahasaraka ny "harena màlagasy" , hatratý am-boalohany, ny fanaovan-tsoa sy ny fihevera-namana. Mbola mosaren' asa soa mihitsy anie ny firenentsika! Ary amin' izao ady aman' ain' ny fivelomana ifamofohana ankehitriny amin' ny fampandrosoana ity taranaka ity! Saino ange : manao ahoana ny halehiben' ny fanasoavam-pirenena mety ho vitan' ny mpanankarena amin' ny fireneny.

(Ravelojaona, Mpanolo-tsaina, Septambra 1927).


Mis à jour le 2020/07/31