|
|
|
|

Entrée (1/2)1  Radama II
Mots élémentaires  2 Radama
Partie du discours  3  nom propre (anthroponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  4 Radama II (1829-1863, manjaka 1861-1863)
5 
6 Rehefa nanjaka nandimby an-dRanavalona I Rakoto, dia natao hoe
7 Radama II. Te-handrava izay fomba rehetra heveriny ho teritery
8 Radama II.
9 
10 Novotsorany ireo mpigadra noho ny fivavahana kristiana ary nohalefahiny
11 ny sazy nomena ireo tamponja.
12 
13 Navelany hiditra malaka tsara ny Vazaha. Koa tamin'ny fisehoany
14 tamin'ny Septambra 1862 dia nisy solontena frantsay sy englisy
15 nanatrika ny lanonana. Nanaraotra izany ny Vazaha mpivarotra
16 ka nampiditra entana betsaka. Ary fahadisoan-dRadama ny nanafoana
17 ny fadintseranana satria nibosesika teto ny toaka.
18 
19 Ireo misionera dia navelany hiasa tsara. Nanatrika ny
20 fotoam-pivavahana izy ary nampirisika ny fampianarana
21 nokarakarain'ny misionera. Ny vahoaka dia samy nahazo manaraka ny
22 fivavahana tiany.
23 Tia andranandrana sy tia lalao i Radama II.
24 Niara-nikorana sy nilalao tamin'ny zatovo niara-nihira taminy izy.
25 Ireo sakaizany dia nanorenana trano fandihizana sy fimamoana
26 ary tena "tsy mena-maso olona" mihitsy na tamin'ny toetra
27 na tamin'ny fitondra-tena. Izany no nanaovana ny
28 sakaizan-dRadama hoe Menamaso.
29 
30 Ny fitondrantenan-dRadama sy ny fisakaizany tamin'ny Vahiny dia
31 nanafintohina ny Manamboninahitra izay velona ahiahy fatratra.
32 Koa raha nifanditra tamin-dRainivoninahitriniony ny Menamaso
33 iray dia noteren'ny Paraiministra ny Mpanjaka handroaka
34 ny Menamaso fa tsy nety.
35 
36 Rehefa niala nenine fatratra ny Manamboninahitra dia nioko hamono
37 ny Menamaso ary Radama II dia novonoiny nokendaina
38 tamin'ny lamba landy, fa tsy azo alatsa-dra ny Andrianjaka
39 (16 May 1863). [2.113]
Exemples  40  Nanjaka tamy ny io taona 1862 Radama; [2.59#303]
41  Namboarina ho vadin-dRakotondradama (Radama II) izy. [2.649#1111]
Vocabulaire  42  Histoire: personnages
Illustrations 

Entrée (2/2)43  Radama II
Mots élémentaires  44 Radama, 45 II
Partie du discours  46  nom propre (pièce de théâtre) [Liste complète]
Vocabulaire  47  Littérature: pièces
Auteur  48 Ravelomoria Wast

Anagrammes  49 miara-dia, 50 Radama II

Mis à jour le 2025/11/13