Entrée Rahajarizafy Antoine de Padoue
Partie du discours   nom propre (anthroponyme) [liste]
Définition malgache   Antoine de Padoue Rahajarizafy (1911-1974)
¶ teraka tao Antananarivo tamin'ny 7 avril 1911; rainy, J.-B. Rahajarizafy, anisan'ny mpanoratra malaza tamin'ny androny. Tao amin-dry Frères des Ecoles Chrètiennes tao Andohalo (1918-1920) sy tao amin'ny Collège Saint-Michel (1921-1923) no nianatra talohan'ny nidirany tao amin'ny Petit Séminaire tao Ambohipo; nanohy ny fianarany sy ny fiomanany ho Pretra hatrany; nohamasinina ho Pretra tamin'ny 1941. Anisan'ny ny nanetsika azy handalina ny teny sy ny fahendrena malagasy, dia ny fahitany fa tsy mba nampianarina araka ny tokony ho izy ny teny, ny literatiora, ny tantara... malagasy. Teo am-piomanana ho pretra, nahatsapa koa fa tsy hiorim-paka ny fivavahana kristianina raha tsy aorina amin'ny tena maha-malagasy ny Malagasy ny fampidirana sy ny fampianarana ny fivavahana. Anisan'ny nanaitra azy indrindra tamin'ny boky novakiny: Gandhi, Tagore, Confucius, Descartes, Bergson... Nisahana raharaha maro: nampianatra, nikarakara ny Tanora, nikarakara ny famoianarana katolika teto Antananarivo, lehiben'ny Petit Séminaire, Curé ao Ambatonilita. [Rahajarizafy: Kabary]
Traduction française   jésuite, pedagogue, enseignant en malgache, il publie de nombreux ouvrages sur l'histoire merina [...] sur la morale traditionelle [...] et sur la langue elle-même [Ranaivoson 2004]
Vocabulaire  
Ouvrages littéraires   Filozofia Malagasy
Hanitra Nentin-drazana
Ny kabary
Ny Ohabolana Malagasy
Ny Ombalahibemaso

Mis à jour le 2017/06/25