Entrée (1/2) | 1 Ralaikamboty |
Partie du discours | 2 nom proverbial [Liste complète] |
Proverbes | 3 Proverbes contenant le mot Ralaikamboty |
Entrée (2/2) | 4 Ralaikamboty |
Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
Auteur |
7 Rajaobelison Samuël |
Texte complet |
8 Kanety telo no mba fananana. 9 Voaisa lava sy maty an-tanana ; 10 rovi-jiafotsy no isalorana, 11 izay tsy voavitrana nofatorana ! 12 Ralaikamboty manara-tsena, 13 miandry'zay olona mba onena ! 14 Manao mbay lalana ombieny ombieny 15 no sady mangataka lavareny ; 16 sendra vomanga, mambosibosika, 17 sendra olon-doza, voatositosika: 18 Ralaikamboty tomany homana, 19 singany irery ao an-katakonana! 20 Harona kely tsizarizary, 21 feno ombi-kena sy tonom-pary, 22 arahin'ny lalitra moramora, 23 k'izay tsy mihoaka mitsipi-drora: 24 omby mahia tsy lelafi-namana, 25 tranon'ny ory tsy manavanana ! 26 Endrika hatsatra sy mandràka , 27 dindon'ny fiainany latsa-paka, 28 maso efa lalina sady haolo, 29 " taola-mitsangana " , hoy ny Ntaolo: 30 Ralaikamboty tsy mba mihety 31 na andro lanonana na andro fety! 32 Endrey izato lotony loza loatra, 33 nilaozan'ny tanana mpanamboatra: 34 ineny nialoha any an-danitra any, 35 idada tsy namana ety an-tany, 36 ny havana akaiky mandatsalatsa , 37 Ralaikamboty tsy misy patsa! 38 Rava ny tsena, hariva ny andro, 39 lasa'reo olona mba hahandro; 40 Ralaikamboty no sisa hita 41 revo mitsimpona ery am-pita; 42 alika mierona mitofezaka 43 no ifandrombahana an'ezakezaka! 44 Latsaka ny alina mamanala, 45 Ralaikamboty misalasala: 46 Hody, tsy manana izay akany; 47 hijanona an-tsena, mba mafy ihany; 48 ambany sarety efa kotrakotra 49 no indro midaboka sy mitsotra! 50 Rehefa nanapitra ron-doha 51 ka nitanisa'reo tsy hifoha, 52 sasatra mantsy fa malamalana , 53 sovohin-tory mahalankalana ; 54 mbola migoika sy miolanolana, 55 tazan'ny kintana sy ny volana! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |