Entrée Randriamiadanarivo
Partie du discours nom propre (anthroponyme) [liste complète]
Explications en malgache 
  1. Ny fiainany.
    Teraka tao Ambodihady Ambohimanarina izy ny 12 Janoary 1916. Zanak’Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray. Manambady an-dRamatoa Razanadrasoa ary 11 no isan’ny zanany.
  2. Ny Sekoly nianarany.
    1922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.
    1924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.
    1926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.
    1931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.
    1935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.
    1937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo.
  3. Ny asa nataony.
    1939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina. Ecole de Station LMS.
    1940- 1941 : Nafindra nampianatra tao Ambatonakanga LMS.
    1941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.
    1942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy. 1946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo. 1950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.
    1971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa. 1973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.
    1974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.
    1980-1981 : Nisotro ronono.
  4. Ny Asa Sorany Nanoratra.
    Ny Sikajin’i Dadabe,
    Voromby,
    Isa ny Amontana,
    Sekolin ’ny Ntaolo.
  5. Ny tena ahafantarana azy dia ny tantara foronina. Nisy koa anefa dikan-teny nahakinga azy toy ny : Et il habita parmi nous izay nadikany hoe : Ary izy niara-nonina tamintsika. Tsotra, mazava, mahaliana ny asa sorany.
    [5.mg.http://www.macp.gov.mg/blog/divers-randriamiadanarivo/]
Explications en français Randriamiadanarivo (1916-) [1.59]
Vocabulaire 
Ouvrages littéraires Isa ny Amontana
Ny Sikajin' i Dadabe
Sekolin' ny Ntaolo: fianaram-pahendrena manomboka hatreo amorom-patana ka hatreo amorom-pahatra
Sodifafana: Boky tantara
Voadin' i Dada sy ny zanak' Jefta 1937
Vorom-by

Mis à jour le 2023/05/10