Entrée | 1 Tenin-dRazako |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Randria Samuël |
Texte complet |
5 Teny 6 Nianarako nibada 7 Nianarako ny " Dada " 8 Nahaizako ny " Neny " . 9 Teny 10 Namorona ny hevitro 11 Sy ny eritreritro. 12 Eny, 13 Teny 14 Nilazako 15 Ny feon'ny fon'ny hazazako 16 Te-hahay 17 ' Lay teninay. 18 Tamin'izany, hasambarako 19 Ny tenin-drazako. 20 Dia nitombo teny ny fahaizako, 21 Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako, 22 Nahazatra, tena vantana amiko 23 'Lay teny gasy, tena mamiko. 24 Nitombo ny fisainako 25 Fa namboarin'ny fiainako; 26 Dia tazako 27 Ny fahalehibeazako... 28 Dia ny fahombiazako. 29 Ka' lay tenin-drazako 30 Efa fahazarako 31 Tato am-poko mitambolona 32 Natakaloko ny an'olona, 33 Navelako, 34 Fa nivadika ny lelako. 35 Tsy afeniko 36 Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko, 37 Asa lahy! 38 Tonga nahamenatra ahy. 39 Tsy antonina ny lazako 40 Ny tenin-drazako 41 Ka nafoiko, 42 Fa ny tsy ahy no hamboiko. 43 Dia hoy aho: 44 " Teny maty, 45 " Tsy mahalaza ny ao anaty, 46 " Teny ambany 47 " 'Zany teny malagasy izany " . 48 Nefa ahy, tena ahi...ko 49 Toy ny nofo sy fanahiko. 50 …... 51 Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina, 52 Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana? 53 Tsia dia tsia, 54 Sanatria! 55 Ry Tenin-drazako ry Teniko, 56 Neniko e ka neniko 57 Ny nanambany anao. 58 Ary izao, 59 Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko 60 Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko: 61 " Tompo ô! tapaho re ny lelako, 62 " Raha ny Tenin-drazako no havelako. 63 " Eny, foano ny ho aviko, 64 " Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |