Entrée tokotany
Partie du discours nom
Explications en malgache Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim-pasana
Tany voafaritra -- ary matetika aza voafefy -- miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan' ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotany!
A) Ny ankevitry ny tombam-bidin' ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr' io olona io. -b) Antoka: Ny karaman' ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan' io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin' endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin' ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon' ny tokotanin' ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy mavo, fa manga ny tokotaniny [1.1]
Explications en anglais The yard around a house; grounds [1.7]
Explications en français Cour [1.8]
Mots composés 
Autres orthographes 
Proverbes 

Anagrammes 

Mis à jour le 2020/07/31