| Entrée | 1 Tsy tanim-pahoriana |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Rafanoharana |
| Texte complet |
5 6 Ry olo-mitomany 7 Misentosento lava, 8 Milaza fa ny tany 9 Feno haizin-tsy misava! 10 Moa marina e izany? 11 Moa tena fahoriana 12 No hita hatrany hatrany, 13 Fa tsy mba fifaliana? 14 Ry olo-mitomany, 15 Mitrakà vetivety: 16 Dinihonao ny tany 17 Miravo sy mifety! 18 'Reo tendrombohitra avo, 19 Havoana marobe; 20 Ny vato mena, mavo, 21 Tsy tena kanto ve? 22 He' rony koa ny ala, 23 Indreo ny renirano; 24 Moa mampisalasala 25 Fa tsara ireo? … Tazano! 26 Jereo ny zaridaina, 27 Todiho ny lohasaha; 28 Tsy faly ve ny saina? 29 Endrey maha-te-hizaha! 30 Ireo izay nambolena 31 Dia vokatra isan-taona. 32 Salama koa ny tena; 33 Nahoana no hisaona? 34 Tsy tanim-pahoriana 35 'Zao tanintsika izao! 36 Vonoy ny hakiviana; 37 Ho sambatra ianao! 38 Fotoana isentoana 39 Tsy betsaka tsy akory; 40 Minitra vitsy foana 41 Dia lasa ny mahory! 42 Ny ora maro sisa 43 Dia feno fitahiana, 44 Koa zovy no hanisa 45 'Reo poti-pijaliana? |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|