| Explications en malgache |
8 Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
9 Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
10 Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
11 Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
12 Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
13 Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
14 Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
15 Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro
[1.1]
|