|
|
|
|

Entrée 1  vakina
Radical  2 vaky
Partie du discours  3  verbe passif
Morphologie 
4  Présent :
5  Passé :
6  Futur :
7  Impératif :
Explications en malgache  8 Potehina: Novakin' ny ankizy ny fitaratray
9 Tresahina, sasahina: Vakio roa io hazo fisaka io
10 Simbana, ravana, robaina: Novakin' ny sasany ny tranony
11 Lalovana eo afovoany: Vakin' ny arabe migodana ny tanànanay
12 Aseho ho fantatry ny be sy ny maro: Novakin' ny fokonolona teo anatrehan' ny mpitsara ilay mpangalatra
13 Saratsarahina ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazainy: Vakio ireo teny amin' ny petadrindrina ireo. [1.1]
Explications en français  14 qu'on fend dans le sens de la longueur, qu’on casse
15 qu’on traverse
16 qu’on met en déroute
17 qu’on accuse [1.3]
Exemples  18  Vilia tsara dia tsara no novakin' ilay adala (Cet imbécile a cassé une assiette magnifique) [1.3]
19  Novakinay ny ala manontolo (Nous avons traversé toute la forêt) [1.3]
20  Tsy azo vakina ity soratra ity (On ne peut pas lire cette écriture, cette écriture est illisible) [1.3]
21  Novakinay teo anatrehan'ny mpitsara ny mpangalatra (Nous avons accusé le voleur auprès des juges) [1.3]
Combinaisons  22  2 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot vakina
Proverbes  23  Proverbes contenant ce mot

Anagrammes  24 ankavy, 25 kavina, vakina, 26 vanika

Mis à jour le 2026/04/21