<-
->

1M 2:1 Tamin' izany andro izany no nisehoan' i Matatiasa, zanak' i Joany, zanak' i Simeona, mpisorona avy amin' ireo zanak' i Joariba, tao Jerosalema, izay nonina tany Modìna. En ces jours-là, Mattathias, fils de Jean, fils de Syméon, prêtre de la lignée de Ioarib, quitta Jérusalem pour s'établir à Modîn.
1M 2:2 Nanan-janaka dimy lahy izy, dia Joany natao hoe Gadisa, Il avait cinq fils : Jean surnommé Gaddi,
1M 2:3 Simona nantsoina hoe Tasì, Simon appelé Thassi,
1M 2:4 Jodàsa natao hoe Makabeo, Judas appelé Maccabée,
1M 2:5 Eleazara natao hoe Abarona, ary Jonatasa natao hoe Apfosa. Eléazar appelé Auârân, Jonathès appelé Apphous.
1M 2:6 Nahita ity fanevatevana izay nataon' ny olona any amin' i Jodà sy Jerosalema Matatiasa, ka nanao hoe: A la vue des impiétés qui se perpétraient en Juda et à Jérusalem,
1M 2:7 Indrisy, nahoana ange ity izaho no teraka hahita ny faharavan' ny fireneko sy ny faharavan' ny tanàna masina, ka no dia hijanom-poana eto; kanefa izy ity, efa mby an-tànan' ny fahavalo, il s'écria : "Malheur à moi! Suis-je né pour voir la ruine de mon peuple et la ruine de la ville sainte, et pour rester là assis tandis que la ville est livrée aux mains des ennemis et le sanctuaire au pouvoir des étrangers?
1M 2:8 ny fitoerany masina efa anjakan' ny hafa firenena? Ny tempoliny, tonga toy ny fonenan' olona tsy valahara; Son Temple est devenu comme un homme vil,
1M 2:9 ny fanaka sarobidy, izay voninahitra ho azy, lasan-ko babo; ny zanany madinika naripaka teny amin' ny arabeny, ny sabatry ny fahavalo mandavo ireo zatovony. les objets qui faisaient sa gloire ont été emmenés captifs, ses petits enfants périrent égorgés sur ses places et ses adolescents par l'épée de l' ennemi.
1M 2:10 Firenena iza moa no tsy nandova ny fanjakany sy tsy nanana ny anjara babony teto aminy? Quelle nation n' a pas hérité de ses droits royaux et ne s' est emparée de ses dépouilles?
1M 2:11 Ny haingony rehetra nesorina taminy; nahazaka tena izy nefa tonga andevo. Toute sa parure lui a été ravie. De libre qu' elle était, elle est devenue esclave.
1M 2:12 Ny zavatra masina sy kanto ary be voninahitra rehetra nananantsika, voarava sy voavetan' ny firenena avokoa. Voici que le lieu saint, notre beauté et notre gloire, est réduit en désert, voici que les nations l' ont profané.
1M 2:13 Ka nahoana ary ity isika no mba velona foana ihany? A quoi bon vivre encore?"
1M 2:14 Tamin' izay Matatiasa, mbamin' ireo zanany, dia nandrovitra ny fitafiany, niakanjo malailay, ary nanao fisaonana mafy. Mattathias et ses fils déchirèrent leurs vêtements, revêtirent des sacs et menèrent grand deuil.
1M 2:15 Dia tonga tao Modìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manamboninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika. Les officiers du roi chargés d' imposer l' apostasie vinrent à la ville de Modîn pour les sacrifices.
1M 2:16 Israelita maro be no nomba azy ireo; ary Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. Beaucoup d' Israélites vinrent à eux, mais Mattathias et ses fils se tinrent ensemble à part
1M 2:17 Niteny tamin' i Matatiasa ireo irak' i Antiokosa, ka hoy izy taminy: Hianao eto an-tanàna no lohany indrindra, voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. Prenant la parole, les officiers du roi s' adressèrent à Mattathias en ces termes : "Tu es chef célèbre et puissant dans cette ville, appuyé par des fils et des frères.
1M 2:18 Koa hianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin' ny mpanjaka toraky ny efa nataon' ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin' i Jodà, mbamin' ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan' ny sakaizan' ny mpanjaka avokoa hianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro hianao mbamin' ireo zanakao. Avance donc le premier pour exécuter l' ordre du roi, comme l' ont fait toutes les nations, les chefs de Juda et ceux qu' on a laissés à Jérusalem. Tu seras, toi et tes fils, parmi les amis du roi, toi et tes fils serez honorés de dons en argent et en or ainsi que d' une quantité de cadeaux."
1M 2:19 Ary Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: Na dia hanaiky an' i Antiokosa avokoa aza ny firenena rehetra anatin' ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan' ny razany, sy hanaraka an-tsitra-po ny didiny, Mattathias répliqua d' une voix forte : "Quand toutes les nations établies dans l' empire du roi lui obéiraient, chacune désertant le culte de ses pères, et se conformeraient à ses ordonnances,
1M 2:20 izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken' ny razanay. moi, mes fils et mes frères, nous suivrons l' alliance de nos pères.
1M 2:21 Sanatria anay ny hanary ny lalàn' Andriamanitra amam-pitsipiny! Dieu nous garde d' abandonner Loi et observances!
1M 2:22 Tsy hanaiky ny didin' ny mpanjaka izahay, ka hiala amin' ny fombam-pivavahana, na ho amin' ny an-kavanana na ho amin' ny an-kavia. Nous n'écouterons pas les ordres du roi. Nous ne dévierons pas de notre religion ni à droite ni à gauche."
1M 2:23 Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason' ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin' ny mpanjaka, teo amin' ny otely natsangana tao Modìna. Dès qu' il eut achevé ce discours, un Juif s' avança, à la vue de tous, pour sacrifier sur l' autel de Modîn, selon le décret du roi.
1M 2:24 Nony nahita izany Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin' ny otely izy. A cette vue, le zèle de Mattathias s' enflamma et ses reins frémirent. Pris d' une juste colère, il courut et l'égorgea sur l' autel.
1M 2:25 Novonoiny niaraka tamin' izay koa ilay manam-boninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny otely. Quant à l' homme du roi qui obligeait à sacrifier, il le tua dans le même temps, puis il renversa l' autel.
1M 2:26 Toy izany no nirehetan' ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon' i Finea izay namono an' i Zambrì, zanak' i Saloma. Son zèle pour la Loi fut semblable à celui que Pinhas exerça contre Zimri, fils de Salu.
1M 2:27 Dia nandeha eran' ny tanàna Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe: Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa. Mattathias se mit à crier d' une voix forte à travers la ville "Quiconque a le zèle de la Loi et maintient l' alliance, qu' il me suive!"
1M 2:28 Izay izy mbamin' ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna. Lui-même et ses fils s' enfuirent dans les montagnes, laissant dans la ville tout ce qu' ils possédaient.
1M 2:29 Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin' izay ho any an' efitra, Nombre de gens soucieux de justice et de Loi descendirent au désert pour s' y fixer,
1M 2:30 mba honina any, dia izy mbamin' ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny koa, satria efa nandifotra azy ireo loatra ny loza nanjo azy. eux, leurs enfants, leurs femmes et leur bétail, parce que le malheur s'était appesanti sur eux.
1M 2:31 Nilazany ny manam-boninahitry ny mpanjaka mbamin' ireo miaramila tao Jerosalema, amin' ny tanànan' i Davida, fa nisy olona nandika ny didin' ny mpanjaka, lasa nididna any an' efitra, amin' ny toerana fierena miafina. On annonça aux officiers royaux et aux forces en résidence à Jérusalem, dans la Cité de David, que des gens qui avaient rejeté l' ordonnance du roi étaient descendus vers les retraites cachées du désert.
1M 2:32 Niaraka tamin' izay, dia lasa maro izy ireo nanenjika azy. Nony trany izy, dia nitoby teo an-trandrifiny, nivonon-kamely azy amin' ny andro sabata. Une forte troupe se mit à leur poursuite et les atteignit. Ayant dressé son camp en face d' eux, elle se disposa à les attaquer le jour du sabbat
1M 2:33 Hoy izy taminy: Aoka izay amin' izao. Mivoaha hianareo, tanteraho ny didin' ny mpanjaka, dia ho velona hianareo. et leur dit : "En voilà assez! Sortez, obéissez à l' ordre du roi et vous aurez la vie sauve"
1M 2:34 Hoy ny navalin' ny Jody: Tsy hivoaka izahay, ary tsy hankatò ny didin' ny mpanjaka, fa ho fandikana ny andro sabata izany. "Nous ne sortirons pas, dirent les autres, et nous n' observerons pas l' ordre donné par le roi de violer le jour du sabbat."
1M 2:35 Niaraka tamin' izay dia nandraikitra ny ady taminy ny Siriana. Assaillis sans retard,
1M 2:36 Tsy namaly azy na nitora-bato azy iray akory, na nanampina ny fiereny izy ireo. ils s' abstinrent de riposter, de lancer des pierres, de barricader leurs cachettes.
1M 2:37 Aoka isika ho faty avokoa amin' ny fahatsoram-pontsika, hoy izy ireo! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo tsy an-drariny izahay. "Mourons tous dans notre droiture, déclaraient-ils; le ciel et la terre sont pour nous témoins que vous nous faites périr injustement."
1M 2:38 Dia nasian' ny miaramila tamin' ny andro sabata izy ireo, ka maty avokoa izy mbamin' ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny, sahabo ho arivo no isan' ny olona. La troupe leur donna l' assaut en plein sabbat et ils succombèrent, eux, leurs femmes, leurs enfants et leur bétail, au nombre d' un millier de personnes.
1M 2:39 Nalahelo mafy Matatiasa sy ireo sakaizany nandre izany vonoana izany. Lorsqu' ils l' apprirent, Mattathias et ses amis les pleurèrent amèrement
1M 2:40 Ary izy ireo nifampilaza hoe: Raha samy manao toy izany nataon' ny rahalahintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin' ny firenena mba hiaro ny aintsika sy ny satam-pirenentsika dia hofongoran' izy ireo vetivety eto ambonin' ny tany isika. et se dirent les uns aux autres : "Si nous faisons tous comme ont fait nos frères, si nous ne luttons pas contre les nations pour notre vie et nos observances, ils nous auront vite exterminés de la terre."
1M 2:41 Koa izao no fikasana nataon' izy ireo, tamin' izay andro izay: Na iza na iza tonga hiady amintsika amin' ny andro sabata, dia hasiantsika, fa tsy hety hovonoiny fotsiny, toy ny nataon' ireo rahalahintsika tao am-piereny isika. Ce jour-là même, ils prirent cette décision : "Tout homme qui viendrait nous attaquer le jour du sabbat, combattons-le en face, et ainsi nous ne mourrons pas tous comme nos frères sont morts dans les cachettes."
1M 2:42 Tamin' izay, nisy antokon' ny Asideana tonga nomba azy koa, ka ny anisan' ireo dia lehilahy mahery amin' Israely, dia izay rehetra niraiki-po tamin' ny lalàna avokoa. Alors s' adjoignit à eux la congrégation des Assidéens, hommes valeureux d' entre Israël et tout ce qu' il y avait de dévoué à la Loi.
1M 2:43 Nanatona azy ireo koa izay rehetra nitady ho afaka amin' ny loza nanjo, ka nampitombo ny heriny. Tous ceux qui fuyaient les mauvais traitements vinrent grossir leur nombre et leur fournir un appui.
1M 2:44 Nony efa nahavonona tafika toy izany izy ireo, dia nasiany tamin' ny hatezerany ireo mpivadika, ary tamin' ny fahavinirany ireo tsy mpivavaka; any amin' ny firenena no nandosiran' izay sisa afaka nitady vonjy. Ils se composèrent une forte armée, frappèrent les pécheurs dans leur colère et les mécréants dans leur fureur; le reste s' enfuit chez les nations pour y trouver sauvegarde.
1M 2:45 Notetezin-dry Matatiasa mbamin' ireo zanany ny tany, ka noravany ny otely, Mattathias et ses amis firent une tournée pour détruire les autels
1M 2:46 noforany an-keriny ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin' ny tanin' Israely, et circoncire de force tous les enfants incirconcis qu' ils trouvèrent sur le territoire d' Israël.
1M 2:47 ary nenjehiny ireo izay nobontsinin' ny fiavonavonana. Nahomby ny raharaha nokendreny noho ny fitarihany azy. Ils chassèrent les insolents et l' entreprise prospéra entre leurs mains.
1M 2:48 Ny lalàna no antony niadiany dia ny hiaro azy amin' ny herin' ny mpanompo sampy sy ny herin' ny mpanjaka; ary tsy nimalo teo anatrehan' ny mpanota izy ireo. Ils arrachèrent la Loi de la main des nations et des rois et réduisirent le pécheur à l' impuissance.
1M 2:49 Nony nipaka ny fara andron' i Matatiasa, dia hoy izy tamin' ireo zanany: Ankehitriny, manjaka ny fiavonavonana, ary mamely ny famaizana, ka andron' ny fandravana sy fahatezerana mirehitra izao. Cependant les jours de Mattathias approchaient de leur fin. Il dit alors à ses fils : "Voici maintenant le règne de l' arrogance et de l' outrage, le temps du bouleversement et l' explosion de la colère.
1M 2:50 Ka aoka hianareo, anaka, hanampatra ny fahazotoanareo hiaro ny lalàna, ary afoizo ho an' ny faneken' ny razantsika ny ainareo. A vous maintenant, mes enfants, d' avoir le zèle de la Loi, et de donner vos vies pour l' alliance de nos pères.
1M 2:51 Tsarovy ny asa nataon' ny razantsika tamin' ny androny, ary hahazo voninahitra sy anarana tsy mety maty hianareo. "Souvenez-vous des oeuvres accomplies par nos pères en leur temps, vous gagnerez une grande gloire et un nom immortel.
1M 2:52 Moa va tsy niseho ho nahatoky Abrahama, tamin' ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany? Abraham n' a-t-il pas été trouvé fidèle dans l'épreuve et cela ne lui a-t-il pas été compté comme justice?
1M 2:53 Nitandrina ny didy Josefa tamin' ny andron' ny fahoriany, ka tonga tompon' i Ejipta izy. Joseph, au temps de sa détresse, observa la Loi, aussi est-il devenu Seigneur de l' Egypte.
1M 2:54 Nirehi-pahazotoana hiaro ny zon' Andriamanitra Finea razantsika, ka nahazo antoka ny fisoronana masina. Pinhas, notre père, pour avoir brûlé d' un beau zèle, a reçu l' alliance d' un sacerdoce éternel.
1M 2:55 Nahatanteraka ny teny nomeny Jesosa, ka tonga mpitsara tamin' Israely. Josué, pour avoir rempli son mandat, est devenu juge en Israël.
1M 2:56 Nitsangan-ko vavolombelona nilaza teo anatrehan' ny fiangonana Kaleba, ka nahazo zaratany anankiray teo amin' ny tany. Caleb, pour avoir attesté le vrai dans l' assemblée, a reçu un héritage dans le pays.
1M 2:57 Ny fitiavam-bavak' i Davida no nahazoany seza fiandrianana ho amin' ny taona mandrakizay. David, pour sa piété, hérita d' un trône royal pour les siècles.
1M 2:58 Ny nirehetan' ny fahazotoan' i Elia hiaro ny lalàna no nipaoahana azy any an-danitra. Elie, pour avoir brûlé du zèle de la Loi, a été enlevé jusqu' au ciel.
1M 2:59 Ny toky nananan' i Ananiasa sy Azariasa ary Mizaela no namonjena azy tamin' ny lelafo. Ananias, Azarias, Misaèl, pour avoir eu confiance, furent sauvés de la flamme.
1M 2:60 Ny tsy fananany tsiny no namonjena an' i Daniely tamin' ny vavan' ny liona. Daniel, pour sa droiture, a été sauvé de la gueule des lions.
1M 2:61 Diniho amin' izay, eran' ny taona rehetra, fa tsy mba resy izay rehetra nanantena azy. Et comprenez ainsi que de génération en génération ceux qui espèrent en Lui ne faibliront pas.
1M 2:62 Aza matahotra izay rahombavan' olona mpanota, fa mivarin-ko amin' ny fahalòvana aman-kankana ny voninahiny. Ne redoutez point les menaces de l' homme pécheur, car sa gloire s' en va au fumier et aux vers;
1M 2:63 Anio izy manandra-tena, ary rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverin-ko amin' ny vovony izy; ka levona foana ny fisainany. aujourd' hui il est exalté et demain on ne le trouve plus, car il retourne à la poussière d' où il est venu et ses calculs sont anéantis.
1M 2:64 Koa matanjaha sy mahereza fo hianareo, anaka, hiaro ny lalàna, fa izy no hanananareo voninahitra. Mes enfants, soyez forts et tenez fermement à la Loi, parce que c' est elle qui vous comblera de gloire.
1M 2:65 Indro Simona rahalahinareo, fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka mihainoa azy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy. "Voici Syméon, votre frère, je sais qu' il est homme de bon conseil : écoutez-le toujours, il vous tiendra lieu de père.
1M 2:66 Aoka Jodàsa Makabeo, lehilahy mahery sy be herim-po hatramin' ny fahatanorany, no ho lohan' ny tafikareo sy hitarika ny ady amin' ny firenena. Quant à Judas Maccabée, vaillant dès son jeune âge, il sera lui-même le chef de votre armée, il conduira la guerre contre les peuples.
1M 2:67 Ataovy homba anareo izay rehetra mitandrina ny lalàna, ary mamalia ny ratsy natao tamin' ny firenenareo. Vous autres, adjoignez-vous tous les observateurs de la Loi et assurez la vengeance de votre peuple.
1M 2:68 Valio ny nataon' ny firenena tamin' Israely, ary tandremo ny didin' ny lalàna. Rendez aux nations le mal qu' elles vous ont fait et attachez-vous aux préceptes de la Loi."
1M 2:69 Nony avy nitso-drano azy ireo izy, dia nangonina any amin' ny razany. Après cela il les bénit et fut réuni à ses pères.
1M 2:70 Tamin' ny taona fahenina amby efapolo amby zato izy no maty, ary tao amin' ny fasan-drazany ao Modìna izy no nalevin' ireo zanany ary nisaona azy tamin' ny fisaonana lehibe Israely. Il mourut en l' année 146 et fut enseveli dans le caveau de ses pères à Modîn, et tout Israël mena sur lui un grand deuil.

<-
->