<-
->

Mtt / Koh 5:1 Keep thy foot when thou goest to the house of God, and be more ready to hear, than to give the sacrifice of fools: for they consider not that they do evil. Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan' Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etý an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao. Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan' Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, hianao ety an-tany; ka aoka ho vitsy teny hianao. Ne hâte pas tes lèvres, que ton coeur ne se presse pas de proférer une parole devant Dieu, car Dieu est au ciel et toi sur la terre; aussi, que tes paroles soient peu nombreuses.
Mtt / Koh 5:2 Be not rash with thy mouth, and let not thine heart be hasty to utter any thing before God: for God is in heaven, and thou upon earth: therefore let thy words be few. Fa ny haben' ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben' ny teny no isehoan' ny rediredin' ny adala. Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin' adala. Car du nombre des tracas vient le songe, du nombre des paroles, le ton de l' insensé.
Mtt / Koh 5:3 For a dream cometh through the multitude of business; and a fool' s voice is known by multitude of words. Raha mivoady amin' Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao. Raha manao voady amin' Andriamanitra hianao, aza ela fanefa izany, fa tsy misy hasoavana homena ny adala: koa efao ny voady ataonao. Si tu fais un voeu à Dieu, ne tarde pas à l' accomplir, car Dieu n' aime pas les insensés. Ton voeu, accomplis-le.
Mtt / Koh 5:4 When thou vowest a vow unto God, defer not to pay it; for he hath no pleasure in fools: pay that which thou hast vowed. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa. Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady, toy izay mivoady tsy mahefa. Et mieux vaut ne pas faire de voeu que d' en faire un sans l' accomplir.
Mtt / Koh 5:5 Better is it that thou shouldest not vow, than that thou shouldest vow and not pay. Aza avela hahatonga heloka amin' ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason' ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin' ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan' ny tananao? Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao; ary aza milaza eo anatrehan' ny irak' Andriamanitra hoe: zavatra tsy nahy izany: fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin' ny teninao, ka handrava ny asan' ny tànanao? Ne laisse pas ta bouche faire de toi un pécheur. Et ne va pas dire au Messager que c'était par inadvertance : pourquoi donner à Dieu l' occasion de s' irriter contre toi et de ruiner l' oeuvre de tes mains ?
Mtt / Koh 5:6 Suffer not thy mouth to cause thy flesh to sin; neither say thou before the angel, that it was an error: wherefore should God be angry at thy voice, and destroy the work of thine hands? Fa amin' ny haben' ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben' ny teny, fa Andriamanitra no atahory. Fa toy ny isian' ny zava-poana amin' ny hamaroan-draharaha, no isian' izany koa, amin' ny teny maro; ka matahora an' Andriamanitra. Car du nombre des songes viennent les vanités et les paroles multipliées.
Mtt / Koh 5:7 For in the multitude of dreams and many words there are also divers vanities: but fear thou God. Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin' ny tany, dia aza gaga amin' izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza. Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin' izany, fa ny olona ambony tandreman' ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo. Si tu vois dans une province le pauvre opprimé, la justice et le droit bafoués, n' en sois pas surpris; car au-dessus d' une autorité veille une plus haute autorité, et de plus hautes au-dessus d' elles.
Mtt / Koh 5:8 If thou seest the oppression of the poor, and violent perverting of judgment and justice in a province, marvel not at the matter: for he that is higher than the highest regardeth; and there be higher than they. Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian' ny mpanjaka amin' izay tany volena. Tena soa tokoa ho an' ny tany, raha dinihina tsara, ny ananany mpanjaka mikarakara ny fambolena. Mais le profit qu' on tire d' une terre est à tous, un roi est servi par les champs.
Mtt / Koh 5:9 Moreover the profit of the earth is for all: the king himself is served by the field. Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin' ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany. Izay tia vola tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr' izany. Zava-poana koa izany. Qui aime l' argent ne se rassasie pas d' argent, qui aime l' abondance n' a pas de revenu, cela aussi est vanité.
Mtt / Koh 5:10 He that loveth silver shall not be satisfied with silver; nor he that loveth abundance with increase: this is also vanity. Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon' ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany? Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon' ny tompony amin' izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny? Où abonde le bien, abondent ceux qui le mangent, quel avantage pour le propriétaire, sinon un spectacle pour les yeux ?
Mtt / Koh 5:11 When goods increase, they are increased that eat them: and what good is there to the owners thereof, saving the beholding of them with their eyes? Mamy ny torimason' ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben' ny ananan' ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory. Mamy ny torimason' ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan' ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany. Le sommeil du travailleur est doux, qu' il ait mangé peu ou beaucoup; mais la satiété du riche ne le laisse pas dormir.
Mtt / Koh 5:12 The sleep of a labouring man is sweet, whether he eat little or much: but the abundance of the rich will not suffer him to sleep. Misy ratsy mahory efa hitako atý ambanin' ny masoandro, dia harena tehirizin' ny tompony, nefa mampidi-doza amin' ny tenany; Misy loza makadiry hitako taty ambany masoandro, dia harena tehirizin' ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany. Il est un tort criant que je vois sous le soleil : la richesse gardée par son possesseur à son propre détriment.
Mtt / Koh 5:13 There is a sore evil which I have seen under the sun, namely, riches kept for the owners thereof to their hurt. sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany, Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany. Il perd cette richesse dans une mauvaise affaire, il met au monde un fils, il n' a plus rien en main.
Mtt / Koh 5:14 But those riches perish by evil travail: and he begetteth a son, and there is nothing in his hand. Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin' ny tànany ho valin' ny fisasarany. Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny nihaviany avy ao ihany; fa tsy hahazo na inona na inona avy amin' ny asany, ho azony tentina eny an-tànany. Comme il était sorti du sein de sa mère, tout nu, il s' en retournera, comme il était venu. De son travail il n' a rien retiré qui lui reste en main.
Mtt / Koh 5:15 As he came forth of his mother' s womb, naked shall he return to go as he came, and shall take nothing of his labour, which he may carry away in his hand. Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an' ny rivotra? Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny nihaviany: Ka inona no soa azony, tamin' ny nisasarany ho an' ny rivotra? Cela aussi est un tort criant qu' il s' en aille comme il était venu : Quel profit retire-t-il d' avoir travaillé pour le vent ?
Mtt / Koh 5:16 And this also is a sore evil, that in all points as he came, so shall he go: and what profit hath he that hath laboured for the wind? Ary koa, homa-maizina amin' ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana. Fanampin' izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana. Et puis tous ses jours se passent dans l' obscurité, le deuil, les chagrins nombreux, la maladie et l' irritation.
Mtt / Koh 5:17 All his days also he eateth in darkness, and he hath much sorrow and wrath with his sickness. Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin' ny fisasarana rehetra izay isasaran' ny olona atý ambanin' ny masoandro amin' izay andro vitsy iainany omen' Andriamanitra azy; fa izany no anjarany. Ka izao no hitako: Tsara sy mety ho an' ny olona ny mihinana sy misotro, ary ny mahazo miadana amin' ny asa rehetra ataony, izay imasoany aty ambany masoandro, mandritra ny andro iainany, omen' Andriamanitra azy; fa izany no anjarany. Voici ce que j' ai vu : le bonheur qui convient à l' homme, c' est de manger et de boire, et de trouver le bonheur dans tout le travail qu' il accomplit sous le soleil, tout au long des jours de la vie que Dieu lui donne, car c' est là sa part.
Mtt / Koh 5:18 Behold that which I have seen: it is good and comely for one to eat and to drink, and to enjoy the good of all his labour that he taketh under the sun all the days of his life, which God giveth him: for it is his portion. Ary koa, ny olona rehetra izay omen' Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin' ny fisasarana, dia fanomezan' Andriamanitra izany. Fanampin' izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin' Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin' izany ary mifaly amin' ny asany: dia fanomezan' Andriamanitra izany. Et tout homme à qui Dieu donne richesses et ressources, qu' il laisse maître de s' en nourrir, d' en recevoir sa part et de jouir de son travail, cela est un don de Dieu.
Mtt / Koh 5:19 Every man also to whom God hath given riches and wealth, and hath given him power to eat thereof, and to take his portion, and to rejoice in his labour; this is the gift of God. Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan' ny fony no avalin' Andriamanitra azy. Fa tsy eritreretiny loatra amin' izay ny andro iainany, satria efa rotsahan' Andriamanitra fifaliana ny fony. Car il ne se souvient guère des jours de sa vie tant que Dieu occupe son coeur à la joie.
Mtt / Koh 5:20 For he shall not much remember the days of his life; because God answereth him in the joy of his heart.

<-
->