<-
->

Fit 1:1 How doth the city sit solitary, that was full of people! how is she become as a widow! she that was great among the nations, and princess among the provinces, how is she become tributary! Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin' ny firenena sy andriambavy tamin' ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao! ALEPH Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin' ny firenena! izy izay mpanjakavavy eo amin' ny faritany, natao mpandoa hetra. Quoi! elle est assise à l'écart, la Ville populeuse! Elle est devenue comme une veuve, la grande parmi les nations. Princesse parmi les provinces, elle est réduite à la corvée.
Fit 1:2 She weepeth sore in the night, and her tears are on her cheeks: among all her lovers she hath none to comfort her: all her friends have dealt treacherously with her, they are become her enemies. Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony. BETH Mitomany amin' alahelo izy, mandritra ny alina; voton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony. Elle passe des nuits à pleurer et les larmes couvrent ses joues. Pas un qui la console parmi tous ses amants. Tous ses amis l' ont trahie, devenus ses ennemis!
Fit 1:3 Judah is gone into captivity because of affliction, and because of great servitude: she dwelleth among the heathen, she findeth no rest: all her persecutors overtook her between the straits. Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben' ny fanompoana; Mipetraka ao amin' ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena. GHIMEL Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin' ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratran' ireo mpanenjika azy, teo an-kadilanana tery. Juda est exilée, soumise à l' oppression, à une dure servitude. Elle demeure chez les nations sans trouver de répit. Tous ses poursuivants l' atteignent en des lieux sans issue.
Fit 1:4 The ways of Zion do mourn, because none come to the solemn feasts: all her gates are desolate: her priests sigh, her virgins are afflicted, and she is in bitterness. Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin' ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon' ny fahoriana mangidy. DALETH Misaona ny làlan' i Siona, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin' ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferin' aina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy. Les chemins de Sion sont en deuil, nul ne vient plus à ses fêtes. Toutes ses portes sont désertes, ses prêtres gémissent, ses vierges se désolent. Elle est dans l' amertume!
Fit 1:5 Her adversaries are the chief, her enemies prosper; for the Lord hath afflicted her for the multitude of her transgressions: her children are gone into captivity before the enemy. Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan' ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan' ny fahavalony, HE Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin' ny Tompo, noho ny hamaroan' ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan' ny mpampahory. Ses oppresseurs ont le dessus, ses ennemis sont heureux, car Yahvé l' a affligée pour ses nombreux crimes; ses petits enfants sont partis captifs devant l' oppresseur.
Fit 1:6 And from the daughter of Zion all her beauty is departed: her princes are become like harts that find no pasture, and they are gone without strength before the pursuer. Ary ny voninahitr' i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan' ny mpanenjika azy izy. VAV Afaka amin' ny zanakavavin' i Siona ny voninahiny rehetra; Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa tsy mahita vilona ka mandeha tsy manan-kery, eo anoloan' ny manenjika azy. De la fille de Sion s' est retirée toute sa splendeur. Ses princes étaient comme des cerfs qui ne trouvent point de pâture; ils cheminaient sans force devant qui les chassait.
Fit 1:7 Jerusalem remembered in the days of her affliction and of her miseries all her pleasant things that she had in the days of old, when her people fell into the hand of the enemy, and none did help her: the adversaries saw her, and did mock at her sabbaths. Tsaroan' i Jerosalema amin' ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany. ZAIN Tsaroan' i Jerosalema amin' ny andron' ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rahefa lavon' ny tànan' ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa. Jérusalem se souvient de ses jours de misère et de détresse, quand son peuple succombait aux coups de l' adversaire sans que nul la secourût. Ses adversaires la voyaient, il riaient de sa ruine.
Fit 1:8 Jerusalem hath grievously sinned; therefore she is removed: all that honoured her despise her, because they have seen her nakedness: yea, she sigheth, and turneth backward. Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho. HETH Nampitombo ny fahotany Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho. Jérusalem a péché gravement, aussi est-elle devenue chose impure. Tous ceux qui l' honoraient la méprisent : ils ont vu sa nudité. Elle, elle gémit et se détourne.
Fit 1:9 Her filthiness is in her skirts; she remembereth not her last end; therefore she came down wonderfully: she had no comforter. O Lord, behold my affliction: for the enemy hath magnified himself. Ny lotony dia teo amin' ny moron-tongotr' akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo. TETH Miseho eo ambany rambon' akanjony ny lotony; tsy nitsapa ny farany izy; ka mahagaga ny nahalavoany; sady tsy misy mampionona azy. Iaveh ô, jereo ity fahantrako, fa mahery ny fahavalo! Sa souillure colle aux pans de sa robe. Elle ne songeait pas à cette fin; elle est tombée si bas! Personne pour la consoler. " Vois, Yahvé, ma misère : l' ennemi triomphe. "
Fit 1:10 The adversary hath spread out his hand upon all her pleasant things: for she hath seen that the heathen entered into her sanctuary, whom thou didst command that they should not enter into thy congregation. Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin' ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin' ny fitoerany masina. YOD Nandroso ny tànany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin' ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin' ny fiangonanao izy! L' adversaire a étendu la main sur tous ses trésors : elle a vu les païens pénétrer dans son sanctuaire, auxquels tu avais interdit l' entrée de son assemblée.
Fit 1:11 All her people sigh, they seek bread; they have given their pleasant things for meat to relieve the soul: see, O Lord, and consider; for I am become vile. Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho. KAPH Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody ny aina ao aminy, jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako. Son peuple tout entier gémit, en quête de pain; on donne ses bijoux pour de la nourriture, pour retrouver la vie. " Vois, Yahvé, et regarde combien je suis méprisée.
Fit 1:12 Is it nothing to you, all ye that pass by? behold, and see if there be any sorrow like unto my sorrow, which is done unto me, wherewith the Lord hath afflicted me in the day of his fierce anger. Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian' i Jehovah ahy tamin' ny andro firehetan' ny fahatezerany. LAMED Hianareo rehetra izay mandeha amin' ny làlana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjo ahy izao, dia izaho izay nokapohan' ny Tompo, tamin' ny andron' ny fahatezerany mirehitra. Vous tous qui passez par le chemin, regardez et voyez s' il est une douleur pareille à la douleur qui me tourmente, dont Yahvé m' a affligée au jour de sa brûlante colère.
Fit 1:13 From above hath he sent fire into my bones, and it prevaileth against them: he hath spread a net for my feet, he hath turned me back: he hath made me desolate and faint all the day. Avy tany amin' ny avo no nandatsahany afo ho amin' ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy. MEM Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelarany fandrika eo anoloan' ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho. D' en haut il a envoyé un feu qu' il a fait descendre dans mes os. Il a tendu un filet sous mes pas, il m' a renversée, il m' a rendue désolée, malade tout le jour.
Fit 1:14 The yoke of my transgressions is bound by his hand: they are wreathed, and come up upon my neck: he hath made my strength to fall, the Lord hath delivered me into their hands, from whom I am not able to rise up. Ny ziogan' ny fahotako nofehezin' ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho. NUN Ny jiogan' ny fahotako dia voafehy, tao an-tànany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin' ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tànan' izay tsy leoko aho. Il a guetté mes crimes : de sa main il m' enlace, son joug est sur mon cou, il fait fléchir ma force. Le Seigneur m' a mise à leur merci, je ne puis plus tenir!
Fit 1:15 The Lord hath trodden under foot all my mighty men in the midst of me: he hath called an assembly against me to crush my young men: the Lord hath trodden the virgin, the daughter of Judah, as in a winepress. Nataon' ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an' i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin' ny famiazam-boaloboka. SAMECH Nalain' ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy izy, hanorotoro ny zatovolahiko; nohosihosen' ny Tompo, toy ny eo amin' ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanakavavin' i Jodà. Tous mes braves, le Seigneur les a rejetés du milieu de moi. Il a convoqué contre moi une assemblée pour anéantir mon élite. Le Seigneur a foulé au pressoir la vierge, fille de Juda.
Fit 1:16 For these things I weep; mine eye, mine eye runneth down with water, because the comforter that should relieve my soul is far from me: my children are desolate, because the enemy prevailed. Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo. AIN Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo. C' est pour cela que je pleure; mes yeux fondent en larmes, car il est loin de moi, le consolateur qui me rendrait la vie. Mes fils sont bouleversés, car l' ennemi est trop fort. "
Fit 1:17 Zion spreadeth forth her hands, and there is none to comfort her: the Lord hath commanded concerning Jacob, that his adversaries should be round about him: Jerusalem is as a menstruous woman among them. Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin' i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan' ireo. PHE Mananty tanan-droa Siona, ... Tsy misy mampionona azy! Nantsoin' ny Tompo hamely an' i Jakoba, ny fahavalony ka manarona azy izy. Eo afovoan' izy ireo Jerosalema, dia zary toa zava-maloto. Sion tend les mains, pas un qui la console. Yahvé a mandé contre Jacob ses oppresseurs de toutes parts; Jérusalem est devenue chose impure parmi eux.
Fit 1:18 The Lord is righteous; for I have rebelled against his commandment: hear, I pray you, all people, and behold my sorrow: my virgins and my young men are gone into captivity. Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko. TSADE Tena marina Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa hianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo. " Yahvé, lui, est juste, car à ses ordres je fus rebelle. Écoutez donc, tous les peuples, et voyez ma douleur. Mes vierges et mes jeunes gens sont partis en captivité. .
Fit 1:19 I called for my lovers, but they deceived me: my priests and mine elders gave up the ghost in the city, while they sought their meat to relieve their souls. Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin' ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy. KOPH Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahany; ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna, tamin' ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy. J' ai fait appel à mes amants : ils m' ont trahie. Mes prêtres et mes anciens expiraient dans la ville, cherchant une nourriture qui leur rendît la vie.
Fit 1:20 Behold, O Lord; for I am in distress: my bowels are troubled; mine heart is turned within me; for I have grievously rebelled: abroad the sword bereaveth, at home there is as death. Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa. RESCH Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin' ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa! Vois, Yahvé, quelle est mon angoisse! Mes entrailles frémissent; mon coeur en moi se retourne : Ah! je n' ai fait qu'être rebelle! Au dehors l'épée me prive d' enfants, au dedans, c' est comme la mort.
Fit 1:21 They have heard that I sigh: there is none to comfort me: all mine enemies have heard of my trouble; they are glad that thou hast done it: thou wilt bring the day that thou hast called, and they shall be like unto me. Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo. SCHIN Ren' ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjo ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa hianao. Hampiavy ny andro voalazanao hianao; ka ho tonga toa ahy koa ireo! Entends-moi qui gémis : pas un qui me console! Tous mes ennemis ont appris mon mal, ils se réjouissent de ce que tu as fait. Fais venir le Jour que tu avais proclamé, pour qu' ils soient comme moi!
Fit 1:22 Let all their wickedness come before thee; and do unto them, as thou hast done unto me for all my transgressions: for my sighs are many, and my heart is faint. Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko. THAV Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian' ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko! Que toute leur méchanceté te soit présente et traite-les comme tu m' as traitée pour tous mes crimes! Car nombreux sont mes gémissements. et mon coeur est malade. "

<-
->