<-
->

Mar / Mk 11:1 And when they came nigh to Jerusalem, unto Bethphage and Bethany, at the mount of Olives, he sendeth forth two of his disciples, Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin' ny mpianany Jesosy Nony mby akaiky an' i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan' ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roalahy tamin' ny mpianany, Quand ils approchent de Jérusalem, en vue de Bethphagé et de Béthanie, près du mont des Oliviers, il envoie deux de ses disciples,
Mar / Mk 11:2 And saith unto them, Go your way into the village over against you: and as soon as ye be entered into it, ye shall find a colt tied, whereon never man sat; loose him, and bring him. ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin' iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin' izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan' olona; vahao izy, ka ento etý. ary nilaza taminy hoe: Mankanesa amin' itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any hianareo, dia hahita zanak' ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan' olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. en leur disant : " Allez au village qui est en face de vous, et aussitôt, en y pénétrant, vous trouverez, à l' attache, un ânon que personne au monde n' a encore monté. Détachez-le et amenez-le.
Mar / Mk 11:3 And if any man say unto you, Why do ye this? say ye that the Lord hath need of him; and straightway he will send him hither. Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan' ny Tompo azy; dia havelany ho entina etý indray miaraka amin' izay izy. Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn' ny Tompo azy; dia halefany hoentina atý miaraka amin' izay izy. Et si quelqu' un vous dit : "Que faites-vous là ?" dites : "Le Seigneur en a besoin et aussitôt il va le renvoyer ici. " "
Mar / Mk 11:4 And they went their way, and found the colt tied by the door without in a place where two ways met; and they loose him. Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan' ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak' ampondra mifatotra teo alatrano anilan' ny varavarana, teo an-tsampanan-dàlana, dia novahany. Ils partirent et trouvèrent un ânon à l' attache près d' une porte, dehors, sur la rue, et ils le détachent.
Mar / Mk 11:5 And certain of them that stood there said unto them, What do ye, loosing the colt? Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? Ary ny sasany tamin' ny olona teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo io zanak' ampondra io? Quelques-uns de ceux qui se tenaient là leur dirent : " Qu' avez-vous à détacher cet ânon ? "
Mar / Mk 11:6 And they said unto them even as Jesus had commanded: and they let them go. Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain' i Jesosy taminy, dia navelan' ny olona handeha izy. Fa novaliany araka ny nandidian' ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. Ils dirent comme Jésus leur avait dit, et on les laissa faire.
Mar / Mk 11:7 And they brought the colt to Jesus, and cast their garments on him; and he sat upon him. Ary nentiny teo amin' i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. Dia nentiny tany amin' i Jeso ny zanak' ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo izy. Ils amènent l'ânon à Jésus et ils mettent sur lui leurs manteaux et il s' assit dessus.
Mar / Mk 11:8 And many spread their garments in the way: and others cut down branches off the trees, and strawed them in the way. Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. Maro no namelatra ny fitafiany teny amin' ny làlan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin' ny làlana koa. Et beaucoup de gens étendirent leurs manteaux sur le chemin ; d' autres, des jonchées de verdure qu' ils coupaient dans les champs.
Mar / Mk 11:9 And they that went before, and they that followed, cried, saying, Hosanna; Blessed is he that cometh in the name of the Lord: Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin' ny anaran' i Jehovah! Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Et ceux qui marchaient devant et ceux qui suivaient criaient : " Hosanna ! Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur !
Mar / Mk 11:10 Blessed be the kingdom of our father David, that cometh in the name of the Lord: Hosanna in the highest. Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an' i Davida raintsika! Hosana any amin' ny avo indrindra (Sal. 118. 26). Hohasoavina anie ilay avy amin' ny anaran' ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan' i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin' ny avo indrindra. Béni soit le Royaume qui vient, de notre père David ! Hosanna au plus haut des cieux ! "
Mar / Mk 11:11 And Jesus entered into Jerusalem, and into the temple: and when he had looked round about upon all things, and now the eventide was come, he went out unto Bethany with the twelve. Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan' ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin' izay, dia niala Izy mbamin' ny roa ambin' ny folo lahy ka nankany Betania. Dia niditra tao Jerosalema izy namantana tao amin' ny tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban' ny roa ambin' ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Il entra à Jérusalem dans le Temple et, après avoir tout regardé autour de lui, comme il était déjà tard, il sortit pour aller à Béthanie avec les Douze.
Mar / Mk 11:12 And on the morrow, when they were come from Bethany, he was hungry: Ary nony ampitson' iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. Nony ampitso, raha niala tany Betania izy, dia noana, Le lendemain, comme ils étaient sortis de Béthanie, il eut faim.
Mar / Mk 11:13 And seeing a fig tree afar off having leaves, he came, if haply he might find any thing thereon: and when he came to it, he found nothing but leaves; for the time of figs was not yet. Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erý lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan' ny aviavy. ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan' ny aviavy tamin' izay. Voyant de loin un figuier qui avait des feuilles, il alla voir s' il y trouverait quelque fruit, mais s' en étant approché, il ne trouva rien que des feuilles : car ce n'était pas la saison des figues.
Mar / Mk 11:14 And Jesus answered and said unto it, no man eat fruit of thee hereafter for ever. And his disciples heard it. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany. Dia hoy izy tamin' ny aviavy: Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay; ary ren' ny mpianany izany. S' adressant au figuier, il lui dit : " Que jamais plus personne ne mange de tes fruits ! " Et ses disciples l' entendaient.
Mar / Mk 11:15 And they come to Jerusalem: and Jesus went into the temple, and began to cast out them that sold and bought in the temple, and overthrew the tables of the moneychangers, and the seats of them that sold doves; Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan' ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan' ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan' ny mpivarotra ny voromailala; Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin' ny tempoly Jeso, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan' ny mpivaro-boromailala, Ils arrivent à Jérusalem. Étant entré dans le Temple, il se mit à chasser les vendeurs et les acheteurs qui s' y trouvaient : il culbuta les tables des changeurs et les sièges des marchands de colombes,
Mar / Mk 11:16 And would not suffer that any man should carry any vessel through the temple. ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan' ny tempoly. ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny tempoly, et il ne laissait personne transporter d' objet à travers le Temple.
Mar / Mk 11:17 And he taught, saying unto them, Is it not written, My house shall be called of all nations the house of prayer? but ye have made it a den of thieves. Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an' ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren' ny jiolahy (Jery. 7. 11). sady nampianatra izy, nanao hoe: Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an' ny firenena rehetra? fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren' ny jiolahy. Et il les enseignait et leur disait : " N' est-il pas écrit : Ma maison sera appelée une maison de prière pour toutes les nations ? Mais vous, vous en avez fait un repaire de brigands ! "
Mar / Mk 11:18 And the scribes and chief priests heard it, and sought how they might destroy him: for they feared him, because all the people was astonished at his doctrine. Ary nahare izany ny lohan' ny mpisorona mbamin' ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany. Nony nahare izany ny lohandohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty azy; saingy natahotra azy izy ireo satria nigagan' ny vahoaka rehetra ny fampianarany. Cela vint aux oreilles des grands prêtres et des scribes et ils cherchaient comment le faire périr ; car ils le craignaient, parce que tout le peuple était ravi de son enseignement.
Mar / Mk 11:19 And when even was come, he went out of the city. Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy. Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna izy. Le soir venu, il s' en allait hors de la ville.
Mar / Mk 11:20 And in the morning, as they passed by, they saw the fig tree dried up from the roots. Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin' ny fakany ilay aviavy. Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan' ny mpianany fa maina hatramin' ny fakany ilay aviavy. Passant au matin, ils virent le figuier desséché jusqu' aux racines.
Mar / Mk 11:21 And Peter calling to remembrance saith unto him, Master, behold, the fig tree which thou cursedst is withered away. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao. Dia nahatsiahy Piera ka nanao taminy hoe: Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao. Et Pierre, se ressouvenant, lui dit : " Rabbi, regarde : le figuier que tu as maudit est desséché. "
Mar / Mk 11:22 And Jesus answering saith unto them, Have faith in God. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an' Andriamanitra. Ary hoy ny navalin' i Jeso azy: Manàna finoana an' Andriamanitra. En réponse, Jésus leur dit : " Ayez foi en Dieu.
Mar / Mk 11:23 For verily I say unto you, That whosoever shall say unto this mountain, Be thou removed, and be thou cast into the sea; and shall not doubt in his heart, but shall believe that those things which he saith shall come to pass; he shall have whatsoever he saith. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin' ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin' ity tendrombohitra ity hoe: Mialà hianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina, raha mino tsy amim-pisalasalana ao an-pony izy, fa ho tanteraka izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan' izany. En vérité je vous le dis, si quelqu' un dit à cette montagne : "Soulève-toi et jette-toi dans la mer", et s' il n' hésite pas dans son coeur, mais croit que ce qu' il dit va arriver, cela lui sera accordé.
Mar / Mk 11:24 Therefore I say unto you, What things soever ye desire, when ye pray, believe that ye receive them, and ye shall have them. Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin' ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. Koa amin' izany lazaiko marina aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin' ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. C' est pourquoi je vous dis : tout ce que vous demandez en priant, croyez que vous l' avez déjà reçu, et cela vous sera accordé.
Mar / Mk 11:25 And when ye stand praying, forgive, if ye have ought against any: that your Father also which is in heaven may forgive you your trespasses. Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan' ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. Ary raha mitsangana hivavaka hianareo ka sendra manana alahelo amin' olona, dia mamelà azy, mba hamelan' ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. Et quand vous êtes debout en prière, si vous avez quelque chose contre quelqu' un, remettez-lui, afin que votre Père qui est aux cieux vous remette aussi vos offenses
Mar / Mk 11:26 But if ye do not forgive, neither will your Father which is in heaven forgive your trespasses. Fa raha tsy mamela hianareo, dia tsy havelan' ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.
Mar / Mk 11:27 And they come again to Jerusalem: and as he was walking in the temple, there come to him the chief priests, and the scribes, and the elders, Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan' ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia teo anatin' ny tempoly Jeso, dia nanatona azy ny lohandohan' ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona, Ils viennent de nouveau à Jérusalem. Et tandis qu' il circule dans le Temple, les grands prêtres, les scribes et les anciens viennent à lui
Mar / Mk 11:28 And say unto him, By what authority doest thou these things? and who gave thee this authority to do these things? ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao? ka nilaza taminy hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana anao hanao izany? et il lui disaient : " Par quelle autorité fais-tu cela ? ou qui t' a donné cette autorité pour le faire ? "
Mar / Mk 11:29 And Jesus answered and said unto them, I will also ask of you one question, and answer me, and I will tell you by what authority I do these things. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao: Dia hoy Jeso taminy: Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry hianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Jésus leur dit : " Je vous poserai une seule question. Répondez-moi et je vous dirai par quelle autorité je fais cela.
Mar / Mk 11:30 The baptism of John, was it from heaven, or of men? answer me. Ny batisan' i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin' ny olona? Valio Aho. Avy aiza ny batemin' i Joany, avy any an-danitra sa avy amin' ny olona? Valio aho. Le baptême de Jean était-il du Ciel ou des hommes ? Répondez-moi. "
Mar / Mk 11:31 And they reasoned with themselves, saying, If we shall say, From heaven; he will say, Why then did ye not believe him? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo? Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Or ils se faisaient par-devers eux ce raisonnement : " Si nous disons : "Du Ciel", il dira : "Pourquoi donc n' avez-vous pas cru en lui ?"
Mar / Mk 11:32 But if we shall say, Of men; they feared the people: for all men counted John, that he was a prophet indeed. Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin' ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken' ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona. Ary raha ataontsika hoe avy amin' ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon' izy rehetra ho mpaminany marina tokoa Joany. Mais allons-nous dire : "Des hommes" ? " Ils craignaient la foule car tous tenaient que Jean avait été réellement un prophète.
Mar / Mk 11:33 And they answered and said unto Jesus, We cannot tell. And Jesus answering saith unto them, Neither do I tell you by what authority I do these things. Dia namaly an' i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. Dia izao no navaliny an' i Jeso: Tsy fantatray. Ary izaho kosa, hoy Jeso taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. Et ils font à Jésus cette réponse : " Nous ne savons pas. " Et Jésus leur dit : " Moi non plus, je ne vous dis pas par quelle autorité je fais cela. "

<-
->