<-
->

Jak / Jk 4:1 From whence come wars and fightings among you? come they not hence, even of your lusts that war in your members? Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin' ny momba ny tenanareo? Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin' ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin' ny nofonareo va? D' où viennent les guerres, d' où viennent les batailles parmi vous ? N' est-ce pas précisément de vos passions, qui combattent dans vos membres ?
Jak / Jk 4:2 Ye lust, and have not: ye kill, and desire to have, and cannot obtain: ye fight and war, yet ye have not, because ye ask not. Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. Mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona hianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady hianareo; ary hianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka hianareo; Vous convoitez et ne possédez pas ? Alors vous tuez. Vous êtes jaloux et ne pouvez obtenir ? Alors vous bataillez et vous faites la guerre. Vous ne possédez pas parce que vous ne demandez pas.
Jak / Jk 4:3 Ye ask, and receive not, because ye ask amiss, that ye may consume it upon your lusts. Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin' ny filanareo. mangataka hianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan' ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo hianareo. Vous demandez et ne recevez pas parce que vous demandez mal, afin de dépenser pour vos passions.
Jak / Jk 4:4 Ye adulterers and adulteresses, know ye not that the friendship of the world is enmity with God? whosoever therefore will be a friend of the world is the enemy of God. Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an' Andriamanitra ny fisakaizana amin' izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan' izao tontolo izao, dia fahavalon' Andriamanitra izy. Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an' Andriamanitra ny fisakaizana amin' izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan' izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon' Andriamanitra. Adultères, ne savez-vous pas que l' amitié pour le monde est inimitié contre Dieu ? Qui veut donc être ami du monde, se rend ennemi de Dieu.
Jak / Jk 4:5 Do ye think that the scripture saith in vain, The spirit that dwelleth in us lusteth to envy? Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin' ny fahasaro-piaro. Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain' ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoeriny ao anatinareo? Penseriez-vous que l'Écriture dise en vain : Il désire avec jalousie, l' esprit qu' il a mis en nous ?
Jak / Jk 4:6 But he giveth more grace. Wherefore he saith, God resisteth the proud, but giveth grace unto the humble. Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an' ny manetry tena" (Oha. 3.34). Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain' ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. Il donne d' ailleurs une plus grande grâce suivant la parole de l'Écriture : Dieu résiste aux orgueilleux, mais il donne sa grâce aux humbles.
Jak / Jk 4:7 Submit yourselves therefore to God. Resist the devil, and he will flee from you. Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Koa maneke an' Andriamanitra hianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. Soumettez-vous donc à Dieu ; résistez au diable et il fuira loin de vous.
Jak / Jk 4:8 Draw nigh to God, and he will draw nigh to you. Cleanse your hands, ye sinners; and purify your hearts, ye double minded. Manatòna an' Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Manatòna an' Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. Approchez-vous de Dieu et il s' approchera de vous. Purifiez vos mains, pécheurs ; sanctifiez vos coeurs, gens à l'âme partagée.
Jak / Jk 4:9 Be afflicted, and mourn, and weep: let your laughter be turned to mourning, and your joy to heaviness. Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. Voyez votre misère, prenez le deuil, pleurez. Que votre rire se change en deuil et votre joie en tristesse.
Jak / Jk 4:10 Humble yourselves in the sight of the Lord, and he shall lift you up. Manetre tena eo anatrehan' ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. Manetre tena eo anatrehan' Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy. Humiliez-vous devant le Seigneur et il vous élèvera.
Jak / Jk 4:11 Speak not evil one of another, brethren. He that speaketh evil of his brother, and judgeth his brother, speaketh evil of the law, and judgeth the law: but if thou judge the law, thou art not a doer of the law, but a judge. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny, na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy. Ne médisez pas les uns des autres, frères. Celui qui médit d' un frère ou qui juge son frère, médit de la Loi et juge la Loi. Or si tu juges la Loi, tu n' es pas l' observateur de la Loi, mais son juge.
Jak / Jk 4:12 There is one lawgiver, who is able to save and to destroy: who art thou that judgest another? Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao? Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia ilay mahay mamonjy na mamery. Il n' y a qu' un seul législateur et juge, celui qui peut sauver ou perdre. Et toi, qui es-tu pour juger le prochain ?
Jak / Jk 4:13 Go to now, ye that say, To day or to morrow we will go into such a city, and continue there a year, and buy and sell, and get gain: He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, Ary hianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herin-taona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra: Eh bien, maintenant ! vous qui dites : " Aujourd' hui ou demain nous irons dans telle ville, nous y passerons l' année, nous ferons du commerce et nous gagnerons de l' argent ! "
Jak / Jk 4:14 Whereas ye know not what shall be on the morrow. For what is your life? It is even a vapour, that appeareth for a little time, and then vanisheth away. kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory hianareo; Vous qui ne savez pas ce que demain sera votre vie, car vous êtes une vapeur qui paraît un instant, puis disparaît.
Jak / Jk 4:15 For that ye ought to say, If the Lord will, we shall live, and do this, or that. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon' ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: Raha sitra-pon' Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay. Que ne dites-vous au contraire : " Si le Seigneur le veut, nous vivrons et nous ferons ceci ou cela. "
Jak / Jk 4:16 But now ye rejoice in your boastings: all such rejoicing is evil. Fa izao dia mirehareha amin' ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Fa izao dia mirehareha amin' ny fahasahianareo hianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Mais voilà que vous vous glorifiez de votre forfanterie ! Toute gloriole de ce genre est mauvaise.
Jak / Jk 4:17 Therefore to him that knoweth to do good, and doeth it not, to him it is sin. Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka. Celui donc qui sait faire le bien et ne le fait pas, commet un péché.

<-
->