<-
->

1Pe / 1P 3:1 Likewise, ye wives, be in subjection to your own husbands; that, if any obey not the word, they also may without the word be won by the conversation of the wives; Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan' ny fitondran-tenan' ny vavy izy, na dia tsy amin' ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), Toy izany koa hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan' ny fitondran-tenan' ny vadiny na dia tsy amin' ny fitorian-teny aza, Pareillement, vous les femmes, soyez soumises à vos maris, afin que, même si quelques-uns refusent de croire à la Parole, ils soient, sans parole, gagnés par la conduite de leurs femmes,
1Pe / 1P 3:2 While they behold your chaste conversation coupled with fear. rehefa hitany ny fahadiovan' ny fitondran-tenanareo amin' ny fahatahorana. rahefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana. en considérant votre vie chaste et pleine de respect.
1Pe / 1P 3:3 Whose adorning let it not be that outward adorning of plaiting the hair, and of wearing of gold, or of putting on of apparel; Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; Aoka ny firavakareo tsy ho zavatsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, Que votre parure ne soit pas extérieure, faite de cheveux tressés, de cercles d' or et de toilettes bien ajustées,
1Pe / 1P 3:4 But let it be the hidden man of the heart, in that which is not corruptible, even the ornament of a meek and quiet spirit, which is in the sight of God of great price. fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason' Andriamanitra. fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason' Andriamanitra. mais à l' intérieur de votre coeur dans l' incorruptibilité d' une âme douce et calme : voilà ce qui est précieux devant Dieu.
1Pe / 1P 3:5 For after this manner in the old time the holy women also, who trusted in God, adorned themselves, being in subjection unto their own husbands: Fa tahaka izany no niravahan' ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an' Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; Fa toy izao no firavaky ny vehivavy masina fahiny izay nanantena an' Andriamanitra sy nanaiky ny vadiny; C' est ainsi qu' autrefois les saintes femmes qui espéraient en Dieu se paraient, soumises à leurs maris :
1Pe / 1P 3:6 Even as Sara obeyed Abraham, calling him lord: whose daughters ye are, as long as ye do well, and are not afraid with any amazement. dia tahaka an' i Saraha, izay nanaiky an' i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. tahaka an' i Sarà izay nanaiky an' i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany hianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo. telle Sara obéissait à Abraham, en l' appelant son Seigneur. C' est d' elle que vous êtes devenues les enfants, si vous agissez bien, sans terreur et sans aucun trouble.
1Pe / 1P 3:7 Likewise, ye husbands, dwell with them according to knowledge, giving honour unto the wife, as unto the weaker vessel, and as being heirs together of the grace of life; that your prayers be not hindered. Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin' ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan' ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. Hianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin' ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan' ny fiainana hianareo, mba tsy hisy hanampontsapona ny fivavahanareo. Vous pareillement, les maris, menez la vie commune avec compréhension, comme auprès d' un être plus fragile, la femme ; accordez-lui sa part d' honneur, comme cohéritière de la grâce de Vie. Ainsi vos prières ne seront pas entravées.
1Pe / 1P 3:8 Finally, be ye all of one mind, having compassion one of another, love as brethren, be pitiful, be courteous: Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, Farany, miraisa saina hianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena. Enfin, vous tous, en esprit d' union, dans la compassion, l' amour fraternel, la miséricorde, l' esprit d' humilité,
1Pe / 1P 3:9 Not rendering evil for evil, or railing for railing: but contrariwise blessing; knowing that ye are thereunto called, that ye should inherit a blessing. tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin' izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin' izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana. ne rendez pas mal pour mal, insulte pour insulte. Bénissez, au contraire, car c' est à cela que vous avez été appelés, afin d' hériter la bénédiction.
1Pe / 1P 3:10 For he that will love life, and see good days, let him refrain his tongue from evil, and his lips that they speak no guile: "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin' ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Fa izay te-ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin' ny ratsy, sy ny molony tsy hiteny fitaka; Qui veut, en effet, aimer la vie et voir des jours heureux doit garder sa langue du mal et ses lèvres des paroles fourbes,
1Pe / 1P 3:11 Let him eschew evil, and do good; let him seek peace, and ensue it. Ary aoka izy hiala amin' ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. aoka hiala amin' ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. s'éloigner du mal et faire le bien, chercher la paix et la poursuivre.
1Pe / 1P 3:12 For the eyes of the Lord are over the righteous, and his ears are open unto their prayers: but the face of the Lord is against them that do evil. Fa ny mason' ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan' ny Tompo dia tezitra amin' ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16). Fa eo amin' ny olo-marina ny mason' ny Tompo, ary ho amin' ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin' ny mpanao ratsy kosa ny tavan' ny Tompo. Car le Seigneur a les yeux sur les justes et tend l' oreille à leur prière, mais le Seigneur tourne sa face contre ceux qui font le mal.
1Pe / 1P 3:13 And who is he that will harm you, if ye be followers of that which is good? Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin' izay tsara ianareo? Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa hianareo? Et qui vous ferait du mal, si vous devenez zélés pour le bien ?
1Pe / 1P 3:14 But and if ye suffer for righteousness' sake, happy are ye: and be not afraid of their terror, neither be troubled; Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo; Fa na ampahorina noho ny fahamarinana aza hianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin' izany akory. Heureux d' ailleurs quand vous souffririez pour la justice ! N' ayez d' eux aucune crainte et ne soyez pas troublés.
1Pe / 1P 3:15 But sanctify the Lord God in your hearts: and be ready always to give an answer to every man that asketh you a reason of the hope that is in you with meekness and fear: fa manamasìna an i' Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin' ny anton' ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin' ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, Ny Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an' izay rehetra manontany anareo ny amin' ny antony fanantenana izay ao anatinareo. Au contraire, sanctifiez dans vos coeurs le Seigneur Christ, toujours prêts à la défense contre quiconque vous demande raison de l' espérance qui est en vous.
1Pe / 1P 3:16 Having a good conscience; that, whereas they speak evil of you, as of evildoers, they may be ashamed that falsely accuse your good conversation in Christ. ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin' i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin' izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an' ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin' ny Kristy. Mais que ce soit avec douceur et respect, en possession d' une bonne conscience, afin que, sur le point même où l' on vous calomnie, soient confondus ceux qui décrient votre bonne conduite dans le Christ.
1Pe / 1P 3:17 For it is better, if the will of God be so, that ye suffer for well doing, than for evil doing. Fa raha sitrapon' Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin' ny fanaovan-tsoa noho ny amin' ny fanaovan-dratsy. Fa aleo amin' ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitra-pon' Andriamanitra, toy izay amin' ny fanaovan-dratsy. Car mieux vaudrait souffrir en faisant le bien, si telle était la volonté de Dieu, qu' en faisant le mal.
1Pe / 1P 3:18 For Christ also hath once suffered for sins, the just for the unjust, that he might bring us to God, being put to death in the flesh, but quickened by the Spirit: Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin' Andriamanitra, ka novonoina tamin' ny nofo, fa novelomina tamin' ny fanahy, Na ny Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia izy marina ho an' ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin' Andriamanitra, ka novonoina tamin' ny nofo izy, fa novelomina tamin' ny fanahy. Le Christ lui-même est mort une fois pour les péchés, juste pour des injustes, afin de nous mener à Dieu. Mis à mort selon la chair, il a été vivifié selon l' esprit.
1Pe / 1P 3:19 By which also he went and preached unto the spirits in prison; izay nandehanany sy nitoriany teny tamin' ireo fanahy tao an-tranomaizina, Ary tamin' io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin' ireo fanahy tao an-tranomaizina, C' est en lui qu' il s' en alla même prêcher aux esprits en prison,
1Pe / 1P 3:20 Which sometime were disobedient, when once the longsuffering of God waited in the days of Noah, while the ark was a preparing, wherein few, that is, eight souls were saved by water. dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon' Andriamanitra tamin' ny andron' i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran' ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon' Andriamanitra tamin' ny andron' i Noe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin' ny rano. à ceux qui jadis avaient refusé de croire lorsque se prolongeait la patience de Dieu, aux jours où Noé construisait l' Arche, dans laquelle un petit nombre, en tout huit personnes, furent sauvées à travers l' eau.
1Pe / 1P 3:21 The like figure whereunto even baptism doth also now save us (not the putting away of the filth of the flesh, but the answer of a good conscience toward God,) by the resurrection of Jesus Christ: izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan' io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan' ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan' Andriamanitra, amin' ny nitsanganan' i Jesosy Kristy tamin' ny maty. Ary amin' ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin' ny batemy izay tenan' io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton' ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin' Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan' i Jeso-Kristy tamin' ny maty, Ce qui y correspond, c' est le baptême qui vous sauve à présent et qui n' est pas l' enlèvement d' une souillure charnelle, mais l' engagement à Dieu d' une bonne conscience par la résurrection de Jésus Christ,
1Pe / 1P 3:22 Who is gone into heaven, and is on the right hand of God; angels and authorities and powers being made subject unto him. Izay eo amin' ny tanana ankavanan' Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan' Andriamanitra, eken' ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery. lui qui, passé au ciel, est à la droite de Dieu, après s'être soumis les Anges, les Dominations et les Puissances.

<-
->