Chapitres et versets citant Saray

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 11.29 And Abram and Nahor took them wives: the name of Abram' s wife was Sarai; and the name of Nahor' s wife, Milcah, the daughter of Haran, the father of Milcah, and the father of Iscah. Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran' ny vadin' i Abrama dia Saray; ary ny anaran' ny vadin' i Nahora dia Milka, zanakavavin' i Harana, rain' i Milka sy rain' Iska. Abrama sy Nakora samy naka vady avy; ka ny anaran' ny vadin' i Abrama dia Saray, ary ny anaran' ny vadin' i Nakora dia Meldà, zanak' i Aràna, rain' i Melkà sy rain' i Jeskà. Abram et Nahor se marièrent : la femme d' Abram s' appelait Saraï; la femme de Nahor s' appelait Milka, fille de Harân, qui était le père de Milka et de Yiska.
Gen / Jen 11.30 But Sarai was barren; she had no child. Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy. Ary Saray dia momba; tsy niteraka izy. Or Saraï était stérile : elle n' avait pas d' enfant.
Gen / Jen 11.31 And Terah took Abram his son, and Lot the son of Haran his son' s son, and Sarai his daughter in law, his son Abram' s wife; and they went forth with them from Ur of the Chaldees, to go into the land of Canaan; and they came unto Haran, and dwelt there. Ary Tera nitondra an' i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak' i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin' i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran' ny Kaldeana hankany amin' ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. Ary nentin' i Tare Abrama zanany mbamin' i Lota zafiny, zanak' i Aràna, ary Saray, vinantovaviny, vadin' i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin' ny Kaldeana, mba ho any amin' ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao. Térah prit son fils Abram, son petit-fils Lot, fils de Harân, et sa bru Saraï, femme d' Abram. Il les fit sortir d' Ur des Chaldéens pour aller au pays de Canaan, mais, arrivés à Harân, ils s' y établirent.
...............
Gen / Jen 12.5 And Abram took Sarai his wife, and Lot his brother' s son, and all their substance that they had gathered, and the souls that they had gotten in Haran; and they went forth to go into the land of Canaan; and into the land of Canaan they came. Ary Abrama nitondra an' i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin' ny fananan' izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin' ny tany Kanana, ka tonga tany amin' ny tany Kanana izy. Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin' ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin' ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin' ny tany Kanaana izy. Abram prit sa femme Saraï, son neveu Lot, tout l' avoir qu' ils avaient amassé et le personnel qu' ils avaient acquis à Harân; ils se mirent en route pour le pays de Canaan et ils y arrivèrent.
...............
Gen / Jen 12.11 And it came to pass, when he was come near to enter into Egypt, that he said unto Sarai his wife, Behold now, I know that thou art a fair woman to look upon: Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Fantatro fa noho hianao vehivavy tsara tarehy, Lorsqu' il fut près d' entrer en Égypte, il dit à sa femme Saraï : Vois-tu, je sais que tu es une femme de belle apparence.
...............
Gen / Jen 12.16 And he entreated Abram well for her sake: and he had sheep, and oxen, and he asses, and menservants, and maidservants, and she asses, and camels. Ary Abrama nasian' i Farao soa noho ny amin' i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. Nasiany soa Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondravavy sy rameva. Celui-ci traita bien Abram à cause d' elle : il eut du petit et du gros bétail, des ânes, des esclaves, des servantes, des ânesses, des chameaux.
Gen / Jen 12.17 And the Lord plagued Pharaoh and his house with great plagues because of Sarai Abram' s wife. Dia nasian' i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin' i Saray, vadin' i Abrama. Nefa loza mafy dia mafy no namelezan' ny Tompo an' i Faraona sy ny ankohonany, noho ny amin' i Saray vadin' i Abrama, Mais Yahvé frappa Pharaon de grandes plaies, et aussi sa maison, à propos de Saraï, la femme d' Abram.
Gen / Jen 16.1 Now Sarai Abram' s wife bare him no children: and she had an handmaid, an Egyptian, whose name was Hagar. Ary Saray, vadin' i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. Tsy niteraka tamin' i Abrama Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejipsiana anankiray atao hoe Agara izy. La femme d' Abram, Saraï, ne lui avait pas donné d' enfant. Mais elle avait une servante égyptienne, nommée Agar,
Gen / Jen 16.2 And Sarai said unto Abram, Behold now, the Lord hath restrained me from bearing: I pray thee, go in unto my maid; it may be that I may obtain children by her. And Abram hearkened to the voice of Sarai. Ary hoy Saray tamin' i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin' ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken' i Abrama ny tenin' i Saray. Hoy Saray tamin' i Abrama: Indro efa nataon' ny Tompo momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin' ny mpanompovaviko, fa angamba hitera-dahy ho ahy izy. Dia neken' i Abrama ny tenin' i Saray. et Saraï dit à Abram : Vois, je te prie : Yahvé n' a pas permis que j' enfante. Va donc vers ma servante. Peut-être obtiendrai-je par elle des enfants. Et Abram écouta la voix de Saraï.
Gen / Jen 16.3 And Sarai Abram' s wife took Hagar her maid the Egyptian, after Abram had dwelt ten years in the land of Canaan, and gave her to her husband Abram to be his wife. Ary rehefa nonina folo taona teo amin' ny tany Kanana Abrama, dia nalain' i Saray, vadin' i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an' i Abrama vadiny mba hovadiny. Efa nonina folo taona tany amin' ny tany Kanaana Abrama tamin' ny nakan' i Saray, vadin' i Abrama, an' i Agara ilay Ejipsiana mpanompovaviny, ka nanomezany azy an' i Abrama vadiny. Ainsi, au bout de dix ans qu' Abram résidait au pays de Canaan, sa femme Saraï prit Agar l'Égyptienne, sa servante, et la donna pour femme à son mari, Abram.
...............
Gen / Jen 16.5 And Sarai said unto Abram, My wrong be upon thee: I have given my maid into thy bosom; and when she saw that she had conceived, I was despised in her eyes: the Lord judge between me and thee. Ary hoy Saray tamin' i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan' anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. Hoy Saray tamin' i Abrama: Mihatra aminao izao faniratsiràna ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka Iaveh anie hitsara ahy sy hianao. Alors Saraï dit à Abram : Tu es responsable de l' injure qui m' est faite ! J' ai mis ma servante entre tes bras et, depuis qu' elle s' est vue enceinte, je ne compte plus à ses yeux. Que Yahvé juge entre moi et toi !
Gen / Jen 16.6 But Abram said unto Sarai, Behold, thy maid is in thine hand; do to her as it pleaseth thee. And when Sarai dealt hardly with her, she fled from her face. Ary hoy Abrama tamin' i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin' i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. Hoy ny navalin' i Abrama tamin' i Saray: Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy arak' izay ataonao ho mety. Dia nampahorian' i Saray Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany. Abram dit à Saraï : Eh bien, ta servante est entre tes mains, fais-lui comme il te semblera bon. Saraï la maltraita tellement que l' autre s' enfuit de devant elle.
...............
Gen / Jen 16.8 And he said, Hagar, Sarai' s maid, whence camest thou? and whither wilt thou go? And she said, I flee from the face of my mistress Sarai. Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin' i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan' i Saray tompovaviko aho. Hoy izy: Ry Agara, mpanompovavin' i Saray, avy aiza hianao ary ho aiza? Hoy ny navaliny: Mandositra lavitra an' i Saray tompovaviko aho. Il dit : Agar, servante de Saraï, d' où viens-tu et où vas-tu ? Elle répondit : Je fuis devant ma maîtresse Saraï.
...............
Gen / Jen 17.15 And God said unto Abraham, As for Sarai thy wife, thou shalt not call her name Sarai, but Sarah shall her name be. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny amin' i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. Hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. Dieu dit à Abraham : Ta femme Saraï, tu ne l' appelleras plus Saraï, mais son nom est Sara.