<-
->

Gen / Jen 12:1 Now the Lord had said unto Abram, Get thee out of thy country, and from thy kindred, and from thy father' s house, unto a land that I will shew thee: Ary hoy Jehovah tamin' i Abrama: Mandehana miala amin' ny taninao sy ny havanao ary ny tranon' ny rainao hankany amin' ny tany izay hasehoko anao; Hoy Iaveh tamin' i Abrama: Mialà amin' ny taninao sy amin' ny fianakavianao ary amin' ny tranon-drainao mba ho any amin' ny tany hasehoko anao. Yahvé dit à Abram : Quitte ton pays, ta parenté et la maison de ton père, pour le pays que je t' indiquerai.
Gen / Jen 12:2 And I will make of thee a great nation, and I will bless thee, and make thy name great; and thou shalt be a blessing: dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Je ferai de toi un grand peuple, je te bénirai, je magnifierai ton nom; sois une bénédiction !
Gen / Jen 12:3 And I will bless them that bless thee, and curse him that curseth thee: and in thee shall all families of the earth be blessed. ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin' ny tany. Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin' ny tany. Je bénirai ceux qui te béniront, je réprouverai ceux qui te maudiront. Par toi se béniront tous les clans de la terre.
Gen / Jen 12:4 So Abram departed, as the Lord had spoken unto him; and Lot went with him: and Abram was seventy and five years old when he departed out of Haran. Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain' i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. Dia niainga Abrama araka ny tenin' ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa Lota. Efa dimy amby fito-polo taona Abrama fony izy niala tany Haràna. Abram partit, comme lui avait dit Yahvé, et Lot partit avec lui. Abram avait soixante-quinze ans lorsqu' il quitta Harân.
Gen / Jen 12:5 And Abram took Sarai his wife, and Lot his brother' s son, and all their substance that they had gathered, and the souls that they had gotten in Haran; and they went forth to go into the land of Canaan; and into the land of Canaan they came. Ary Abrama nitondra an' i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin' ny fananan' izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin' ny tany Kanana, ka tonga tany amin' ny tany Kanana izy. Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin' ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin' ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin' ny tany Kanaana izy. Abram prit sa femme Saraï, son neveu Lot, tout l' avoir qu' ils avaient amassé et le personnel qu' ils avaient acquis à Harân; ils se mirent en route pour le pays de Canaan et ils y arrivèrent.
Gen / Jen 12:6 And Abram passed through the land unto the place of Sichem, unto the plain of Moreh. And the Canaanite was then in the land. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan' i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. Dia namaky ny tany Abrama, hatrany amin' ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin' ny terebintan' i More. Abram traversa le pays jusqu' au lieu saint de Sichem, au Chêne de Moré. Les Cananéens étaient alors dans le pays.
Gen / Jen 12:7 And the Lord appeared unto Abram, and said, Unto thy seed will I give this land: and there builded he an altar unto the Lord, who appeared unto him. Ary Jehovah niseho tamin' i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an' i Jehovah Izay niseho taminy. Ny Kananeana tamin' izay no nitoetra tamin' ny tany. Niseho tamin' i Abrama Iaveh ka nanao hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Ary teo Abrama nanorina otely ho an' ny Tompo izay niseho taminy. Yahvé apparut à Abram et dit : C' est à ta postérité que je donnerai ce pays. Et là, Abram bâtit un autel à Yahvé qui lui était apparu.
Gen / Jen 12:8 And he removed from thence unto a mountain on the east of Bethel, and pitched his tent, having Bethel on the west, and Hai on the east: and there he builded an altar unto the Lord, and called upon the name of the Lord. Ary nifindra niala teo izy hankany amin' ny tendrombohitra atsinanan' i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan' i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an' i Jehovah izy ka niantso ny anaran' i Jehovah. Nifindra avy eo izy ho any amin' ny tendrombohitra ao atsinanan' i Betela, dia niorin-day izy, ka Betela teo andrefany ary Hay teo atsinanany. Ary nanorina otely ho an' ny Tompo izy teo, ka niantso ny anaran' ny Tompo. Il passa de là dans la montagne, à l' orient de Béthel, et il dressa sa tente, ayant Béthel à l' ouest et Aï à l' est. Là, il bâtit un autel à Yahvé et il invoqua son nom.
Gen / Jen 12:9 And Abram journeyed, going on still toward the south. Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin' ny tany atsimo. Dia nandroso ihany Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo. Puis, de campement en campement, Abram alla au Négeb.
Gen / Jen 12:10 And there was a famine in the land: and Abram went down into Egypt to sojourn there; for the famine was grievous in the land. Ary nisy mosary teo amin' ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin' ny tany. Fa nisy mosary teo amin' ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin' ny tany. Il y eut une famine dans le pays et Abram descendit en Égypte pour y séjourner, car la famine pesait lourdement sur le pays.
Gen / Jen 12:11 And it came to pass, when he was come near to enter into Egypt, that he said unto Sarai his wife, Behold now, I know that thou art a fair woman to look upon: Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Fantatro fa noho hianao vehivavy tsara tarehy, Lorsqu' il fut près d' entrer en Égypte, il dit à sa femme Saraï : Vois-tu, je sais que tu es une femme de belle apparence.
Gen / Jen 12:12 Therefore it shall come to pass, when the Egyptians shall see thee, that they shall say, This is his wife: and they will kill me, but they will save thee alive. ka, raha hitan' ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. rahefa mahita anao ny Ejipsiana dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy. Quand les Égyptiens te verront, ils diront : C' est sa femme, et ils me tueront et te laisseront en vie.
Gen / Jen 12:13 Say, I pray thee, thou art my sister: that it may be well with me for thy sake; and my soul shall live because of thee. Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy. Koa lazao fa anabaviko hianao, ka hianao no handraisany ahy tsara ary hianao no hamelany ahy ho velona. Dis, je te prie, que tu es ma soeur, pour qu' on me traite bien à cause de toi et qu' on me laisse en vie par égard pour toi.
Gen / Jen 12:14 And it came to pass, that, when Abram was come into Egypt, the Egyptians beheld the woman that she was very fair. Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan' ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. Nony tonga tany Ejipta Abrama, dia hitan' ny Ejipsiana fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. De fait, quand Abram arriva en Égypte, les Égyptiens virent que la femme était très belle.
Gen / Jen 12:15 The princes also of Pharaoh saw her, and commended her before Pharaoh: and the woman was taken into Pharaoh' s house. Ary nahita azy ny tandapan' i Farao ka nidera azy tamin' i Farao; dia nentina tao an-tranon' i Farao izy. Nony nahita azy ny lehibe ao amin' i Faraona dia nataony laza masaka tamin' i Faraona izy: ary nalaina ho ao an-dapan' i Faraona ravehivavy. Les officiers de Pharaon la virent et la vantèrent à Pharaon; et la femme fut emmenée au palais de Pharaon.
Gen / Jen 12:16 And he entreated Abram well for her sake: and he had sheep, and oxen, and he asses, and menservants, and maidservants, and she asses, and camels. Ary Abrama nasian' i Farao soa noho ny amin' i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. Nasiany soa Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondravavy sy rameva. Celui-ci traita bien Abram à cause d' elle : il eut du petit et du gros bétail, des ânes, des esclaves, des servantes, des ânesses, des chameaux.
Gen / Jen 12:17 And the Lord plagued Pharaoh and his house with great plagues because of Sarai Abram' s wife. Dia nasian' i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin' i Saray, vadin' i Abrama. Nefa loza mafy dia mafy no namelezan' ny Tompo an' i Faraona sy ny ankohonany, noho ny amin' i Saray vadin' i Abrama, Mais Yahvé frappa Pharaon de grandes plaies, et aussi sa maison, à propos de Saraï, la femme d' Abram.
Gen / Jen 12:18 And Pharaoh called Abram and said, What is this that thou hast done unto me? why didst thou not tell me that she was thy wife? Ary Farao dia nampaka an' i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? ka nampaka an' i Abrama Faraona nilazany hoe: Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, Pharaon appela Abram et dit : Qu' est-ce que tu m' as fait ? Pourquoi ne m' as-tu pas déclaré qu' elle était ta femme ?
Gen / Jen 12:19 Why saidst thou, She is my sister? so I might have taken her to me to wife: now therefore behold thy wife, take her, and go thy way. Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana. fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana. Pourquoi as-tu dit : Elle est ma soeur ! en sorte que je l' ai prise pour femme. Maintenant, voilà ta femme : prends-la et va-t' en !
Gen / Jen 12:20 And Pharaoh commanded his men concerning him: and they sent him away, and his wife, and all that he had. Dia nomen' i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin' i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin' ny fananany rehetra ireo. Dia nohafatrafaran' i Faraona ny mpanompony, ny amin' i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban' ny fananany rehetra. Pharaon le confia à des hommes qui le reconduisirent à la frontière, lui, sa femme et tout ce qu' il possédait.

<-
->