Chapitres et versets citant Negeba

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 13.17 And Moses sent them to spy out the land of Canaan, and said unto them, Get you up this way southward, and go up into the mountain: Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atý amin' ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin' ny tany havoana; Nirahin' i Moizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: Miakara hianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin' ny tendrombohitra. Moïse les envoya reconnaître le pays de Canaan : " Montez au Négeb, montez ensuite dans la montagne.
...............
Nom / Fan 13.22 And they ascended by the south, and came unto Hebron; where Ahiman, Sheshai, and Talmai, the children of Anak, were. (Now Hebron was built seven years before Zoan in Egypt.) Dia niakatra tao amin' ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan' i Zoana any Egypta.) Niakatra an' i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrona, izay nisy an' i Akimàna sy Sizaia ary Tolmaia, taranak' i Enàka. Hebrona dia naorina fito taona talohan' i Tanisa any Ejipta. Ils montèrent par le Négeb et parvinrent à Hébron, où se trouvaient Ahimân, Sheshaï et Talmaï, les Anaqim. Hébron avait été fondée sept ans avant Tanis d'Égypte.
...............
Nom / Fan 13.29 The Amalekites dwell in the land of the south: and the Hittites, and the Jebusites, and the Amorites, dwell in the mountains: and the Canaanites dwell by the sea, and by the coast of Jordan. Ny Amalekita no monina eo amin' ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin' ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron' ny ranomasina sy eo amoron' i Jordana. Amaleka no monina amin' ny faritanin' i Negeba; ny Heteana, ny Jebozeana, ary ny Amoreana no monina amin' ny tendrombohitra; ary ny Kananeana no monina amin' ny moron-dranomasina sy ny amoron' i Jordany. Les Amalécites occupent la région du Négeb ; les Hittites, les Jébuséens et les Amorites, la montagne ; les Cananéens, le bord de la mer et les rives du Jourdain. "
Nom / Fan 21.1 And when king Arad the Canaanite, which dwelt in the south, heard tell that Israel came by the way of the spies; then he fought against Israel, and took some of them prisoners. Ary raha ren' ilay Kananita, mpanjakan' i Arada, izay nonina teo amin' ny tany atsimo, fa efa mandeha amin' ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin' ny Isiraely. Ren' ilay Kananeana, mpanjakan' i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy Israely, mihazo ny làlana mankany Atarina, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin' Israely izy. Le roi d' Arad, le Cananéen habitant au Négeb, apprit qu' Israël venait par la route d' Atarim. Il attaqua Israël et lui fit des prisonniers.
...............
Nom / Fan 33.40 And king Arad the Canaanite, which dwelt in the south in the land of Canaan, heard of the coming of the children of Israel. Ary ren' ilay Kananita, mpanjakan' i Arada, izay nonina teo amin' ny tany atsimo amin' ny tany Kanana, fa avy ny Zanak' Isiraely. Ary ren' ilay Kananeana mpanjakan' i Arada izay nonina tao Negeba amin' ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak' Israely. Le roi d' Arad, un Cananéen qui habitait le Négeb au pays de Canaan, fut informé lors de l' arrivée des Israélites.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 1.7 Turn you, and take your journey, and go to the mount of the Amorites, and unto all the places nigh thereunto, in the plain, in the hills, and in the vale, and in the south, and by the sea side, to the land of the Canaanites, and unto Lebanon, unto the great river, the river Euphrates. mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin' ny tany havoan' ny Amorita sy any amin' izay rehetra ao akaikiny, dia any amin' ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron' ny ranomasina, dia any amin' ny tanin' ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata. ka mihodìna dia miaingà; mandehàna mankany amin' ny tendrombohitry ny Amoreana sy any amin' ny manodidina azy rehetra, any amin' i Arabaha, any amin' ny Tendrombohitra, any amin' i Sefelà, any amin' i Negeba, any amoron' ny ranomasina, any amin' ny tanin' ny Kanaeana ary any Libàna, hatrany amin' ny ony lehibe dia ny ony Eofrata. Allez-vous-en, partez, et allez à la montagne des Amorites, chez tous ceux qui habitent la Araba, la Montagne, le Bas-Pays, le Négeb et le bord de la mer, allez en terre de Canaan et au Liban jusqu' au grand fleuve, le fleuve Euphrate.
...............
Deo / Dt 34.3 And the south, and the plain of the valley of Jericho, the city of palm trees, unto Zoar. ary ny tany atsimo sy ny ao amin' ny lohasahan' i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara. Ny Negeba, ny faritanin' i Jordany, ny lohasahan' i Jerikao; dia ny tanànan' ny rofia, hatrany Segora. le Négeb, le district de la vallée de Jéricho, ville de palmiers, jusqu'à Çoar.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 10.40 So Joshua smote all the country of the hills, and of the south, and of the vale, and of the springs, and all their kings: he left none remaining, but utterly destroyed all that breathed, as the Lord God of Israel commanded. Dia nasian' i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin' ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin' i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, Nasian' i Josoe avokoa ny tany manontolo, ny Tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin' ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rahefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Ainsi Josué soumit tout ce pays, à savoir : la Montagne, le Négeb, le Bas-Pays et les pentes arrosées, avec tous leurs rois. Il ne laissa pas un survivant et voua tout être vivant à l' anathème, comme Yahvé, le Dieu d' Israël, l' avait ordonné;
...............
Jos 11.16 So Joshua took all that land, the hills, and all the south country, and all the land of Goshen, and the valley, and the plain, and the mountain of Israel, and the valley of the same; Dia lasan' i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan' ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, Toy izany no nahazoan' i Josoe izany tany rehetra izany, dia ny Tendrombohitra, ny Negeba manontolo, ny faritanin' i Gosena rehetra, ny tany lemaka, ny Arabaha, ny tany havoana sy ny tany lemak' Israely, C' est ainsi que Josué s' empara de tout ce pays : la Montagne, tout le Négeb et tout le pays de Goshèn, le Bas-Pays, la Araba, la montagne d' Israël et son bas-pays.
...............
Jos 12.8 In the mountains, and in the valleys, and in the plains, and in the springs, and in the wilderness, and in the south country; the Hittites, the Amorites, and the Canaanites, the Perizzites, the Hivites, and the Jebusites: dia ny any amin' ny tany havoana sy amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin' ny tani-hay sy amin' ny tany ambodin' ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin' ny tany atsimo, dia ny an' ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita: dia ny any amin' ny tendrombohitra, ny any amin' ny tany iva, ny any amin' ny havoana, ny any an' efitra ary ny any amin' ny Negeba, izay tanin' ny Heteana, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jaboseana. dans la montagne et le Bas-Pays, dans la Araba et sur les pentes arrosées, au Désert et au Négeb, chez les Hittites, les Amorites, les Cananéens, les Perizzites, les Hivvites et les Jébuséens :
...............
Jos 15.21 And the uttermost cities of the tribe of the children of Judah toward the coast of Edom southward were Kabzeel, and Eder, and Jagur, Ny tanàna farany amin' ny firenena taranak' i Joda, eo akaikin' ny fari-tanin' i Edoma amin' ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora Ny tanàna izay ao amin' ny fara sisin' ny fokon-taranak' i Joda, manolotra ny faritanin' i Edoma, ny tao amin' ny Negebe, dia Kabseela, Edera, Jagora, Villes à l' extrémité de la tribu des fils de Juda, vers la frontière d'Édom au Négeb : Qabçéel, Arad, Yagur,

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
...............
Mts / Mpits 1.9 And afterward the children of Judah went down to fight against the Canaanites, that dwelt in the mountain, and in the south, and in the valley. Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak' i Joda hiady amin' ny Kananita izay nonina tany amin' ny tany havoana sy tany amin' ny tany atsimo ary tany amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka. Taorian' izany dia nidina ny taranak' i Jodà hiady amin' ny Kananeana monina amin' ny tendrombohitra, ny Negeba, ary ny Sefelà. Après quoi, les fils de Juda descendirent pour combattre les Cananéens, qui habitaient la Montagne, le Négeb et le Bas-Pays.

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
1Sm / 1Sam 30.1 And it came to pass, when David and his men were come to Ziklag on the third day, that the Amalekites had invaded the south, and Ziklag, and smitten Ziklag, and burned it with fire; Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin' ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an' i Ziklaga sy nandoro azy tamin' ny afo; Nony tonga tao Sikelega Davida mbamin' ny olony, tamin' ny andro fahatelo, dia efa notafihin' ny Amalesita ny Negeba sy Sikelega: nasiany Sikelega ka nodorany; David et ses hommes arrivèrent à Çiqlag le surlendemain. Or les Amalécites avaient fait une razzia au Négeb et contre Çiqlag; ils avaient dévasté Çiqlag et l' avaient livrée au feu.
...............
1Sm / 1Sam 30.27 To them which were in Bethel, and to them which were in south Ramoth, and to them which were in Jattir, dia ho an' izay ao Betela sy izay any Ramata amin' ny tany atsimo sy ho an' izay ao Jatira dia ho an' ny ao Betela, an' ny ao Ramotan' ny Negeba, an' ny ao Jetera, à ceux de Betul, à ceux de Rama du Négeb, à ceux de Yattir,

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 47.19 And the south side southward, from Tamar even to the waters of strife in Kadesh, the river to the great sea. And this is the south side southward. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin' ny ranon' i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Thamara ka hatrany amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin' ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin' ny Negeba. Du côté du midi, vers le sud, depuis Tamar jusqu' aux eaux de Meriba de Qadesh, vers le Torrent jusqu'à la Grande mer. C' est la limite méridionale.
...............
Eze / Ez 48.28 And by the border of Gad, at the south side southward, the border shall be even from Tamar unto the waters of strife in Kadesh, and to the river toward the great sea. Ary mifanolotra amin' ny faritanin' i Gada, amin' ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon' i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Ny sisin-tany, amin' ny lafin' ny Negeba manolotra ny sisin-tanin' i Gada, dia hatrany Thamara no mankany amin' ny ranon' i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin' ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany. Et sur la frontière de Gad, du côté méridional, au midi, la frontière ira de Tamar aux eaux de Mériba de Qadesh, le torrent, jusqu'à la Grande mer.

  Book of Obadiah Obadia Abdiasa Livre d'Abdias
...............
Oba / Ab 1.19 And they of the south shall possess the mount of Esau; and they of the plain the Philistines: and they shall possess the fields of Ephraim, and the fields of Samaria: and Benjamin shall possess Gilead. Ny any amin' ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr' i Esao;Ary ny any amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin' ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an' i Gileada. Ny tendrombohitr' i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin' ny Filistina ho an-dry zareo amin' ny Sefelah; hanana ny faritanin' i Efraima izy ireo, mbamin' ny faritanin' i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an' i Galaada. Ceux du Négeb posséderont la montagne d'Ésaü, ceux du Bas-Pays, la terre des Philistins, ils posséderont le territoire d'Éphraïm et le territoire de Samarie, et Benjamin possédera Galaad.
Oba / Ab 1.20 And the captivity of this host of the children of Israel shall possess that of the Canaanites, even unto Zarephath; and the captivity of Jerusalem, which is in Sepharad, shall possess the cities of the south. Ary ny babo amin' izao Zanak' Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin' ny tany atsimo. Ireo lasan-ko babo tamin' ny tafiky ny zanak' Israely hahalasa ny tanin' ny Kananeana, hatrany Sareptà. Ary ireo lasan-ko babo tamin' i Jerosalema izay any Sefarada hanana ny tanàna any amin' ny Negeba. Les exilés de cette armée, les enfants d' Israël, posséderont la terre des Cananéens jusqu'à Sarepta, et les exilés de Jérusalem qui sont à Sepharad posséderont les villes du Négeb.