<-
->

Nom / Fan 21:1 And when king Arad the Canaanite, which dwelt in the south, heard tell that Israel came by the way of the spies; then he fought against Israel, and took some of them prisoners. Ary raha ren' ilay Kananita, mpanjakan' i Arada, izay nonina teo amin' ny tany atsimo, fa efa mandeha amin' ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin' ny Isiraely. Ren' ilay Kananeana, mpanjakan' i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy Israely, mihazo ny làlana mankany Atarina, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin' Israely izy. Le roi d' Arad, le Cananéen habitant au Négeb, apprit qu' Israël venait par la route d' Atarim. Il attaqua Israël et lui fit des prisonniers.
Nom / Fan 21:2 And Israel vowed a vow unto the Lord, and said, If thou wilt indeed deliver this people into my hand, then I will utterly destroy their cities. Dia nivoady tamin' i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany. Dia nivoady tamin' ny Tompo Israely, nanao hoe: Raha atolotrao eo an-tànako ity firenena ity, dia hovoadiko hatao anatema ny tanànany. Israël fit alors ce voeu à Yahvé : " Si tu livres ce peuple en mon pouvoir, je vouerai ses villes à l' anathème. "
Nom / Fan 21:3 And the Lord hearkened to the voice of Israel, and delivered up the Canaanites; and they utterly destroyed them and their cities: and he called the name of the place Hormah. Ary Jehovah nihaino ny feon' ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon' ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran' izany tany izany dia natao hoe Horma. Nohenoin' ny Tompo ny feon' Israely, ka natolony ny Kananeana, dia natao anatema izy ireo, mbamin' ny tanànany. Ary ny anaran' izany fitoerana izany, dia natao hoe Hormà. Yahvé écouta la voix d' Israël et livra les Cananéens en son pouvoir. Ils les vouèrent à l' anathème, eux et leurs villes. On donna à ce lieu le nom de Horma.
Nom / Fan 21:4 And they journeyed from mount Hor by the way of the Red sea, to compass the land of Edom: and the soul of the people was much discouraged because of the way. Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin' ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin' ny olona noho ny lalana. Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan' ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin' i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin' io làlana io, Ils partirent de Hor-la-Montagne par la route de la mer de Suph, pour contourner le pays d'Édom. En chemin, le peuple perdit patience.
Nom / Fan 21:5 And the people spake against God, and against Moses, Wherefore have ye brought us up out of Egypt to die in the wilderness? for there is no bread, neither is there any water; and our soul loatheth this light bread. Ary niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin' ny lalan' ny mpisafo-tany izahay ho faty atý an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atý ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. ka niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an' efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan' itony hanina tsinontsinona itony. Il parla contre Dieu et contre Moïse : " Pourquoi nous avez-vous fait monter d'Égypte pour mourir en ce désert ? Car il n' y a ni pain ni eau ; nous sommes excédés de cette nourriture de famine. "
Nom / Fan 21:6 And the Lord sent fiery serpents among the people, and they bit the people; and much people of Israel died. Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran' afo teny amin' ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely. Ary Iaveh tamin' izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokekerin' ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin' Israely. Dieu envoya alors contre le peuple les serpents brûlants, dont la morsure fit périr beaucoup de monde en Israël.
Nom / Fan 21:7 Therefore the people came to Moses, and said, We have sinned, for we have spoken against the Lord, and against thee; pray unto the Lord, that he take away the serpents from us. And Moses prayed for the people. Dia nankeo amin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an' i Jehovah sy ianao. Ifony amin' i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an' ny olona Mosesy. Nankeo amin' i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an' ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin' ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an' ny vahoaka Moizy, Le peuple vint dire à Moïse : " Nous avons péché en parlant contre Yahvé et contre toi. Intercède auprès de Yahvé pour qu' il éloigne de nous ces serpents. " Moïse intercéda pour le peuple
Nom / Fan 21:8 And the Lord said unto Moses, Make thee a fiery serpent, and set it upon a pole: and it shall come to pass, that every one that is bitten, when he looketh upon it, shall live. Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran' afo, ka ahantòny amin' ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin' ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. et Yahvé lui répondit : " Façonne-toi un Brûlant que tu placeras sur un étendard. Quiconque aura été mordu et le regardera restera en vie. "
Nom / Fan 21:9 And Moses made a serpent of brass, and put it upon a pole, and it came to pass, that if a serpent had bitten any man, when he beheld the serpent of brass, he lived. Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin' ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin' ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona. Moïse façonna donc un serpent d' airain qu' il plaça sur l'étendard, et si un homme était mordu par quelque serpent, il regardait le serpent d' airain et restait en vie.
Nom / Fan 21:10 And the children of Israel set forward, and pitched in Oboth. Ary ny Zanak' Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota. Niainga ny zanak' Israely, ka nitoby tao Obota; Les Israélites partirent et campèrent à Obot.
Nom / Fan 21:11 And they journeyed from Oboth, and pitched at Ijeabarim, in the wilderness which is before Moab, toward the sunrising. Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin' ny efitra izay mifanolotra amin' i Moaba, tandrifin' ny fiposahan' ny masoandro. Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Jeabarima ao amin' ny efitra mifanandrify amin' i Moaba, ao amin' ny fiposahan' ny masoandro. Puis ils partirent d' Obot et campèrent à Iyyé-ha-Abarim, dans le désert qui confine à Moab, du côté du soleil levant.
Nom / Fan 21:12 From thence they removed, and pitched in the valley of Zared. Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin' ny lohasahan-driaka Zareda. Niala tao izy, dia nitoby tao amin' ny lohasahan' i Zareda. Ils partirent de là et campèrent dans le torrent de Zéred.
Nom / Fan 21:13 From thence they removed, and pitched on the other side of Arnon, which is in the wilderness that cometh out of the coasts of the Amorites: for Arnon is the border of Moab, between Moab and the Amorites. Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin' i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin' ny fari-tanin' ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin' ny Moabita, eo anelanelan' ny Moabita sy ny Amorita. Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin' i Arnòna, izay mivalana amin' ny efitra, rahefa mivoaka ny faritanin' ny Amoreana; fa Arnòna no faritr' i Moaba, eo anelanelan' i Moaba sy ny Amoreana. Ils partirent de là et campèrent au-delà de l' Arnon. Ce torrent sortait, dans le désert, du pays des Amorites. Car l' Arnon était à la frontière de Moab, entre les Moabites et les Amorites.
Nom / Fan 21:14 Wherefore it is said in the book of the wars of the Lord, What he did in the Red sea, and in the brooks of Arnon, Koa izany no ilazana eo amin' ny Bokin' ny Adin' i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona, Ka izany no ilazana ao amin' ny bokin' ny Adin' ny Tompo hoe: Lasan' ny Tompo Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan' i Arnòna, Aussi est-il dit dans le livre des Guerres de Yahvé :... Vaheb près de Supha et le torrent d' Arnon
Nom / Fan 21:15 And at the stream of the brooks that goeth down to the dwelling of Ar, and lieth upon the border of Moab. Ary ny tany kisolosolo amin' ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin' ny tanin' i Ara ka mipaka amin' ny fari-tanin' i Moaba. ary ny kisolosolon' ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin' ny fitoerana Ara, sy mipaka amin' ny Amoreana. et la pente du ravin qui s' incline vers le site d' Ar et s' appuie à la frontière de Moab.
Nom / Fan 21:16 And from thence they went to Beer: that is the well whereof the Lord spake unto Moses, Gather the people together, and I will give them water. Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan' i Jehovah tamin' i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy. Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan' ny Tompo tamin' i Moizy hoe: Angony ny vahoaka ka homeko rano izy ireo. Et de là ils allèrent à Béer -C' est au sujet de ce puits que Yahvé avait dit à Moïse : " Rassemble le peuple et je leur donnerai de l' eau. "
Nom / Fan 21:17 Then Israel sang this song, Spring up, O well; sing ye unto it: Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy; Tamin' izay no nihira izao tononkira izao Israely: Alors Israël chanta ce cantique : Sur le Puits. Chantez-le,
Nom / Fan 21:18 The princes digged the well, the nobles of the people digged it, by the direction of the lawgiver, with their staves. And from the wilderness they went to Mattanah: Lavaka fantsakana izay nohadin' ireo mpanao lalàna, ary nolavahan' ireo manan-kaja amin' ny firenena. Tamin' ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana. Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy. Fantsakana nolavahin' ny andriandahy, nabanabanan' ny lehiben' ny vahoaka, tamin' ny tehina fanapahana, dia ny tehin' izy ireo. le Puits qu' ont creusé des princes, qu' ont foré les chefs du peuple, avec le sceptre, avec leurs bâtons. - et du désert à Mattana,
Nom / Fan 21:19 And from Mattanah to Nahaliel: and from Nahaliel to Bamoth: Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota; Avy tany an' efitra izy ireo, dia nankany Matanà; avy any Matanà dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamota; de Mattana à Nahaliel, de Nahaliel à Bamot,
Nom / Fan 21:20 And from Bamoth in the valley, that is in the country of Moab, to the top of Pisgah, which looketh toward Jeshimon. ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin' ny tany Moaba, ao an-tampon' i Pisga, izay manatrika ny efitra. avy any Bamota, dia nankany amin' ny lohasaha izay ao amin' ny sahan' i Moaba, eo an-tampon' i Fasgà, izay manerinerina amin' ny efitra. et de Bamot à la vallée qui s' ouvre dans la campagne de Moab, vers les hauteurs du Pisga, qui fait face au désert et le domine.
Nom / Fan 21:21 And Israel sent messengers unto Sihon king of the Amorites, saying, Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, hanao hoe: Ary Israely nandefa iraka ho any amin' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana, hanao aminy hoe: Israël envoya des messagers dire à Sihôn, roi des Amorites :
Nom / Fan 21:22 Let me pass through thy land: we will not turn into the fields, or into the vineyards; we will not drink of the waters of the well: but we will go along by the king' s high way, until we be past thy borders. Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin' ny saha na ho amin' ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin' ny lavaka fantsakana; ny lalan' andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao. Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin' ny saha izahay, na ho amin' ny tanim-boaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin' ny fantsakana; fa hizotra amin' ny làlan' andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao. " Je voudrais traverser ton pays. Nous ne nous écarterons pas à travers les champs ni les vignes ; nous ne boirons pas l' eau des puits ; nous suivrons la route royale, jusqu'à ce que nous ayons traversé ton territoire. "
Nom / Fan 21:23 And Sihon would not suffer Israel to pass through his border: but Sihon gathered all his people together, and went out against Israel into the wilderness: and he came to Jahaz, and fought against Israel. Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin' ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin' ny Isiraely teo izy. Tsy navelan' i Sehona handalo ny faritaniny Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an' Israely, tany an' efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin' Israely. Mais Sihôn ne laissa pas Israël traverser son pays. Il rassembla tout son peuple, marcha dans le désert à la rencontre d' Israël et atteignit Yahaç, où il livra bataille à Israël.
Nom / Fan 21:24 And Israel smote him with the edge of the sword, and possessed his land from Arnon unto Jabbok, even unto the children of Ammon: for the border of the children of Ammon was strong. Ary ny Isiraely namely azy tamin' ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin' ny taranak' i Amona; fa mafy ny fari-tanin' ny taranak' i Amona. Israely namely azy tamin' ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnòna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin' ny zanak' i Amona, fa mafy ny faritry ny tanin' ny zanak' i Amona. Israël le frappa du tranchant de l'épée et conquit son pays, depuis l' Arnon jusqu' au Yabboq, jusqu' aux fils d' Ammon, car Yazèr se trouvait à la frontière ammonite.
Nom / Fan 21:25 And Israel took all these cities: and Israel dwelt in all the cities of the Amorites, in Heshbon, and in all the villages thereof. Dia nalain' ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan' ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. Nalain' Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan' Israely ny tanànan' ny Amoreana rehetra, dia Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra. Israël s' empara de toutes ces villes. Il occupa toutes les villes des Amorites, Heshbôn et toutes ses dépendances.
Nom / Fan 21:26 For Heshbon was the city of Sihon the king of the Amorites, who had fought against the former king of Moab, and taken all his land out of his hand, even unto Arnon. Hesbona no tanànan' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan' i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. Hesebona no tanànan' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana, izay efa nanafika ny mpanjakan' i Moaba taloha sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnòna. Heshbôn était en effet la capitale de Sihôn, roi des Amorites. C' est Sihôn qui avait fait la guerre au premier roi de Moab et lui avait enlevé tout son pays jusqu'à l' Arnon.
Nom / Fan 21:27 Wherefore they that speak in proverbs say, Come into Heshbon, let the city of Sihon be built and prepared: Izany no nanaovan' ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan' i Sihona; Izany no nanaovan' ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona hianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan' i Sehona. C' est pourquoi les poètes disent :Venez à Heshbôn, qu' elle soit rebâtie, qu' elle soit bien fondée, la ville de Sihôn !
Nom / Fan 21:28 For there is a fire gone out of Heshbon, a flame from the city of Sihon: it hath consumed Ar of Moab, and the lords of the high places of Arnon. Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan' i Sihona, Ka nandevona an' i Aran' i Moaba sy ny tompon' ny havoan' i Arnona. Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan' i Sehona, Ka nandevona an' i Ara-Moaba, Dia ny tompon' ny havoan' i Arnòna. Un feu est sorti de Heshbôn, une flamme de la cité de Sihôn, elle a dévoré Ar Moab, englouti les hauteurs de l' Arnon.
Nom / Fan 21:29 Woe to thee, Moab! thou art undone, O people of Chemosh: he hath given his sons that escaped, and his daughters, into captivity unto Sihon king of the Amorites. Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon' i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita. Loza ho anao, ry Moaba! Levona hianao, ry vahoakan' i Kamosy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana. Malheur à toi, Moab ! Tu es perdu, peuple de Kemosh ! Il fait de ses fils des fuyards et de ses filles des captives du roi des Amorites, de Sihôn.
Nom / Fan 21:30 We have shot at them; Heshbon is perished even unto Dibon, and we have laid them waste even unto Nophah, which reacheth unto Medeba. Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an' i Medeba. Nolefasantsika zana-tsipìka izy ireo; Rava Hesebona hatrany Dibona, Ary nofoanantsika hatrany Nofe, Sy norehetantsika hatrany Medabà. Mais leur postérité a été détruite depuis Heshbôn jusqu'à Dibôn, et nous avons mis le feu depuis Nophah et jusqu'à Médba.
Nom / Fan 21:31 Thus Israel dwelt in the land of the Amorites. Dia nitoetra tao amin' ny tanin' ny Amorita ny Isiraely. Dia nitoetra teo amin' ny tanin' ny Amoreana Israely. Israël s'établit dans le pays des Amorites.
Nom / Fan 21:32 And Moses sent to spy out Jaazer, and they took the villages thereof, and drove out the Amorites that were there. Ary Mosesy naniraka olona hisafo an' i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany. Naniraka olona hisafo an' i Jazera Moizy; dia afak' izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amoreana tamin' ireny. Moïse envoya espionner Yazèr, et Israël la prit ainsi que ses dépendances ; il déposséda les Amorites qui y habitaient.
Nom / Fan 21:33 And they turned and went up by the way of Bashan: and Og the king of Bashan went out against them, he, and all his people, to the battle at Edrei. Ary niverina ny olona ka niakatra tamin' ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan' i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy. Izay izy, dia niova làlana ka niakatra ny làlana mankany Basàna; Nivoaka Oga, mpanjakan' i Basàna, mbamin' ny vahoakany rehetra nitsena azy ireo, mba hiady aminy ao Edraìa. Puis ils prirent la direction du Bashân et ils y montèrent. Le roi du Bashân, Og, marcha à leur rencontre avec tout son peuple pour livrer bataille à Édréï.
Nom / Fan 21:34 And the Lord said unto Moses, Fear him not: for I have delivered him into thy hand, and all his people, and his land; and thou shalt do to him as thou didst unto Sihon king of the Amorites, which dwelt at Heshbon. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tànanao izy mbamin' ny vahoakany rehetra, ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana izay nonina tao Hesebona. Yahvé dit à Moïse : " Ne crains pas, car je l' ai livré en ton pouvoir, lui, tout son peuple et son pays. Tu le traiteras comme tu as traité Sihôn, roi des Amorites, qui habitait à Heshbôn. "
Nom / Fan 21:35 So they smote him, and his sons, and all his people, until there was none left him alive: and they possessed his land. Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy. Dia nandresy azy mbamin' ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny. Ils le battirent, lui, ses fils et son peuple, sans que personne en réchappât. Ils prirent possession de son pays.

<-
->