Chapitres et versets citant Kadesy

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 14.7 And they returned, and came to Enmishpat, which is Kadesh, and smote all the country of the Amalekites, and also the Amorites, that dwelt in Hazezontamar. Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an' ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara. Rahefa izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan' i Fitsarana, dia Kadesa izany, ka namely ny tanin' ny Amalesita rehetra mbamin' ny Amoreana izay nonina tany Asason-Tamara. Ils firent un mouvement tournant et vinrent à la Source du Jugement c' est Cadès; ils battirent tout le territoire des Amalécites et aussi les Amorites qui habitaient Haçaçôn-Tamar.
...............
Gen / Jen 16.14 Wherefore the well was called Beerlahairoi; behold, it is between Kadesh and Bered. Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan' i Kadesy sy Bareda izany. Izany no niantsoan' ny olona io fantsakana io hoe fantsakan' i Lakai-Roi. Ao anelanelan' i Kadesy sy Barada izy io. C' est pourquoi on a appelé ce puits le puits de Lahaï Roï; il se trouve entre Cadès et Béred.
Gen / Jen 20.1 And Abraham journeyed from thence toward the south country, and dwelled between Kadesh and Shur, and sojourned in Gerar. Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin' ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan' i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. Nifindra niala teo Abrahama, dia nankany amin' ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan' i Kadesa sy Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy. Abraham partit de là pour le pays du Négeb et demeura entre Cadès et Shur. Il vint séjourner à Gérar.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 13.26 And they went and came to Moses, and to Aaron, and to all the congregation of the children of Israel, unto the wilderness of Paran, to Kadesh; and brought back word unto them, and unto all the congregation, and shewed them the fruit of the land. Dia nankeo amin' i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. Tonga izy, dia nanatona an' i Moizy sy Aarona, mbamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, tao Kadesy tany an' efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin' ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy. Ils allèrent trouver Moïse, Aaron, et toute la communauté d' Israël, dans le désert de Parân, à Cadès. Ils leur firent leur rapport, ainsi qu'à toute la communauté, et leur montrèrent les produits du pays.
Nom / Fan 20.1 Then came the children of Israel, even the whole congregation, into the desert of Zin in the first month: and the people abode in Kadesh; and Miriam died there, and was buried there. Ary tamin' ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak' Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao. Tonga tao amin' ny efitra Sina, tamin' ny volana voalohany, ny zanak' Israely, dia ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan' i Maria sy nandevenana azy. Les Israélites, toute la communauté, arrivèrent le premier mois au désert de Çîn. Le peuple s'établit à Cadès. C' est là que Miryam mourut et qu' elle fut enterrée.
...............
Nom / Fan 20.14 And Moses sent messengers from Kadesh unto the king of Edom, Thus saith thy brother Israel, Thou knowest all the travail that hath befallen us: Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin' ny mpanjakan' i Edoma hanao hoe: Izao no lazain' i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay: Avy ao Kadesy no nandefasan' i Moizy iraka tamin' ny mpanjakan' i Edoma, hilaza aminy hoe: Izao no lazain' Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay. Moïse envoya de Cadès des messagers : " Au roi d'Édom. Ainsi parle ton frère Israël. Tu sais, toi, quelles tribulations nous avons rencontrées.
...............
Nom / Fan 20.16 And when we cried unto the Lord, he heard our voice, and sent an angel, and hath brought us forth out of Egypt: and, behold, we are in Kadesh, a city in the uttermost of thy border: ary raha nitaraina tamin' i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin' ny faritry ny taninao, izahay; Dia nitaraina tamin' ny Tompo izahay, ary nihaino ny feonay izy; naniraka anjely izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin' ny faritry ny taninao. Nous en avons appelé à Yahvé. Il a entendu notre voix et il a envoyé l' ange qui nous a fait sortir d'Égypte. Nous voici maintenant à Cadès, ville qui est aux confins de ton territoire.
...............
Nom / Fan 20.22 And the children of Israel, even the whole congregation, journeyed from Kadesh, and came unto mount Hor. Ary nifindra ny Zanak' Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora. Niala tao Kadesy ny zanak' Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora. Ils partirent de Cadès, et les Israélites, toute la communauté, arrivèrent à Hor-la-Montagne.
...............
Nom / Fan 27.14 For ye rebelled against my commandment in the desert of Zin, in the strife of the congregation, to sanctify me at the water before their eyes: that is the water of Meribah in Kadesh in the wilderness of Zin. fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin' ilay nilan' ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin' ny rano teo imasony. (Izany no ranon' i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.) satria hianareo tany amin' ny efitra Sina, ilay nilan' ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana ahy teo imasony, ny amin' ny momba ny rano, dia ny ranon' i Meribà, any Kadesy, any an' efitra Sina. Car vous avez été rebelles dans le désert de Çîn, lorsque la communauté me chercha querelle, quand je vous commandai de manifester devant elle ma sainteté, par l' eau. " Ce sont les eaux de Meriba de Cadès, dans le désert de Çîn.
...............
Nom / Fan 32.8 Thus did your fathers, when I sent them from Kadeshbarnea to see the land. Izany no nataon' ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy; Mova tsy izao koa no nataon' ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kades-Barne hisafo ny tany. Ainsi firent vos pères quand je les envoyai de Cadès-Barné voir le pays.
...............
Nom / Fan 33.36 And they removed from Eziongaber, and pitched in the wilderness of Zin, which is Kadesh. Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany). Niala tao Asiongabera izy, dia nitoby tany an' efitra Sina, izany hoe tao Kadesy. Ils partirent de Éçyôn-Gébèr et campèrent dans le désert de Çîn ; c' est Cadès.
Nom / Fan 33.37 And they removed from Kadesh, and pitched in mount Hor, in the edge of the land of Edom. Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin' ny tany Edoma. Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin' ny tany Edoma. Ils partirent de Cadès et campèrent à Hor-la-Montagne, aux confins du pays d'Édom.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 1.46 So ye abode in Kadesh many days, according unto the days that ye abode there. Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao. Nitoetra ela be tao Kadesa hianareo, dia izay fotoana nijanonanareo tao. C' est pourquoi vous avez dû demeurer à Cadès aussi longtemps que vous y êtes demeurés.
...............
Deo / Dt 32.51 Because ye trespassed against me among the children of Israel at the waters of MeribahKadesh, in the wilderness of Zin; because ye sanctified me not in the midst of the children of Israel. satria nivadika tamiko teo amin' ny Zanak' Isiraely ianareo tao amin' ny ranon' i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin' ny Zanak' Isiraely ianareo. satria nanota tamiko teo afovoan' ny zanak' Israely hianareo, tao amin' ny ranon' i Meribà any Kadesy, amin' ny efitra Sina, ka tsy nankamasina ahy, teo afovoan' ny zanak' Israely. Parce que vous m' avez été infidèles au milieu des Israélites aux eaux de Meriba-Cadès, dans le désert de Çîn, parce que vous n' avez pas manifesté ma sainteté au milieu des Israélites,

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 12.22 The king of Kedesh, one; the king of Jokneam of Carmel, one; ny mpanjakan' i Kadesy, iray; ny mpanjakan' i Jokneama any Karmela, iray; ny mpanjakan' i Kadesa, iray; ny mpanjakan' i Jakanàna any Karmela, iray; Le roi de Qédesh, un; le roi Yoqnéam au Carmel, un;
...............
Jos 15.23 And Kedesh, and Hazor, and Ithnan, sy Kadesy sy Hazora sy Itnana Kadesa, Asora, sy Jetnama, Qédesh, Haçor-Yitnân,
...............
Jos 19.37 And Kedesh, and Edrei, and Enhazor, sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora Kedesy, Edraïa, En-Hasora, Qédesh, Édréï, En-Haçor,
...............
Jos 20.7 And they appointed Kedesh in Galilee in mount Naphtali, and Shechem in mount Ephraim, and Kirjatharba, which is Hebron, in the mountain of Judah. Dia nanokana an' i Kadesy any Galilia any amin' ny tany havoan' i Naftaly izy sy Sekema any amin' ny tany havoan' i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin' ny tany havoan' i Joda. Ny natokany dia Kadesy any Galilea amin' ny tendrombohitr' i Neftalì; Sikema, amin' ny tendrombohitr' i EfraIma, ary Kariat-Arbe, dia Hebrona izany, amin' ny tendrombohitr' i Jodà. On consacra donc Qédesh en Galilée, dans la montagne de Nephtali, Sichem dans la montagne d'Éphraïm, et Qiryat-Arba - c' est Hébron - dans la montagne de Juda.
...............
Jos 21.32 And out of the tribe of Naphtali, Kedesh in Galilee with her suburbs, to be a city of refuge for the slayer; and Hammothdor with her suburbs, and Kartan with her suburbs; three cities. ary avy tamin' ny firenen' i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an' izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo. Avy ami' ny fokon' i Neftalì ilay tanàna fialofan' izay namono olona, Kadesy any Galilea sy ny manodidina azy, ary Hamota-Dora sy ny manodidina azy, Kartàna sy ny manodidina azy, tanàna telo. De la tribu de Nephtali, Qédesh en Galilée, ville de refuge pour le meurtrier, avec ses pâturages, Hammot-Dor et ses pâturages, et Qartân et ses pâturages : trois villes.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
...............
Mts / Mpits 4.9 And she said, I will surely go with thee: notwithstanding the journey that thou takest shall not be for thine honour; for the Lord shall sell Sisera into the hand of a woman. And Deborah arose, and went with Barak to Kedesh. Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan' i Jehovah an' i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin' i Baraka hankany Kadesy Ka hoy ny navaliny: Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin' izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hanoloran' ny Tompo an' i Sisarà. Dia niainga Deborà, ka lasa niaraka tamin' i Baràka nankany Kedesy. " J' irai donc avec toi, lui dit-elle; seulement, dans la voie où tu marches, l' honneur ne sera pas pour toi, car c' est entre les mains d' une femme que Yahvé livrera Sisera. " Alors Débora se leva et, avec Baraq, elle se rendit à Qédesh.
Mts / Mpits 4.10 And Barak called Zebulun and Naphtali to Kedesh; and he went up with ten thousand men at his feet: and Deborah went up with him. Ary nantsoin' i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy. Nantsoin' i Baràka ho any Kedesy Zabolona sy Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary Deborà nandeha niaraka taminy. Baraq convoqua Zabulon et Nephtali à Qédesh. Dix mille hommes le suivirent et Débora monta avec lui.
Mts / Mpits 4.11 Now Heber the Kenite, which was of the children of Hobab the father in law of Moses, had severed himself from the Kenites, and pitched his tent unto the plain of Zaanaim, which is by Kedesh. Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin' ny Kenita izay avy amin' ny taranak' i Hobaba, zaodahin' i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin' ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan' i Kadesy. Hebera ilay Kineana, dia nisaraka tamin' ny Kineana tarakan' i Hobaba, zaodahin' i Moizy ka nilasy hatrany amin' ny aoka any Senima, akaikin' i Kedesy. Héber, le Qénite, s'était séparé de la tribu de Qayîn et du clan des fils de Hobab, beau-père de Moïse; il avait planté sa tente près du chêne de Çaanannim, non loin de Qédesh.
...............
Mts / Mpits 11.16 But when Israel came up from Egypt, and walked through the wilderness unto the Red sea, and came to Kadesh; Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin' ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy. Fa fony niakatra avy tany Ejipta Israely, dia nandeha tany an' efitra, hatreo amin' ny ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy. Quand il est monté d'Égypte, Israël a marché dans le désert jusqu'à la mer des Roseaux et il est parvenu à Cadès.
Mts / Mpits 11.17 Then Israel sent messengers unto the king of Edom, saying, Let me, I pray thee, pass through thy land: but the king of Edom would not hearken thereto. And in like manner they sent unto the king of Moab: but he would not consent: and Israel abode in Kadesh. Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin' ny mpanjakan' i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan' i Edoma. Ary naniraka tany amin' ny mpanjakan' i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely. Nandefa iraka ho any amin' ny mpanjakan' ny Edoma Israely, tamin' izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan' i Edoma. Dia naniraka tany amin' ny mpanjakan' i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy Israely. Alors Israël a envoyé des messages au roi d'Édom pour lui dire : "Laisse-moi, je te prie, traverser ton pays! " mais le roi d'Édom ne voulut rien entendre. Il en envoya aussi au roi de Moab, qui refusa, et Israël demeura à Cadès,

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 15.29 In the days of Pekah king of Israel came Tiglathpileser king of Assyria, and took Ijon, and Abelbethmaachah, and Janoah, and Kedesh, and Hazor, and Gilead, and Galilee, all the land of Naphtali, and carried them captive to Assyria. Tamin' ny andron' i Peka, mpanjakan' ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, ka nahafaka an' Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin' ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. Tamin' ny andron' i Fasea mpanjakan' Israely no nahatongavan' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria sy nahazoan' io an' i Ajona, Abela-Beta-Makaa, Janoe, Kedesa, Asora, Galaada ary Galileas, dia ny tanin' i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina. Au temps de Péqah, roi d' Israël, Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, vint s' emparer de Iyyôn, d' Abel-Bet-Maaka, de Yanoah, de Qédesh, de Haçor, de Galaad, de la Galilée, tout le pays de Nephtali, et il déporta les habitants en Assyrie.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 6.57 And to the sons of Aaron they gave the cities of Judah, namely, Hebron, the city of refuge, and Libnah with her suburbs, and Jattir, and Eshtemoa, with their suburbs, ary ny avy tamin' ny firenen' Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy avy amin' ny fokon' Isakara: Kedesa, mbamin' ny tany fiandrasana biby momba azy; Dabereta, mbamin' ny tany fiandrasana biby momba azy; sur la tribu d' Issachar, Cadès et ses pâturages, Daberat et ses pâturages,
...............
1Tt / 1Tan 6.61 And unto the sons of Kohath, which were left of the family of that tribe, were cities given out of the half tribe, namely, out of the half tribe of Manasseh, by lot, ten cities. ary ny avy tamin' ny firenen' i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy. avy amin' ny fokon' i Neftalì: Kedesa, any Galilea, mbamin' ny tany fiandrasana biby momba azy; Hamona, mbamin' ny tany fiandrasana biby momba azy; ary Kariataima, mbamin' ny tany fiandrasana biby momba azy. sur la tribu de Nephtali, Qédesh en Galilée et ses pâturages, Hammôn et ses pâturages, Qiryatayim et ses pâturages.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 29.8 The voice of the Lord shaketh the wilderness; the Lord shaketh the wilderness of Kadesh. Ny feon' i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr' i Kadesy. mampihorohoro ny efitra ny feon' ny Tompo, mampihorohoro ny efitr' i Kadesa Iaveh. voix de Yahvé, elle secoue le désert, Yahvé secoue le désert de Cadès.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 47.19 And the south side southward, from Tamar even to the waters of strife in Kadesh, the river to the great sea. And this is the south side southward. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin' ny ranon' i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Thamara ka hatrany amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin' ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin' ny Negeba. Du côté du midi, vers le sud, depuis Tamar jusqu' aux eaux de Meriba de Qadesh, vers le Torrent jusqu'à la Grande mer. C' est la limite méridionale.
...............
Eze / Ez 48.28 And by the border of Gad, at the south side southward, the border shall be even from Tamar unto the waters of strife in Kadesh, and to the river toward the great sea. Ary mifanolotra amin' ny faritanin' i Gada, amin' ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon' i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Ny sisin-tany, amin' ny lafin' ny Negeba manolotra ny sisin-tanin' i Gada, dia hatrany Thamara no mankany amin' ny ranon' i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin' ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany. Et sur la frontière de Gad, du côté méridional, au midi, la frontière ira de Tamar aux eaux de Mériba de Qadesh, le torrent, jusqu'à la Grande mer.