Chapitres et versets citant Heroda

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
Mat / Mt 2.1 Now when Jesus was born in Bethlehem of Judaea in the days of Herod the king, behold, there came wise men from the east to Jerusalem, Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an' i Jodia, tamin' ny andron' i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe: Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jeso tamin' ny andron' i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema Jésus étant né à Bethléem de Judée, au temps du roi Hérode, voici que des mages venus d' Orient arrivèrent à Jérusalem
...............
Mat / Mt 2.3 When Herod the king had heard these things, he was troubled, and all Jerusalem with him. Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin' i Jerosalema rehetra. Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin' i Jerosalema rehetra, L' ayant appris, le roi Hérode s'émut, et tout Jérusalem avec lui.
...............
Mat / Mt 2.7 Then Herod, when he had privily called the wise men, enquired of them diligently what time the star appeared. Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan' ilay kintana. Dia nalain' i Heroda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan' ny kintana taminy. Alors Hérode manda secrètement les mages, se fit préciser par eux le temps de l' apparition de l' astre,
...............
Mat / Mt 2.12 And being warned of God in a dream that they should not return to Herod, they departed into their own country another way. Ary rehefa notoroan' Andriamanitra hevitra tamin' ny nofy izy tsy hiverina any amin' i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin' ny fonenany. Ary rahefa notoroan' Andriamanitra hevitra tamin' ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin' i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin' ny fonenany. Après quoi, avertis en songe de ne point retourner chez Hérode, ils prirent une autre route pour rentrer dans leur pays.
Mat / Mt 2.13 And when they were departed, behold, the angel of the Lord appeareth to Joseph in a dream, saying, Arise, and take the young child and his mother, and flee into Egypt, and be thou there until I bring thee word: for Herod will seek the young child to destroy him. Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa tamin' ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa tamin' ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Après leur départ, voici que l' Ange du Seigneur apparaît en songe à Joseph et lui dit : " Lève-toi, prends avec toi l' enfant et sa mère, et fuis en Égypte ; et restes-y jusqu'à ce que je te dise. Car Hérode va rechercher l' enfant pour le faire périr. "
...............
Mat / Mt 2.15 And was there until the death of Herod: that it might be fulfilled which was spoken of the Lord by the prophet, saying, Out of Egypt have I called my son. ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin' i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain' i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1). Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin' i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin' ny Tompo voalazan' ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. et il resta là jusqu'à la mort d' Hérode, pour que s' accomplît cet oracle prophétique du Seigneur : D'Égypte j' ai appelé mon fils.
Mat / Mt 2.16 Then Herod, when he saw that he was mocked of the wise men, was exceeding wroth, and sent forth, and slew all the children that were in Bethlehem, and in all the coasts thereof, from two years old and under, according to the time which he had diligently enquired of the wise men. Ary nony efa fantatr' i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin' ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin' ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin' ny Magy. Ary nony efa hitan' i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin' ny tany manodidina, hatramin' ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin' ny Majy. Alors Hérode, voyant qu' il avait été joué par les mages, fut pris d' une violente fureur et envoya mettre à mort, dans Bethléem et tout son territoire, tous les enfants de moins de deux ans, d' après le temps qu' il s'était fait préciser par les mages.
...............
Mat / Mt 2.19 But when Herod was dead, behold, an angel of the Lord appeareth in a dream to Joseph in Egypt, Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa#11 tany Egypta tamin' ny nofy ka nanao hoe: Ary rahefa maty Heroda, indro nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa#11 tany Ejipta tamin' ny nofy Quand Hérode eut cessé de vivre, voici que l' Ange du Seigneur apparaît en songe à Joseph, en Égypte,
...............
Mat / Mt 2.22 But when he heard that Archelaus did reign in Judaea in the room of his father Herod, he was afraid to go thither: notwithstanding, being warned of God in a dream, he turned aside into the parts of Galilee: Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an' i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan' Andriamanitra hevitra tamin' ny nofy izy, dia lasa nankany amin' ny tany Galilia. Nony reny anefa fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an' i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan' Andriamanitra tamin' ny nofy. Mais, apprenant qu' Archélaüs régnait sur la Judée à la place d' Hérode son père, il craignit de s' y rendre ; averti en songe, il se retira dans la région de Galilée
Mat / Mt 14.1 At that time Herod the tetrarch heard of the fame of Jesus, Tamin' izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan' i Jesosy, Tamin' izany andro izany, dia ren' i Heroda tetrarka ny lazan' i Jeso; En ce temps-là, la renommée de Jésus parvint aux oreilles d' Hérode le tétrarque,
...............
Mat / Mt 14.3 For Herod had laid hold on John, and bound him, and put him in prison for Herodias' sake, his brother Philip' s wife. Fa Heroda efa nisambotra an' i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin' i Herodiasy, vadin' i Filipo rahalahiny. Fa Heroda efa nampisambotra an' i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin' i Herodiada vadin' i Filipo rahalahiny. C' est qu' en effet Hérode avait fait arrêter, enchaîner et emprisonner Jean, à cause d' Hérodiade, la femme de Philippe son frère.
...............
Mat / Mt 14.5 And when he would have put him to death, he feared the multitude, because they counted him as a prophet. Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon' ireo ho mpaminany Jaona. Nitady hamono azy Heroda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon' ny olona fa mpaminany Joany. Il avait même voulu le tuer, mais avait craint la foule, parce qu' on le tenait pour un prophète.
Mat / Mt 14.6 But when Herod' s birthday was kept, the daughter of Herodias danced before them, and pleased Herod. Fa nony tonga ny fitsingerenan' ny taona nahaterahan' i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin' i Herodiasy ka nahafaly an' i Heroda. Ary tamin' iny andro nankalazana ny nahaterahan' i Heroda, dia nandihy teo anatrehan' ny olona nasaina ny zanakavanin' i Herodiada, ka nahafaly an' i Heroda. Or, comme Hérode célébrait son anniversaire de naissance, la fille d' Hérodiade dansa en public et plut à Hérode

  The Gospel according to Mark Marka Marka L'Évangile selon Saint Marc
...............
Mar / Mk 6.14 And king Herod heard of him; (for his name was spread abroad:) and he said, That John the Baptist was risen from the dead, and therefore mighty works do shew forth themselves in him. Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran' i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin' ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo. Nahare ny lazan' i Jeso Heroda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny anarany. Ary hoy ny sasany: Joany Batista nitsangana tamin' ny maty izay, ka izany no iasan' ireo hery mahagaga aminy; Le roi Hérode entendit parler de lui, car son nom était devenu célèbre, et l' on disait : " Jean le Baptiste est ressuscité d' entre les morts ; d' où les pouvoirs miraculeux qui se déploient en sa personne. "
...............
Mar / Mk 6.16 But when Herod heard thereof, he said, It is John, whom I beheaded: he is risen from the dead. Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy. Ary nony nandre izany Heroda dia nanao hoe: Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangana tamin' ny maty izy. Hérode donc, en ayant entendu parler, disait : " C' est Jean que j' ai fait décapiter, qui est ressuscité ! "
Mar / Mk 6.17 For Herod himself had sent forth and laid hold upon John, and bound him in prison for Herodias' sake, his brother Philip' s wife: for he had married her. Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an' i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin' i Herodiasy vadin' i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy. Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an' i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin' i Herodiada vadin' i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. En effet, c'était lui Hérode qui avait envoyé arrêter Jean et l' enchaîner en prison, à cause d' Hérodiade, la femme de Philippe son frère qu' il avait épousée.
Mar / Mk 6.18 For John had said unto Herod, It is not lawful for thee to have thy brother' s wife. Fa Jaona efa nilaza tamin' i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin' ny rahalahinao. Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. Car Jean disait à Hérode : " Il ne t' est pas permis d' avoir la femme de ton frère. "
...............
Mar / Mk 6.20 For Herod feared John, knowing that he was a just man and an holy, and observed him; and when he heard him, he did many things, and heard him gladly. Fa Heroda natahotra an' i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin' ny hafaliana izy. noho ny tahotr' i Heroda an' i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin' ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. parce qu' Hérode craignait Jean, sachant que c'était un homme juste et saint, et il le protégeait ; quand il l' avait entendu, il était fort perplexe, et c'était avec plaisir qu' il l'écoutait.
Mar / Mk 6.21 And when a convenient day was come, that Herod on his birthday made a supper to his lords, high captains, and chief estates of Galilee; Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan' i Heroda fanasana ho an' ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin' ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany, Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan' ny taona nahaterahan' i Heroda ka nanaovany fanasana ho an' ny manamboninahiny sy ny tompon' arivo ary ny loholona tany Galilea. Or vint un jour propice, quand Hérode, à l' anniversaire de sa naissance, fit un banquet pour les grands de sa cour, les officiers et les principaux personnages de la Galilée :
Mar / Mk 6.22 And when the daughter of the said Herodias came in, and danced, and pleased Herod and them that sat with him, the king said unto the damsel, Ask of me whatsoever thou wilt, and I will give it thee. ka niditra ny zanakavavin' i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an' i Heroda mbamin' izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin' i Herodiada ka nahafaly an' i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, la fille de ladite Hérodiade entra et dansa, et elle plut à Hérode et aux convives. Alors le roi dit à la jeune fille : " Demande-moi ce que tu voudras, je te le donnerai. "
...............
Mar / Mk 8.15 And he charged them, saying, Take heed, beware of the leaven of the Pharisees, and of the leaven of Herod. Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon' ny masirasiran' ny Fariseo sy ny masirasiran' i Heroda. Jeso kosa nananatra azy nanao hoe: Mitandrema tsara hianareo fandrao azon' ny lalivain' ny Farisiana sy lalivain' i Heroda. Or il leur faisait cette recommandation : " Ouvrez l' oeil et gardez-vous du levain des Pharisiens et du levain d' Hérode. "

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 1.5 There was in the days of Herod, the king of Judaea, a certain priest named Zacharias, of the course of Abia: and his wife was of the daughters of Aaron, and her name was Elisabeth. Tamin' ny andron' i Heroda, mpanjakan' i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan' ny antokon' i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin' ny taranak' i Arona, Elizabeta no anarany. Tamin' ny andron' i Heroda mpanjakan' i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan' ny fianakavian' i Abià, ary ny vadiny dia taranak' i Aarona sy natao hoe Elizabeta. Il y eut aux jours d' Hérode, roi de Judée, un prêtre du nom de Zacharie, de la classe d' Abia, et il avait pour femme une descendante d' Aaron, dont le nom était Élisabeth.
Lio / Lk 3.1 Now in the fifteenth year of the reign of Tiberius Caesar, Pontius Pilate being governor of Judaea, and Herod being tetrarch of Galilee, and his brother Philip tetrarch of Ituraea and of the region of Trachonitis, and Lysanias the tetrarch of Abilene, Ary tamin' ny taona fahadimy ambin' ny folo nanjakan' i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, Tamin' ny taona fahadimy ambin' ny folon' ny nanjakan' i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea, Heroda no tetrarka tany Galilea, Filipo rahalahiny no tetrarka tany Abilena, L' an quinze du principat de Tibère César, Ponce Pilate étant gouverneur de Judée, Hérode tétrarque de Galilée, Philippe son frère tétrarque du pays d' Iturée et de Trachonitide, Lysanias tétrarque d' Abilène,
...............
Lio / Lk 3.19 But Herod the tetrarch, being reproved by him for Herodias his brother Philip' s wife, and for all the evils which Herod had done, Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin' i Jaona noho ny amin' i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa Heroda tetrarka, izay nanariny noho ny amin' i Herodiada vadin-drahalahiny sy noho ny ratsy rehetra nataony, Cependant Hérode le tétrarque, qu' il reprenait au sujet d' Hérodiade, la femme de son frère, et pour tous les méfaits qu' il avait commis,
...............
Lio / Lk 8.3 And Joanna the wife of Chuza Herod' s steward, and Susanna, and many others, which ministered unto him of their substance. sy Johana, vadin' i Koza, mpitandrina ny fananan' i Heroda, ary Sosana mbamin' ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin' ny fananany. Joana vadin' i Kozà mpitandrina ny fananan' i Heroda, ary Sozàna mbamin' ny maro hafa koa izay nanampy azy tamin' ny fananany. Jeanne, femme de Chouza, intendant d' Hérode, Suzanne et plusieurs autres, qui les assistaient de leurs biens.
...............
Lio / Lk 9.7 Now Herod the tetrarch heard of all that was done by him: and he was perplexed, because that it was said of some, that John was risen from the dead; Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan' ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin' ny maty; Ary Heroda tetrarka nandre izay rehetra nataon' i Jeso ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: Hérode, le tétrarque, apprit tout ce qui se passait, et il était fort perplexe, car certains disaient : " C' est Jean qui est ressuscité d' entre les morts " ;
...............
Lio / Lk 9.9 And Herod said, John have I beheaded: but who is this, of whom I hear such things? And he desired to see him. Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy. Dia hoy kosa Heroda: Raha ny amin' i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao? Dia naniry hahita azy izy. Mais Hérode dit : " Jean ! moi je l' ai fait décapiter. Quel est-il donc, celui dont j' entends dire de telles choses ? " Et il cherchait à le voir.
...............
Lio / Lk 13.31 The same day there came certain of the Pharisees, saying unto him, Get thee out, and depart hence: for Herod will kill thee. Tamin' izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin' i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda. Tamin' izay andro izay ihany dia nisy Farisiana sasany nanatona azy, ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eo hianao, fa tadiavin' i Heroda hovonoina. A cette heure même s' approchèrent quelques Pharisiens, qui lui dirent : " Pars et va-t' en d' ici ; car Hérode veut te tuer. "
...............
Lio / Lk 23.7 And as soon as he knew that he belonged unto Herod' s jurisdiction, he sent him to Herod, who himself also was at Jerusalem at that time. Ary rehefa fantany fa avy tamin' ny tany tapahin' i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin' i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin' izany andro izany. ka nony fantany fa hoe avy amin' ny tany fehezin' i Heroda izy, dia nampanateriny tany amin' i Heroda, izay tao Jerosalema koa tamin' izany andro izany. Et s'étant assuré qu' il était de la juridiction d' Hérode, il le renvoya à Hérode qui se trouvait, lui aussi, à Jérusalem en ces jours-là.
Lio / Lk 23.8 And when Herod saw Jesus, he was exceeding glad: for he was desirous to see him of a long season, because he had heard many things of him; and he hoped to have seen some miracle done by him. Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an' i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony. Faly dia faly Heroda nony nahita an' i Jeso, fa ela no naniriany hahita azy, noho ny fandrenesany azy efa maresaka erý, sady nanantena izy fa hahita azy hanao fahagagana. Hérode, en voyant Jésus, fut tout joyeux ; car depuis assez longtemps il désirait le voir, pour ce qu' il entendait dire de lui ; et il espérait lui voir faire quelque miracle.
...............
Lio / Lk 23.11 And Herod with his men of war set him at nought, and mocked him, and arrayed him in a gorgeous robe, and sent him again to Pilate. Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin' i Pilato. Dia notebahin' i Heroda sy ny miaramilany izy, ka nony efa nampiankanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin' i Pilaty indray. Après l' avoir, ainsi que ses gardes, traité avec mépris et bafoué, Hérode le revêtit d' un habit splendide et le renvoya à Pilate.
Lio / Lk 23.12 And the same day Pilate and Herod were made friends together: for before they were at enmity between themselves. Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin' izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan' izany. Tamin' izay andro izay dia tonga nisakaiza terý Heroda sy Pilaty, ilay efa nifandrafy teo iny. Et, ce même jour, Hérode et Pilate devinrent deux amis, d' ennemis qu' ils étaient auparavant.
...............
Lio / Lk 23.15 No, nor yet Herod: for I sent you to him; and, lo, nothing worthy of death is done unto him. Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; Tahaka izany koa Heroda, fa namerina azy ho atý amintsika izy; ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana azy ho faty. Hérode non plus d' ailleurs, puisqu' il l' a renvoyé devant nous. Vous le voyez ; cet homme n' a rien fait qui mérite la mort.

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 4.27 For of a truth against thy holy child Jesus, whom thou hast anointed, both Herod, and Pontius Pilate, with the Gentiles, and the people of Israel, were gathered together, Fa efa niangona marina tokoa teto amin' ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin' ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin' ity tanàna ity Heroda sy Pontsy Pilaty ary ny jentily mbamin' ny vahoaka Israely hanohitra an' i Jeso Mpanomponao masina voahosotrao, Oui vraiment, ils se sont rassemblés dans cette ville contre ton saint serviteur Jésus, que tu as oint, Hérode et Ponce-Pilate avec les nations païennes et les peuples d' Israël,
Asa 12.1 Now about that time Herod the king stretched forth his hands to vex certain of the church. Ary tamin' izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin' ny fiangonana. Tamin' izany andro izany, dia nasain' i Heroda mpanjaka nosamborina mba hampahorina ny sasany anisan' ny Eglizy. Vers ce temps-là, le roi Hérode mit la main sur quelques membres de l'Église pour les maltraiter.
...............
Asa 12.6 And when Herod would have brought him forth, the same night Peter was sleeping between two soldiers, bound with two chains: and the keepers before the door kept the prison. Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan' ny miaramila roa lahy Petera tamin' iny alina iny, sady voafatotra tamin' ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana. Tamin' ny alin' ny hamoahan' i Heroda azy, raha natory teo anelanelan' ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin' ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran' ny tranomaizina, Or la nuit même avant le jour où Hérode devait le faire comparaître, Pierre était endormi entre deux soldats ; deux chaînes le liaient et, devant la porte, des sentinelles gardaient la prison.
...............
Asa 12.11 And when Peter was come to himself, he said, Now I know of a surety, that the Lord hath sent his angel, and hath delivered me out of the hand of Herod, and from all the expectation of the people of the Jews. Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin' ny tànan' i Heroda sy ny fanantenan' ny Jiosy rehetra. Izay vao nahatsiaro fanahy Piera, ka nanao hoe: Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin' ny tànan' i Heroda, sy ny fanampoizan' ny vahoaka Jody. Alors Pierre, revenant à lui, dit : " Maintenant je sais réellement que le Seigneur a envoyé son ange et m' a arraché aux mains d' Hérode et à tout ce qu' attendait le peuple des Juifs. "
...............
Asa 12.19 And when Herod had sought for him, and found him not, he examined the keepers, and commanded that they should be put to death. And he went down from Judaea to Caesarea, and there abode. Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany. Rahefa nampikarohin' i Heroda izy, ka tsy hitany, dia ny mpiambina no nadininy sy nasainy hovonoina. Taorian' izany dia niala tany Jodea izy ka nankany Sezarea, ary nitoetra tao. Hérode l' ayant envoyé chercher sans qu' on le trouvât, ordonna, après interrogatoire des gardes, de les exécuter. Puis de Judée il descendit à Césarée, où il demeura.
Asa 12.20 And Herod was highly displeased with them of Tyre and Sidon: but they came with one accord to him, and, having made Blastus the king' s chamberlain their friend, desired peace; because their country was nourished by the king' s country. Ary Heroda tezitra loatra tamin' ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an' i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian' ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin' ny tanin' i Heroda. Tezitra tamin' ny mponina any Tira sy Sidòna i Heroda fahizany. Koa nony efa nahazo an' i Blasta mpitandrina ny trano fandrian' ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin' i Heroda no niveloman' ny fireneny. Hérode était en conflit aigu avec les gens de Tyr et de Sidon. D' un commun accord ceux-ci se présentèrent devant lui et, après avoir gagné Blastus, le chambellan du roi, ils sollicitaient la paix. Leur pays, en effet, tirait sa subsistance de celui du roi.
Asa 12.21 And upon a set day Herod, arrayed in royal apparel, sat upon his throne, and made an oration unto them. Ary tamin' ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin' ny vahoaka. Nony tonga ny andro voatendry, nipetraka teo amin' ny seza fiandrianana i Heroda niakanjo ny fanamian' ny mpanjaka, dia nikabary tamin' izy ireo. Au jour fixé, Hérode, vêtu de ses habits royaux, prit place sur la tribune et, tandis qu' il les haranguait,
Asa 13.1 Now there were in the church that was at Antioch certain prophets and teachers; as Barnabas, and Simeon that was called Niger, and Lucius of Cyrene, and Manaen, which had been brought up with Herod the tetrarch, and Saul. Ary teo amin' ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin' i Heroda mpanapaka) ary Saoly. Tao amin' ny Eglizy tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia Barnabe sy Simeona izay atao hoe Mainty, Lisiosa avy any Sirena, sy Manahena izay niolo-nono tamin' i Heroda Tetrarka, ary Saoly. Il y avait dans l'Église établie à Antioche des prophètes et des docteurs : Barnabé, Syméon appelé Niger, Lucius de Cyrène, Manaèn, ami d' enfance d' Hérode le tétrarque, et Saul.
...............
Asa 23.35 I will hear thee, said he, when thine accusers are also come. And he commanded him to be kept in Herod' s judgment hall. dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan' i Heroda izy. dia hoy izy hoe: Hihaino anao aho rahefa tonga ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan' i Heroda izy. " Je t' entendrai, dit-il, quand tes accusateurs seront arrivés, eux aussi. " Et il le fit garder dans le prétoire d' Hérode.