<-
->

Mat / Mt 14:1 At that time Herod the tetrarch heard of the fame of Jesus, Tamin' izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan' i Jesosy, Tamin' izany andro izany, dia ren' i Heroda tetrarka ny lazan' i Jeso; En ce temps-là, la renommée de Jésus parvint aux oreilles d' Hérode le tétrarque,
Mat / Mt 14:2 And said unto his servants, This is John the Baptist; he is risen from the dead; and therefore mighty works do shew forth themselves in him. ka hoy izy tamin' ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin' ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany. ka hoy izy tamin' ny mpanompony: Joany Batista izay; efa nitsangana tamin' ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro. qui dit à ses serviteurs : " Celui-là est Jean le Baptiste ! Le voilà ressuscité des morts : d' où les pouvoirs miraculeux qui se déploient en sa personne ! "
Mat / Mt 14:3 For Herod had laid hold on John, and bound him, and put him in prison for Herodias' sake, his brother Philip' s wife. Fa Heroda efa nisambotra an' i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin' i Herodiasy, vadin' i Filipo rahalahiny. Fa Heroda efa nampisambotra an' i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin' i Herodiada vadin' i Filipo rahalahiny. C' est qu' en effet Hérode avait fait arrêter, enchaîner et emprisonner Jean, à cause d' Hérodiade, la femme de Philippe son frère.
Mat / Mt 14:4 For John said unto him, It is not lawful for thee to have her. Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy. Satria Joany nilaza taminy hoe: Tsy mahazo manambady io hianao. Car Jean lui disait : " Il ne t' est pas permis de l' avoir. "
Mat / Mt 14:5 And when he would have put him to death, he feared the multitude, because they counted him as a prophet. Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon' ireo ho mpaminany Jaona. Nitady hamono azy Heroda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon' ny olona fa mpaminany Joany. Il avait même voulu le tuer, mais avait craint la foule, parce qu' on le tenait pour un prophète.
Mat / Mt 14:6 But when Herod' s birthday was kept, the daughter of Herodias danced before them, and pleased Herod. Fa nony tonga ny fitsingerenan' ny taona nahaterahan' i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin' i Herodiasy ka nahafaly an' i Heroda. Ary tamin' iny andro nankalazana ny nahaterahan' i Heroda, dia nandihy teo anatrehan' ny olona nasaina ny zanakavanin' i Herodiada, ka nahafaly an' i Heroda. Or, comme Hérode célébrait son anniversaire de naissance, la fille d' Hérodiade dansa en public et plut à Hérode
Mat / Mt 14:7 Whereupon he promised with an oath to give her whatsoever she would ask. Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. au point qu' il s' engagea par serment à lui donner ce qu' elle demanderait.
Mat / Mt 14:8 And she, being before instructed of her mother, said, Give me here John Baptist' s head in a charger. Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan' i Jaona Mpanao-batisa. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: Omeo ahy eto amin' ny lovia ny lohan' i Joany Batista. Endoctrinée par sa mère, elle lui dit : " Donne-moi ici, sur un plat, la tête de Jean le Baptiste. "
Mat / Mt 14:9 And the king was sorry: nevertheless for the oath' s sake, and them which sat with him at meat, he commanded it to be given her. Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany. Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; Le roi fut contristé, mais, à cause de ses serments et des convives, il commanda de la lui donner
Mat / Mt 14:10 And he sent, and beheaded John in the prison. Ary dia naniraka hanapaka ny lohan' i Jaona tao an-tranomaizina izy. ary naniraka nampanapaka ny lohan' i Joany tao an-tranomaizina izy. et envoya décapiter Jean dans la prison.
Mat / Mt 14:11 And his head was brought in a charger, and given to the damsel: and she brought it to her mother. Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny. Dia nentina tamin' ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Sa tête fut apportée sur un plat et donnée à la jeune fille, qui la porta à sa mère.
Mat / Mt 14:12 And his disciples came, and took up the body, and buried it, and went and told Jesus. Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin' i Jesosy. Nalain' ny mpianatr' i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin' i Jeso. Les disciples de Jean vinrent prendre le cadavre et l' enterrèrent ; puis ils allèrent informer Jésus.
Mat / Mt 14:13 When Jesus heard of it, he departed thence by ship into a desert place apart: and when the people had heard thereof, they followed him on foot out of the cities. Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin' ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy. Nony nandre izany Jeso, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an' efitra; fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin' ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy. L' ayant appris, Jésus se retira en barque dans un lieu désert, à l'écart ; ce qu' apprenant, les foules partirent à sa suite, venant à pied des villes.
Mat / Mt 14:14 And Jesus went forth, and saw a great multitude, and was moved with compassion toward them, and he healed their sick. Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny. Rahefa niala tao an-tsambo izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy. En débarquant, il vit une foule nombreuse et il en eut pitié ; et il guérit leurs infirmes.
Mat / Mt 14:15 And when it was evening, his disciples came to him, saying, This is a desert place, and the time is now past; send the multitude away, that they may go into the villages, and buy themselves victuals. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin' ny vohitra hividy hanina ho azy. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin' ny vohitra. Le soir venu, les disciples s' approchèrent et lui dirent : " L' endroit est désert et l' heure est déjà passée ; renvoie donc les foules afin qu' elles aillent dans les villages s' acheter de la nourriture. "
Mat / Mt 14:16 But Jesus said unto them, They need not depart; give ye them to eat. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy. Fa hoy Jeso taminy: Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina. Mais Jésus leur dit : " Il n' est pas besoin qu' elles y aillent ; donnez-leur vous-mêmes à manger. " -
Mat / Mt 14:17 And they say unto him, We have here but five loaves, and two fishes. Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atý aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa. Dia hoy ireo taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay. " Mais, lui disent-ils, nous n' avons ici que cinq pains et deux poissons. " Il dit :
Mat / Mt 14:18 He said, Bring them hither to me. Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany. Ento atý amiko izany, hoy izy taminy. " Apportez-les-moi ici. "
Mat / Mt 14:19 And he commanded the multitude to sit down on the grass, and took the five loaves, and the two fishes, and looking up to heaven, he blessed, and brake, and gave the loaves to his disciples, and the disciples to the multitude. Dia nasainy nipetraka teny ambonin' ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an' ny vahoaka. Dia nasainy nipetraka tamin' ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain' ny mpianany tamin' ny vahoaka. Et, ayant donné l' ordre de faire étendre les foules sur l' herbe, il prit les cinq pains et les deux poissons, leva les yeux au ciel, bénit, puis, rompant les pains, il les donna aux disciples, qui les donnèrent aux foules.
Mat / Mt 14:20 And they did all eat, and were filled: and they took up of the fragments that remained twelve baskets full. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin' ny folo. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin' ny folo. Tous mangèrent et furent rassasiés, et l' on emporta le reste des morceaux : douze pleins couffins !
Mat / Mt 14:21 And they that had eaten were about five thousand men, beside women and children. Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. Nefa dimy arivo lahy no isan' ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy. Or ceux qui mangèrent étaient environ cinq mille hommes, sans compter les femmes et les enfants.
Mat / Mt 14:22 And straightway Jesus constrained his disciples to get into a ship, and to go before him unto the other side, while he sent the multitudes away. Ary niaraka tamin' izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka. Dia nodidian' i Jeso hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin' izay ny mpianany, sy hita hialoha azy ambara-pandravany ny vahoaka; Et aussitôt il obligea les disciples à monter dans la barque et à le devancer sur l' autre rive, pendant qu' il renverrait les foules.
Mat / Mt 14:23 And when he had sent the multitudes away, he went up into a mountain apart to pray: and when the evening was come, he was there alone. Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. ary rahefa nampirava ny vahoaka izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia izy irery no teo. Et quand il eut renvoyé les foules, il gravit la montagne, à l'écart, pour prier. Le soir venu, il était là, seul.
Mat / Mt 14:24 But the ship was now in the midst of the sea, tossed with waves: for the wind was contrary. Ary efa mby teo ampovoan' ny ranomasina ny sambokely tamin' izay, dia natopatopan' ny alon-drano izy, fa notohain' ny rivotra. Tamin' izay ny sambo kely dia nahilangilan' ny onjan-drano teny afovoan' ny ranomasina, fa nanoha rivotra. La barque, elle, se trouvait déjà éloignée de la terre de plusieurs stades, harcelée par les vagues, car le vent était contraire.
Mat / Mt 14:25 And in the fourth watch of the night Jesus went unto them, walking on the sea. Ary tamin' ny fiambenana fahefatra amin' ny alina dia nankeny amin' ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin' ny ranomasina. Ary tamin' ny fiambenana fahefatra tamin' ny alina, dia nandeha teny ambonin' ny rano Jeso ka nankeo amin' izy ireo. A la quatrième veille de la nuit, il vint vers eux en marchant sur la mer.
Mat / Mt 14:26 And when the disciples saw him walking on the sea, they were troubled, saying, It is a spirit; and they cried out for fear. Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin' ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. Fa nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: Matoatoa io, sady niantsoantso izy noho ny tahony. Les disciples, le voyant marcher sur la mer, furent troublés : " C' est un fantôme ", disaient-ils, et pris de peur ils se mirent à crier.
Mat / Mt 14:27 But straightway Jesus spake unto them, saying, Be of good cheer; it is I; be not afraid. Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin' izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. Niaraka tamin' izay dia niteny taminy Jeso nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. Mais aussitôt Jésus leur parla en disant : " Ayez confiance, c' est moi, soyez sans crainte. "
Mat / Mt 14:28 And Peter answered him and said, Lord, if it be thou, bid me come unto thee on the water. Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin' ny rano aho. Namaly Piera nanao hoe: Raha hianao ary; Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho. Avia, hoy izy. Sur quoi, Pierre lui répondit : " Seigneur, si c' est bien toi, donne-moi l' ordre de venir à toi sur les eaux. " -
Mat / Mt 14:29 And he said, Come. And when Peter was come down out of the ship, he walked on the water, to go to Jesus. Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin' ny sambokely Petera ka nandeha tambonin' ny rano hanatona an' i Jesosy. Dia nidina avy eny an-tsambo Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin' i Jeso. " Viens ", dit Jésus. Et Pierre, descendant de la barque, se mit à marcher sur les eaux et vint vers Jésus.
Mat / Mt 14:30 But when he saw the wind boisterous, he was afraid; and beginning to sink, he cried, saying, Lord, save me. Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho. Mais, voyant le vent, il prit peur et, commençant à couler, il s'écria : " Seigneur, sauve-moi ! "
Mat / Mt 14:31 And immediately Jesus stretched forth his hand, and caught him, and said unto him, O thou of little faith, wherefore didst thou doubt? Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin' izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? Niaraka tamin' izay naninji-tànana Jeso, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? Aussitôt Jésus tendit la main et le saisit, en lui disant : " Homme de peu de foi, pourquoi as-tu douté ? "
Mat / Mt 14:32 And when they were come into the ship, the wind ceased. Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Et quand ils furent montés dans la barque, le vent tomba.
Mat / Mt 14:33 Then they that were in the ship came and worshipped him, saying, Of a truth thou art the Son of God. Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak' Andriamanitra tokoa Hianao. Tamin' izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona azy sy nitsaoka azy nanao hoe: Tena Zanak' Andriamanitra tokoa hianao. Ceux qui étaient dans la barque se prosternèrent devant lui, en disant : " Vraiment, tu es Fils de Dieu ! "
Mat / Mt 14:34 And when they were gone over, they came into the land of Gennesaret. Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta. Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin' ny tanin' i Genesareta; Ayant achevé la traversée, ils touchèrent terre à Gennésaret.
Mat / Mt 14:35 And when the men of that place had knowledge of him, they sent out into all that country round about, and brought unto him all that were diseased; Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin' ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy. ka nony nahafantatra azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin' ny tany manodidina rehetra, ka nentin' ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, Les gens de l' endroit, l' ayant reconnu, mandèrent la nouvelle à tout le voisinage, et on lui présenta tous les malades :
Mat / Mt 14:36 And besought him that they might only touch the hem of his garment: and as many as touched were made perfectly whole. Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa. ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr' akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry. on le priait de les laisser simplement toucher la frange de son manteau, et tous ceux qui touchèrent furent sauvés.

<-
->