|
|
|
|

Entrée1  Levitikosy
Partie du discours  2  nom propre (biblique) [Liste complète]
Explications en malgache  3 Boky fahatelo ao amin' ny Testamenta Talohan' ny Baiboly, ao amin' ny antokon' ireo atao hoe
4 "Boky P" (Mpisorona) ; koa ao amin' ny Baiboly malagasy ny anarany dia miampy hoe "na Fisoronana".
5 Saiky izy manontolo dia milaza zavatra momba ny Mpisoronana sy ny Fisoronana, dia ny lalàna sy ny
6 fanazavana momba izany raharaha izany.
7 Ny toko I-VII dia lalàna sy fepetra, ets. momba ny fisoronana.
8 Ny toko VIII-X momba ny fanokanana na fanamasinana na fanosorana olona ho mpisorona,
9 Ny toko XI-XIII dia lalàna ny Fanadiovana sy ny Fanavotana.
10 Ny fizarana ao amin' ny toko XIII-XXVI dia antsoina hoe Lalàn' ny Fahamasinana ary hita ho mitoka-miavaka
11 amin' iretsy fizarana namany, ary hita fa soratra hafa ny loharano niteraka azy.
12 Tsy ny tarehin-dahateny ihany no mampiavaka azy, fa ao koa ny famerimberenany ny teny hoe Fahamasinana :
13 Henjaniny sy averimberiny fatatra ny tsy maintsy ilan' ny mpivavaka ny fahamasinana. [1.10]
14 Ny anaran' ny boky sy ny teny ao anatiny. Amin' ny versiona grika dia "Levitikosy" no anaran' ity boky ity,
15 satria mikasika bebe ihany ny raharahan' ny Levita izy ; fa amin' ny teny hebreo kosa dia "Vayikra",
16 izany hoe "Ary niantso izy", araka ny teny voalohany ao amin' ny boky... [1.38]
Vocabulaire  17  Ecritures Saintes
Synonymes  18 fisoronana, fisoronana, fisoronana, levitika, levitika, levitika

Mis à jour le 2025/11/17