Entrée Aleksandria
Partie du discours   nom propre (toponyme) [liste]
Définition malgache   Tanàna lehibe any an-dohan'i Afrika Avaratra, ao amin'ny faritanin'i Ejiptra, mitondra ny anaran'ny mpanorina azy (taona 332 talohan'i J.K.), dia Aleksandra Lehibe, rahefa nandresy an'i Ejiptra izy.

Ny mpanjaka nifandimby tany Ejiptra, atao hoe Ptolemeo, dia nanana anjara betsaka nahabe voho ny tanàna: tao no nananganana trano firaketam-boky tokana amin-tany, izay nisy soratanana tsy latsaky ny fito hetsy no isany. --

Boky nisy literatiora jiosy, kaldeana, persiana, etiopiana, ejiptiana, grika, latina, ets. no samy nangonina tao.

Nisy (soratanana) dikan'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao tamin'nt teny grika natao tany, izay natsoina hoe "Codex alexandrinus".

Hoditr'osy tsara no nanoratana ireo. Tahirizina ao amin'ny trano firaketana (British Museum) any Laondra izy ireo ankehitriny. Tokony ho tamin'ny taona 450 angamba no nahavitany.

Ny "Codex alexandrinus" (taonjato V) no faharoa amin'ny soratanana tranainy voatahiry momba ny Baiboly (tapitra); ny "Codex sinaïcus" ihany no talohany (taonjato IV), dia ilay vao novidin'i Angletera tamin'i Rosia (URSS) tamin'ny taona 1933 -- 8.000.000 francs; ao amin'ny British Museum koa.

Tao koa ny trano fanilo (phare) izay nisy 150 m. ny hahavony, ary isan'ny zava-mahagaga fito eto ambonin'ny tany. Ravan'ny horohorontany io tamin'ny taona 1303.

Tanàna tena nalaza sy namirapiratra, nifamotoanan'ny firenena avy amin'ny vazan-tany efatra Aleksandria; maro dia maro ny Grika sy ny Romana no niorim-ponenana tao.

Ny Jiosy, izay efa be tonga tao hatry ny ela, dia vao mainka nisesika rahefa ravan'ny Romana Jerosalema tamin'ny taona 70 taorian'i J.K., ka faritany iray manontolo no nonenany, nivarotra sy nitombo harena tao, sady nanangana synagoga.

Nifangaro tamin'ny Grika izy, ka nahay ny fiteny grika fatratra, ary efa nahadika ny Baiboly (Testamenta Taloha) amin'ny fiteny grika, izay atao hoe ny "Baibolin'ny Fitopolo" (Septante), na hafohezina ho LXX (taonjato III talohan'i J.K.).

Taty aoriana dia nandroso tao ny fivavahana kristiana, ary lazain'i Eusebius, rain'ny fiangonana fa : Marka, mpanoratra ny Filazantsara faharoa, dia nirahin'ny mpino voalohany ho any Aleksandria hitory ny Filazantsara vao nosoratany, ka nanorina fiangonana.

Ilay mpandahateny malaza tamin'ny andron'ny Apostoly, natao hoe Apolosy, dia teraka tany Aleksandria (Asan'ny Apostoly 18:24; jereo koa Asa. 6:9; 27:6; 28:11).

Koa satria tanàna nandroso fatratra tamin'ny sivilizasiona grika Aleksandria, sady nitombo sy nitatra be tao ny fivavahana kristiana, dia nanjary foi-be'ny fivavahana ara-tsaina izy; nifanosona tao ny mpampianatra ambony maro mandritra ny taonjato faharoa sy fahatelo taorian'i J.K., nanangana fampianaram-baovao momba ny finoana kristiana.

Azo tsarovana eto ny anaran'i Basilides sy Valentinus nivily hevitra (hérétique), sy ny "Rain'ny fiangonana" toa andry Clément, Athanasa, Origène.

Tamin'ny taona 640 taorian'i J.K. dia azon'ny Calife Omar (mpanjaka arabo) Aleksandria ka nolevonina.

Nihena hatramin'izay ny laza amam-boninahiny, ary tsy nifoha raha tsy vao tamin'ny taonjato faha-19.

Mirongatra indray ny varotra ao aminy, ary mitombo be ny mpihavy. Misy mponina 440.000 ao ankehitriny.

Sekoly Aleksandriana. -- Nizara roa izany:

(1) Sekolin'ny literatiora sy ny siansa. -- Ptolemeo Soter, nanjaka tany Ejiptra (343-285 talohan'i J.K.) no tena nafana fo tamin'ny fampandrosoana ny literatiora sy ny siansa.

Maro ny olonkendry grika no voavoriny tao, ka toy ny nifaninana tamin'i Atena mihitsy Aleksandria. Nanorina trano firaketan-javatra (musée) koa izy io.

Tao no nampianaran'ireo ngezalazy toa an-dry Aristota, araka ny fomban'ny oniversite ankehitriny. Ny fomban-dahatenin'ny Sekoly aleksandriana dia hafa noho ny an'ny mpanoratra grika talohany. Fikarokarohan-java-baovao sy fitsikerana ny asan'ny teo aloha no nilofosany; nianatra gramara izy, lahateny, angano, tantaran'ny fahagola, astronomia, ary fanafody.

Ny sampana momba ny matematika dia naorin'i Euclide, nodimbiasan'i Archimède mpianany, izay samy nahita zava-baovao mbola igagana sy ianaran'ny ankehitriny.

(2) Sekolin'ny filozofia. -- Samy nikatrohan-dry zareo tao ny filozofian'ny Tatsinanana sy ny Tandrefana, ary ny hevitra jiosy momba ny fivavahana dia novontosan'izany filozofia grika izany. Plotinus no nanorina ny fampianarana natao hoa "néo-platonique". Ny antoko atao hoe "gnostique" dia niezaka hanakambana sy hampifanaraka ny hevitra kristiana sy ny fahalan'ny Tatsinanana.

Clément sy Origène no namiratra tamin'ny izany. Philo Judaeus nikely aina hampifanaraka ny Soratra Masin'ny Jiosy amin'ny filozofian'i Platon. [Ravelojaona: Firaketana]

Vocabulaire  
Analogie   Aleksandra Lehibe

Mis à jour le 2012/11/01