| Entrée | 1 Andriamatoa Ratsilefilaza |
| Mots élémentaires | 2 andriana, 3 toa |
| Partie du discours | 4 nom propre (titre d'histoire courte) |
| Vocabulaire | 5 Littérature: histoire courte |
| Auteur |
6 Ravalison Edmond |
| Texte |
7 [CR] Rehefa afa-pana i Sahondra, dia nidina hitsidika an-drainy tany Andovosira.[CR]Nahazo andro naharitra telo volana indrindra ny mpianatra tamin'izay ka tsy nanana eritreritra hafa Ratremalahy.[CR]Gaga ny olona nahita izato hadion'ny hodi-tavan'i Sahondra.[CR]Talanjona ny mpiara-mihira taminy raha nahatsikaritra izato fahadongadongany.[CR]Nihevingevina toy ny fanjaitra akekezin'ny andriamby ny tovolahy noseraniny.[CR]Nisy aza kelikely endaka izay nahavatra nanao "haody" ny tranon-dRatremalahy na dia nataon'ny henatra parapaingo aza ny tongony.[CR]Avy hatrany anefa ilehio dia io voatosi-bohon-tanana satria sady kely tena no kely ampombo.[CR]
8 -- Keliray mitafy jiafotsy izany, ry dada, ka tafahaon-tsamy maivana, hoy i Sahondra.[CR] 9 [CR]Rehefa notantavanin' izy mianaka ireo mpangata-bady tsy latsaky ny roapolo, dia anankiray sady taviny no volony no notolorany ny " eny " .[CR]Ratsilefilaza no anarany.[CR]Tovolahy mijaridina, bikana sady ranjanana Ratsilefy.[CR]Aiza izy raha mamindra tsy mitopatopa toy ny onja ery anivon-dRasoamasay ! Komohin-dahy nanontany ny ory izy.[CR]Nananany avokoa na kafe, na jirofo.[CR]Ny vola am-bata dia aoka fotsiny.[CR]Na dia nanan-karem-bola aza anefa Ratsilefy, dia nahantra toetra vanona kosa.[CR]Lehilahy miavonavona, milanja loha, manainga orona, mpanao eson-teny maharary, tsy tia olon-kafa mitady hisongona azy, mpanararao-paty:[CR]izany no Ratsilefilaza aminy.[CR]Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana [CR]afa-tsy ny maty Andriamatoa Ratsilefy, fa nony antomotra kosa ny ketsa lahirodona, havaniny avokoa Imamo sy Imerina.[CR]Ninia tsy nijery izany anefa Ratrema mianaka, satria vao nampiderany ny vola nameno ny poketrany dia fanina.[CR]Ny anabavin-dRatrema no mba nahatsiaro ny tenin'ny Ombalahibemaso hoe:[CR]" Ny fanahy no olona " ka nanatona mangina ny anadahiny.[CR] 10 -- Sady tsy te-hijery arina an-tava aho, ry zoky, no malain-kanan-dratsy, hoy ny anabaviny, ka tonga hidinika aminao.[CR]Aza ny haren-dRatsilefy no topaza-maso fa ny toetrany malailay toy ny ravin'amiana.[CR] 11 -- Rahoviana anefa, ranabavy, no ho lasa anjely ny zanak' olombelona nandova ny fahotan'i Kaina sy Jodasy? hoy ny valy[CR]boraingin-dRatrema.[CR] 12 -- Raha misy ihany anefa ny arabe migodana, nahoana no hihazo ny lalan'omby rakotra tsilon-kavaotra?[CR] 13 -- Ny tsara fanahy tsy manam-bola, kitapo lasoa mikepaka ka tsy afa-mijoro![CR] 14 -- Ny vola izany asandratrao ho " Rangahy " fa ny fanahy kosa aetrinao ho " letsy " ?[CR] 15 -- Ny mpihary tsy nambinina anie ataon'ny olona zanak'omby kamboty ka afatony an-tsisim-boly, ampiasainy ho ondrilahy tsindry[CR]varotra lehibe fa tsy mba ho lohany.[CR] 16 -- Sao ho Rafotsibe be kirina ka ny ora-mitraho avy no dohifina ho zavona![CR] 17 -- Matoa misonenika, tsidihin-tsahoby.[CR]Ny tsikirity mangavoka no tomany kombarika fa ny railovy manjelatra kosa efa zatra ny[CR]sampan-kazo.[CR] 18 [CR]Tsy natao hanohitra ny vato ny atody ka lasa nisiontsiona Ramatoa.[CR]Tsy nety nilefitra Ratremalahy.[CR]Nindramin'ny sainy ny firidiridin'ny tahon-kininina amin'ny andro migaina.[CR]I Sahondra kosa moa zaza nomen-tanan'ondry ka tsy mampiraika azy ny hofany mitera-menaka.[CR]Naroso ny raharaha.[CR]Natao nakotroka, nanaikana vahoaka metroka.[CR]Vodivona no hietry ka antsanga no anontaniana ? Nisarona voaly fotsy madio i Sahondra.[CR]Mandefitra ny marina, satria lavitra elanelana Antananarivo sy Andovosira.[CR][CR] |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|