Entrée |
toa
|
Partie du discours | conjonction
|
Définition malgache | Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toa an-drainy -- (Be maso toy ny rainy ity zaza ity) ¶ (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany; -b) eo alohan' ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy; -d) eo alohan' ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan' ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan' ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany ~ Toy izao ny fandehan' i Feno kely [Rajemisa 1985]
|
Toponymie |
|
|
Entrée |
toa
|
Partie du discours | adjectif
|
Définition malgache | Ohatra ny: Toa manavy aho izany ¶ Angamba: Toa lasa omaly Rakoto [Rajemisa 1985]
|
|
Entrée |
toa
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | teny anti-miantso ny alika [Rajemisa 1985]
|
Synonymes | |
|
Entrée |
toa
|
Partie du discours | nom
|
Définition malgache | Voalohany, lehibe, niavian' ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa [Rajemisa 1985]
|
Dérivations |
|
Entrée |
toa
|
Partie du discours | adjectif
|
Définition malgache | [Taisaka]
banga (antsy,ets.) [Rakotosaona 1975]
|
|