Entrée anivona
Partie du discours nom
Définition malgache karazan-kazo maniry fianakaviamben' ny rofia; maivamaivana nefa mateza ny hazony; maozatra sy mafy ny hozany, ka maranitra manindrona ery nony nony mahasomisika amin' ny tanana; fanao zanatsipika sy zanatsirika; fanao terilatsy amin' ny rindrin' ny tranohazo, na tranovolo, na ny tafontrano. Voalazan' ny tantara fa ny lefona anivona nampiasain' Andriandranandobe dia afaka nifaninana tsara tamin' ny lefona vy nampiasain' Andriamanelo. [Rajemisa 1985]
  [Betsimisaraka] karazam-palma maniry eny amin'ny lohasaha na heniheny [Rakotosaona 1972]
 Karazan-kazo fanao terilatsy amin' ny rindrin' ny trano hazo [Ravelojaona 1937]
Définition anglaise a palm used in house-building. The wood is also used as a torch by the queen's messengers who travel by night. [Richardson 1885]
Définition française  [Merina, Tanala] (de nom d'un Palmier de Sumatra nommé anibung avec lequel l'espèce malgache a été confondue). Phloga polystachya (Baker) Noronha ex Baill.(Arecaceae). Utilisé par les Malgaches dans le passé lointain pour faire des épieux (avant l'utilisation du fer). On les appelait lefona-anivona et leur souvenir s'est perpétué dans plusieurs contes. Aujourd'hui lefona veut dire la lance, la sagaie. (Voir ci-dessus anivo). [Boiteau 1997]
Vocabulaire 
Nom scientifique Phloga polystachya
Exemples 
1Nony namindra indray ny tongony havia dia voan' ny anivona koa, ka niboroaka tany an-damosiny. [Dahle: Angano, page 96]
2Koa rehefa mety ho vatan-dehilahy, afa-tsy ny antitra sy ny zazabodo dia tsy maintsy miaro tanindrazana: mandray lefona, mivatsy anivona. [FOFAFIPE: Haivola, page 74]
Citations 

2018/08/09