|
|
|
|

Entrée (1/2)1  avonavom-pitia
Mots élémentaires  2 avonavona, 3 fitia
Partie du discours  4  locution
Exemples  5  L'après-midi, ce sera une autre tournée de démonstration. Avec des genres comme le Tafam-pitia na Avonavom-pitia, qui se jouera entre un homme et une femme, ou encore le Dontany sy kapotandroka, un trio de virulence verbale en perspective [4.7.20120616]
Synonymes  6 tafam-pitia

Entrée (2/2)7  Avonavom-pitia
Mots élémentaires  8 avonavona, 9 fitia
Partie du discours  10  nom propre (titre d'histoire courte)
Vocabulaire  11  Littérature: histoire courte
Auteur  12 Zanell J.
Texte  13  [CR] Hono, ry tsikirity amoron-dalana;[CR]ry vero aman'ampanga an-tsisim-boly:[CR]Nandalo teto ve Andriantsoa mora tia, mora tofoka? Ka inona no dinika nolazainy, inona no hafatra napetrany? Mbola tia, mbola manina ve, hono, izy, no migogogogo toa zazakely, ary s midradradradra tsy mahalala menatra? Nahoana no omaly mampitamby sy mampifilafila, ka anio ihany dia mifona sy milela-paladia? Tsy mbola nilaozako tandavan-taona ka mimenomenona sahady hamerina.[CR]Lazao azy, ry vonin'avoko an-tampon-tanety;[CR]ambarao azy, ry ahitsorohitra an-kalamanjana, raha mbola misy fitia tsy levona'o hoe any, saingy sendaotra tamim-pahatezerana, dia tsy omeko tsiny, tsy omeko fondro, fa rehefa mivalo sy migirasy tamin'ny fahadisoana dia avelako.[CR]Kibo tsy sosotra aman-kavana no aty, ary fo tsy mitahiry lolom-po, ka rehefa niady maraina dia tsy menatra hangata-pihavanana hariva.[CR]Izany, hono, no fahendrena, izany no fananan-tsaina.[CR]

14  [CR]valiny[CR]

15  [CR]Henoy, ry tsikirity mpitondra hafatra sy ry vero mpitondra dinika.[CR]

16  [CR]Izao lazaina, izao ambara amin-dRadalampitia.[CR]Tsy nitomany, tsy nigogogogo Andriantsoa hoe, fa nibitaka sy nifaly.[CR]Olona nitondra[CR]mafy sy nilonjy fahoriana izy, ka tsy mahatoha ny kobaka am-bava, tsy mahalaitra ny votena an-tenda.[CR]Ny hanambitamby na hanolikoly, hono, dia atao fady, atao sanatria.[CR]Tovolahy tanora ary zatovo maitso volo aho, rahavana, ka mora manova.[CR]Tsy mihevitrà[CR]izay efa nilaozana aho, rahavana, ary tsy mitambitamby amin-javon' Ankaratra.[CR]Bitsiho azy, ry avoko endriky ny lemaka, ary dinidiniho aminy, ry ahitsorohitra ravaky ny tampon-tanety:[CR]tsy tia tsy manina intsony, hono, izy fa ny teo aza nanenenany.[CR]Aborahy aminy tsara fa tsy fahatezerana izany na fahasosorana fa avonavom-pitia.[CR]Izay efa nahita ny toe-dratsy, hono, dia tofoka, ka ny fo zaka no entina mody ary ny fo feno eritreritra no entina mianjona.[CR]Ka dia veloma aminy mandrakizay, masina aminy mandra-pahafatiny.[CR]


Anagrammes  17 avonavom-pitia, Avonavom-pitia

Mis à jour le 2025/11/13