Entrée | 1 Dieny mbola velona aho |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 dieny, mbola, velona, aho |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rakotomalala-Rabarijaona Louis |
Texte complet |
6 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 7 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 8 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 9 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. 10 Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako, 11 Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako: 12 Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko, 13 Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko. 14 Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra, 15 Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra, 16 Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko: 17 Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko. 18 Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako, 19 Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako: 20 Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana, 21 Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana. 22 Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako, 23 Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ? 24 Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana, 25 Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana. 26 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 27 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 28 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 29 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |