|
|
|
|

Entrée1  diksionera
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 
4 (Frantsay dictionnaire, anglisy dictionary)
5 boky anangonana ny teny rehetra ao amin'ny tenim-pirenena iray,
6 ary ny tarehintsoratra iantombohan'ny isan-teny no andaharana azy misesy
7 araka ny filahatry ny abidia, sady hazavaina ny heviny,
8 ny endrika samy hafa iovany, ny fomba fampiasa azy, ny fototeniny,
9 ny niaviany na ny niforonany; atao eo koa ny teny mitovitovy hevitra aminy,
10 ny mifanohitra aminy, ny fombampiteny na fitenenana misy azy.
11 Misy karazany vitsivitsy ny diksionera, toy izao:
12 -- (1) Ilay tenim-pirenena ihany no anazavana ny teny tsirairay ao aminy;
13 toy izany ny an'Ingahy Ramino izay nataony hoe
14 Diksionery Malagasy-Malagasy (1934) teny malagasy hazavaina amin'ny
15 teny malagasy.
16 -- (2) Tenim-pirenena hafa no andikana sy anazavana ny teny tsirairay ao
17 amin'ilay fiteny; toy ny hoe
18 Diksionera Malagasy-Frantsay na Malagasy-Anglisy, ets.
19 -- (3) Ny teny ao amin'ny tenim-pirenena hafa no adika sy hazavaina amin'ilay fiteny,
20 toe ny hoe Diksionera Frantsay-Malagasy na Anglisy-Malagasy, ets.
21 -- Misy koa karazany toy izao, araka ny zavatra atao na kendrena ao aminy:
22 -- (4) Raha samy ao, nefa atao fohifohy, irery zavatra vitsivitsy voatonontonona
23 ery amin'ny famaritan-kevi-teny dia tena Diksionera izy.
24 -- (5) Raha fandikana tsotra na fanazavana tsotra sady fohy ny hevitry ny teny
25 fotsiny izy -- ary indrindra raha ny teny fampiasa metetika ihany no alahatra ao --
26 dia tsy tena diksionera izy fa Vokabolera.
27 -- (6) Misy kosa ny teny efa antitra, na ny tsy fampiasa loatra intsony,
28 ireny ihany no hazavaina ao; ny toy izay dia atao hoe
29 Diksioneran'ny teny antitra (glossaire).
30 -- (7) Ao indray ny diksionera sasany izay ny teny fampiasa sy ny fombampiteny
31 fanaon'ny mpanoratra iray ihany no hazavainy ao sady dia ny heviny ao amin'ny
32 bokin'ilay mpanoratra io ihany no asehony ao. Ny toy ireny dia azo atao hoe
33 Diksioneran'ny fitenin'ny mpanao lahatsoratra (lexique).
34 -- (8) Ary misy diksionera izay, sady misy irery zavatra rehetra fomban'ny
35 tena diksionera, no mbola miampy famoaboasana koa. Ireny dia manjary boky ngeza,
36 matetika misy boky maromaro mitohitohy vao tapitra hatramin'ny Z,
37 ary mety ho taona maro aza vao mety vita. Atao hoe
38 Diksionera-Firaketana (encyclopédie na dictionnaire-encyclopédique)
39 izy ireny; tena fitoeran-drakitra, mitahiry ny harem-pahalalana rehetra
40 momba ilay tany sy firenena tompony. Any andafy dia ny fanjakana mihitsy matetika,
41 na ny Akademia, no mifantina ny olo-mahay manokana amin'ny sampam-pahalalana
42 isan-karazany izay angatahiny hanao ny lahatsoratra manavanana azy avy;
43 izy koa no miantoka ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana izany asa ngeza
44 tena fanasoavam-pirenena izany. Ao amin'ireny boky ireny no ahitan'ny olona rehetra
45 izay zavatra momba ny taniny sy ny fireneny; koa azo lazaina hoe:
46 "Sekoly miditra ao an-tranon'ny olona rehetra" izy.
47 Eto Madagaskara, ny voalohany indrindra amin'io karazan-diksionera io, dia ity
48 Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy; ary efa neken'ny Akademia Malagasy
49 ho isan'ny asa ngeza fanasoavam-bahoaka izy.
50 
51 Ny an'ny Frantsay ny malaza indrindra dia ny "La Grande Encyclopédie"
52 natonta farany tamin'ny 1910, tao ambany fitarihan'ny lehilahy be fahalalana,
53 M. Marcellin Berthelot: misy boky ngeza 31 mifampitohy izy io.
54 Ny vao natao farany, natomboka tamin'ny 1933 dia atao hoe
55 "L'Encyclopédie Française".
56 Nokasaina ho boky vaventy 21 izy io, nefa vao ny boky 11 voalohany no vita tao
57 anatin'ny 6 taona dia sampon'ilay Adibe teo (1939-1945); ny lehilahy be
58 fahalalana, atao hoe Anatole de Monzie, no filohan'ny fanaovana azy.
59 
60 Ny an'ny Anglisy (ikambanany amin'ny Amerikana), ny nalaza hatry ny ela dia ny
61 "Chamber's Cyclopaedia", misy boky 10 samy ngeza. -- Ny malaza indrindra
62 sady vaovao koa dia ny "Encyclopaedia Britanica";
63 ny natonta voalohany dia nisy boky 34;
64 ny natonta fanin-11 (1910) dia nofintinina ho boky 29;
65 ary ny natonta farany (1929) dia tena nohavaozina ary natao boky 24,
66 nefa kosa samy ngeza ireto.
67 Ny an'ny Italiana, tamin'ny andron'i Mussolini, dia vao nampanao ngeza izy.
68 Misy boky am-polony maromaro. Saiky tsy misy tsy hita ao, hatramin'ny
69 zava-madinika aza, rahefa momba ny tany sy ny firenena ary ny zanatanin'izy
70 Italiana; vola tsitokotsiforohana no laniny tamin'io.
71 
72 Ny Alemana koa manana ngeza maromaro tsy latsaka noho ireo.
73 
74 Raharaha lehibe mihitsy -- anaovana tanamaro na amin'ny vola na amin'ny
75 hevitra -- ny fanaovana boky Diksionera-Firaketana, ao amin'ny firenena
76 mandroso rehetra, satria ny olona ao aminy dia samy te-halala tsara
77 momba ny taniny sy ny fireneny.
78 -- (9) Mbola tsy mahafapo ny olo-man-mandroso anefa izany.
79 Ny sampam-pahalalana vaventy rehetra dia samy anaovany diksionera avokoa:
80 ny literatiora, ny siansa, ny aretina sy ny fanafodiny,
81 ny filozofia, ny Baiboly. -- Ao koa ny Diksioneran'ny
82 teny mitovitovy hevitra (synonymes), ny teny mifandraidraika
83 fanononana
(homonymes), ets.
84 
85 --Raha ny momba ny teny malagasy dia ireto no diksionera fantatra ho efa vita
86 hatramin'izao:
87 

    88 
  1. Ny nataon'i Fred. Houtman, tany Frankfort, Alemaina (1603-1608),
    89 nomeny anarana hoe Colloquia Latina-Maleyica et Madagascarica.
    90 
  2. Ny nataon'i Etienne de Flacourt (1658).
    91 
  3. Diksionary Englisy-Malagasy (Reverend J. Freeman) sy
    92 Malagasy-Englisy (Reverend D. Johns (Jonjifohy) samy L.M.S.)
    93 mitambatra ho boky iray ireto (1835).
    94 
  4. Dictionnaire Malgache-Français (mompera Weber, 1853).
    95 
  5. Dictionnaire Français-Malgache (mompera Weber, 1855).
    96 
  6. English and Malagasy Vocabulary (Rabearana, Rabezandrina, Ralaitafika, 1863).
    97 
  7. Vokabolary.
    98 
  8. Dictionary English-Malagasy (S. Shewel, 1880?).
    99 
  9. Grika-Malagasy (Reverend L. Dahle, N.M.S., 1878).
    100 
  10. A New Malagasy-English Dictionary (Reverend J. Richardson, L.M.S., 1885).
    101 
  11. ().
    102 
  12. Dictionnaire Malgache-Français (mompera Abinal sy Malzac, 1887).
    103 
  13. Dictionnaire Malgache-Français (mompera Malzac, 1888).
    104 
  14. Dictionnaire Français-Malgache (mompera Malzac, 1893).
    105 
  15. Vokabolary Norsky-Malagasy (Mr. Stueland, N.M.S., 1893).
    106 
  16. Vocabulaire de philologie comparée: Malgache-Malais, ets.
    107 (mompera Malzac, 1911).
    108 
  17. Essai de Dictionnaire Betsileo-Merina-Français (mompera Dubois, 1917).
    109 
  18. Dictionnaire Bara-Hova-Français (pasteur O. Jensenius, N.M.S.).
    110 
  19. Vocabulaire Sakalava-Merina-Français (A. J. Dandouau, 1920).
    111 
  20. La langue malgache et les origines malgaches (Atoa J. B. Razafintsalama,
    112 mompera taloha, 1928-1929).
    113 
  21. Diksionera Malagasy: Aba-Afaka (Joseph Razafintsalama, 1930).
    114 
  22. Dictionnaire Français-Malgache (Mr. Sims sy J. C. Kingzett,
    115 F.F.M.A., natonta fanin-3, 1928).
    116 
  23. Diksionera Sakalava-Hova-Français (Reverend Fagereng, N.M.S., 1930?).
    117 
  24. Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy
    118 (dictionnaire encyclopédique malgache, Ravelojaona sy H. Randzavola pasteurs,
    119 ary F. Gabriel Rajonah mpampianatra, 1937-19..).
    120 
  25. Diksionary amin'ny Baiboly (Reverend Sibree, F.R.G.S., D.D., 1888).
    121 
  26. Diksionary amin'ny Baiboly (Reverend W. Evans, sy Randzavola pasteur, 1939).
    122 

123 Manan-toerana makadiry ao amin'ny fandrosoan'ny firenena ny diksionera
124 isan-karazany. [1.10]
[dikisionera] 125 Boky ahitana ny teny rehetra ao amin' ny fiteny iray, voalahatra araka ny fisesin' ny abidy ka misy fanazavana azy ireo tsirairay avy, na ny dikany amin' ny fiteny hafa; rakibolana:
126 Ramino no nanao dikisionera malagasy malagasy voalohany. / Dikisionera malagasy-frantsay. / Mijere dikisionera raha misy teny tsy fantatrao [1.1]
Explications en anglais  [diksionary] 127 a dictionary [1.2]
Explications en français  128 dictionnaire [1.3, 1.5]
Exemples  129  Tandremo anefa sao mampividividy rehefa diksionera. [2.332]
130  Novidina ny diksionera "Nouveau Petit Larousse" sy ilay "Sciences physiques et naturelles" nosoratan'i Brémant, cours supérieur. [2.356]
131  Johns no nambratra ny diksionera Malagasy voalohany, sy ilay boky malaza atao hoe The Narrative of the Persecutions in Madagascar -- Ny Tantaran' ny Fanenjehana tany Madagaskara. [2.649]
Autres orthographes  132 dikisionera, dikisionery, diksionary
Synonymes  133 rakibolana

Mis à jour le 2025/11/13