| Entrée | 1 Eny, alina |
| Mots élémentaires | 2 eny, 3 alina |
| Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
| Auteur |
6 Zanamihoatra Randja |
| Texte complet |
7 8 - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva 9 Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro 10 Mitsontsorika mankany : 11 Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva 12 Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro : 13 Ny hariva mitomany ! 14 Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany, 15 He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra 16 Ito haizina eny an-dalany ; 17 Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany 18 Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra 19 Ny fiavin’ny malalany. 20 (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... ) 21 Eto anivo izao ny alina ! 22 Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna... 23 Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany 24 Manalona etsy ambony ; 25 Lasalasana ambiroa irony morona fitana 26 Nony very poka teo izany feon’ny koratabany. 27 Eny, alina tokoany ! 28 Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina ! 29 Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina 30 Misafo manodidina 31 Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina 32 Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina 33 Ny vetso tsy hanidina ... 34 Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara ! 35 Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo 36 Fiaretan-tory koa... 37 Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ; 38 Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo... 39 Eny, alina tokoa ! 40 Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any ! 41 O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina ! 42 ‘Ndeha hiaraka hisaina 43 Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY” 44 Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina” 45 Mandra-piavin’ny Maraina. |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|