| Entrée | 1 Eritreritra fahavaratra |
| Mots élémentaires | 2 eritreritra, 3 faha~, 4 varatra |
| Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
| Auteur |
7 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Texte complet |
8 9 Mijononoka moramora ny orana avy hariva, 10 Ny alina madiva, 11 Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany, 12 Ka hitondra any ho any... 13 Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy 14 Toa reraka, manahy? 15 Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao 16 Izay mameno, no injao 17 Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina 18 Toa rano nafanaina? 19 Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory 20 Ny jiroko. Matory 21 Izay rehetra manoloana ny masoko mahery. 22 Aiza ho aiza no miery, 23 Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo? 24 Avia mamoaka feo, 25 Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao 26 Izay tena teninao, 27 Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy... 28 Mitenena, ry Fanahy. 29 Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany; 30 Mangina koa ny tany, 31 Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony, 32 Tsy misy tsy mba tony... 33 Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be 34 Ny fitiavako handre 35 Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra! 36 Tsy mbola tena sambatra, 37 Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina 38 Ka he! mitaintaina! 39 Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva. 40 Ny andro dia madiva 41 Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany 42 Ka hamerina avy any... 43 Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy 44 Toa trotraka, manahy? 45 Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao 46 Izay namonto, no injao 47 Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina, 48 Toa rano nafanaina? |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|