|
|
|
|

Entrée1  Etsy, matoria
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4 Rado
Texte complet  5  [CR]
6  Anaka!
7  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
8  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
9  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
10  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
11  noho ny haben'ny havizanany...
12  ka savolaina be ny tanany
13  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
14  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
15  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
16  izay alehan'ny fisainako,
17  na izay adin'ny fiainako
18  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
19  efa an-taona maro izao!
20  ...Soa fa niafina aminao,
21  izany izaho mifoha maraina
22  mieritreritra ao an-tsaina
23  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
24  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
25  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
26  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
27  teo am-pelatanantsika,
28  nokendrena tsy hipika,
29  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
30  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
31  raha misy dia hatao
32  akanjo anatiny ho anao
33  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!
34  ...Nefa, etsy, matoria,
35  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
36  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
37  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
38  f'efa miady be ny saiko!
39  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
40  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
41  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
42  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
43  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
44  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
45  Ary izay 'lay mahavoa
46  sady mahavaky fo
47  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
48  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
49  Nefa, etsy, matoria...
50  Mikimpia dia mikimpia...
51  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
52  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
53  ...Miondàna, sombinaina
54  eto am-poko be taraina.
55  Anaka!
56  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
57  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
58  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
59  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
60  noho ny haben'ny havizanany...
61  ka savolaina be ny tanany
62  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
63  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
64  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
65  izay alehan'ny fisainako,
66  na izay adin'ny fiainako
67  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
68  efa an-taona maro izao!
69  ...Soa fa niafina aminao,
70  izany izaho mifoha maraina
71  mieritreritra ao an-tsaina
72  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
73  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
74  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
75  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
76  teo am-pelatanantsika,
77  nokendrena tsy hipika,
78  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
79  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
80  raha misy dia hatao
81  akanjo anatiny ho anao
82  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity![CR]
83  ...Nefa, etsy, matoria,
84  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
85  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
86  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
87  f'efa miady be ny saiko!
88  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
89  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
90  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
91  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
92  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
93  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
94  Ary izay 'lay mahavoa
95  sady mahavaky fo
96  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka[CR]
97  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
98  Nefa, etsy,matoria...
99  Mikimpia dia mikimpia...
100  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
101  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
102  ...Miondàna, sombinaina
103  eto am-poko be taraina.

Mis à jour le 2025/11/13