Entrée fandavana (la)
Partie du discours   nom
Définition malgache   Filazana fa tsy marina: Tsy mampaninona ahy ny fandavanao ny hevitro fa ny hevitra moa samy manana ny azy
¶ Tsy fanekena: Avelanao hitsangantsangana ve izahay? -- Tsy misy fandavana e
¶ Fitsipahana zavatra iray tsara lazaina fa diso: Ny fandavan' ny olona ny fisian' Andriamanitra no mampanaram-po azy
¶ Filazana ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Angatahina amin' ny olona atao batemy na batisa ny fandavany an' i Satana [Rajemisa 1985]
   Ny TSI-FANDAVANA anie ka tsy fanekena tsy akory e! [Ravelojaona: Firaketana]
Définition anglaise   refusal, disapproval, denial [Hallanger 1973]
Définition française   le refus, le renoncement, le reniement [Abinal 1888]
   refus, renoncement, reniement [Rajaonarimanana 1995]
Exemples   Fandavana ankitsirano no nantenaiko hambarany, kinanjo raikitra tsy ahoan-tsy ahoana teo ny varotra an' arivony. [Andriamalala: Zazavavindrano, page 42]
Vocabulaire  

2014/06/04