Entrée | finoana (ino) | ||||
Partie du discours | nom | ||||
Définition malgache | fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy... [Ravelojaona 1937] | ||||
Fitokiana izay voalazan' olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany izao no nahavoa anao ¶ Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso, noho ny filazan' Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao ¶ Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana [Rajemisa 1985] | |||||
fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana [SLP 1986] | |||||
Traduction anglaise | faith, belief [Richardson 1885, Hallanger 1973] | ||||
Traduction française | la foi [Hallanger 1974] | ||||
foi [SLP 1986] | |||||
Mots composés, titres, noms |
| ||||
Exemples |
| ||||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |