Entrée fitampoha (tampoka)
Partie du discours   nom
Définition malgache   fampandroana an' i Dady. Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny zafikeliny izay manjaka. Izany no nanaovana azy hoe "Dady": Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. Izany no atao hoe "fitampoha". Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa hampandro an' i Dady. Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka daholo rahefa mandalo izy. [Ravelojaona: Firaketana]
   Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona. [Rajemisa 1985]
Traduction française   cérémonie du bain des reliques royales [...] [texte complet dans Rajaonarimanana 1995]
Exemples  
1Efa fanao hatry ny ela ny Fitampoha. [Randriamamonjy: Tantara, page 149]
2Ny hevitry ny teny hoe "Fitampoha" dia fandroana. [Razafiarivony: Harivolana, page 68]
Mots composés, titres, noms  

Mis à jour le 2017/07/27