| Entrée | 1 hozatra |
| Partie du discours | 2 nom |
| Explications en malgache |
3 (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat;
4 anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny 5 fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, 6 mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. 7 Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe 8 manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra), 9 manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10#H.314] 10 Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby: 11 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela 12 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho) 13 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. 14 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1] |
| Explications en français |
15 comme ozatra
[1.3#274] |
| Dérivés |
|
| Vocabulaire | 21 Biologie |
| Autres orthographes | 22 ozatra |
| Tous les mots composés | 23 12 combinaisons de ce mot |
| Proverbes | 24 Proverbes contenant ce mot |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|