Entrée | 1 Ilay dobo |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 ilay, dobo |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Razafintsalama Josefa |
Texte complet |
6 Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa: 7 ny morony tontolo, zozoro manga taho; 8 anivony, tatamo mivela-bony soa; 9 ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho 10 He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana; 11 ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho; 12 tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana; 13 vivy no miria eo fa miery tsimilaho. 14 He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina, 15 fa laokan-drano maro no ao mihahohaho: 16 amalona sy trondro, mangata-koalaina; 17 ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho; 18 tsindrahaka mitady izay olona mpitia; 19 irony ondrindrano, antsirina aman-toho 20 mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria 21 dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho. 22 lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa; 23 ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro; 24 ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa; 25 miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro. |
Anagrammes | 26 abolidio, Ilay dobo |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |