Entrée | 1 Ilay reny tsy miteny |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 ilay, reny, tsy, miteny |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Eliza Freda |
Texte complet |
6 Ao ambany 7 Dongon-tany, 8 Ao anaty 9 Vatam-paty, 10 Misy Reny 11 Tsy miteny 12 Hatry ny ela 13 No tavela ... 14 Reny tiana 15 Nitosiana 16 'Lay nitondra 17 Fo diamondra! 18 Fo malala 19 Tsy mba niala; 20 Niara-paly 21 Sy nijaly! 22 Fony izaho 23 Maitso taho, 24 Raozin'aina 25 Nolalaina ... 26 Fony mbola 27 Niangola, 28 Nisakafo 29 Safosafo! 30 Tambitamby 31 Manana amby; 32 Rotsirotsy 33 Volafotsy; 34 Mamikely 35 Toa tantely: 36 Samy vita. 37 Samy hita ... 38 Ndrisy anefa. 39 Fa nilefa ... 40 Nofy ihany 41 Mantsy izany; 42 Torotoro 43 'Lay nijoro! 44 Voninkazo 45 Ka nandazo! 46 Taolambalo 47 Mampimalo 48 No mba sisa 49 Voatanisa ... 50 Hodi-tava 51 Ravarava 52 No mba hany 53 Tratra tany ... 54 Very toky 55 'Zao ny zoky! 56 Folaka andry 57 'Reto zandry, 58 Diso angoty 59 Fa kamboty! 60 Vao maraina 61 Dia nangaina! 62 Eny ho eny, 63 Misy reny; 64 Toa tsy hafa 65 Raha mitafa; 66 Hoatra an'iny 67 'Lay fahiny, 68 Saingy ts'izy! 69 Dray! rankizy. 70 'Zany foko 71 Mitoloko ... 72 Feno loatra 73 Ka mandroatra; 74 Manin-dreny 75 Mba hiteny, 76 Manontany 77 'Zay nombany. 78 Hono lahy, 79 Ry fanahy: 80 Mba tsinjovy 81 Ka tsarovy; 82 Aiza ho aiza 83 'Lay nitaiza? 84 Aiza indrindra 85 No nifindra? 86 Fa maniry 87 Te-hikiry 88 'Tony saina 89 Noratraina ... 90 N'aiza tany 91 Niantefany, 92 Any aho 93 No apetraho! 94 O! ry Neny, 95 'Zao no teny, 96 Ka raiketo 97 Farany eto: 98 'Zaho akory 99 Tsy ho ory, 100 Mana-mpiahy 101 Sy mpitahy! 102 'Lay modely 103 Fahakely, 104 Tsy mba foana 105 Fa tsaroana! 106 'Reo anjara 107 Voatantara 108 Sarobidy 109 Ka tadidy! 110 Tsy mba vola 111 Mora tola 112 No sahaza 113 Ho an-jaza; 114 Fahendrena 115 'Zay nomena, 116 Io no lova 117 Tsy mba miova ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |