Entrée | 1 Ilay vavy antitra! |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 ilay, vavy, antitra |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rakotoson Emeralda |
Texte complet |
6 ... dia hitako izy irery 7 manjohizohy moana, 8 iny amoron-kady iny 9 ka manara-kodimirana 10 hatreny am-parataza-maso, 11 mihovitrovitry ny hatsiaka 12 efa lozan-tany ery, 13 izato nofo efa trotraky 14 ny vanin’andro niainany. 15 Hontsa azy aho, 16 ka nantsoiko 17 tam-panahiko: 18 Ndeha ho aiza izato ianao 19 hoy aho, sombintsombiny, 20 no mirezareza valaka 21 sy manjokozoko mora 22 amin-damba latsaka ila 23 ety an-tsisin-dalana, 24 ka miraoka ireto bozaka 25 ny loholambanao 26 izay efa rota nitafiana sy 27 natsifaky ny ela? 28 Natsikiny ahy ny masony 29 ao anaty very maso 30 efa vizaky ny hanina 31 ka nabanjiny ahy mangina 32 sy miresaka any anatiny 33 ka mitafa am-panahy 34 ao anaty velovelony! 35 Tsapako avy hatrany 36 fa hamonjy taninandro 37 etsy ambody goavy maina 38 fara taza-masoandro 39 mba hitafy ankilahila 40 ito nofo izay miketrona 41 feno sarisarim-piainana! 42 Nakimpiko ny masoko 43 nivetso an’eritreritra 44 ka namisavisa irery 45 ity sari-Nanahary 46 tsy ho vita hoso-doko 47 eny an-tanan’ny mpahay 48 raha tany koa ny tany. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |