|
|
|
|

Entrée1  mahafaty
Partie du discours  2  verbe actif ou adjectif
Radical  3  faty
Morphologie 
4  Présent :
5  Passé :
6  Futur :
7  Impératif :
Tous les mots composés 
Explications en malgache  12  [1.1] Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny
Explications en anglais  13  [1.2, 1.7] To kill
14  [1.2] To put out a lamp
Explications en français  15  [1.3#157, 1.8] Tuer
16  [1.3#157] Pouvoir tuer, donner la mort, mortel
17  [1.3#157] Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari
18  [1.3#157] Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude
19  [1.3#157] Éreinter, assommer, empester, étouffer
Exemples  20  [1.123#] Ny mamono olona mahafaty olona.
21  [2.508#] Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty.
22  [2.606#] Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy!
23  [1.3#157] mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel)
24  [1.3#157] mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante)
25  [1.3#157] nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne)
26  [2.528#] Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany!
27  [1.3#157] mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte)
28  [1.3#157] nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz)
29  [1.3#157] mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste)
30  [1.3#157] mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante)
31  [1.3#157] nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle)
32  [1.3#157] mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants)
33  [1.3#157] Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman)
34  [1.3#157] Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort)
35  [1.3#157] Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture)
36  [1.3#157] Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?)
37  [1.3#157] nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché)
38  [1.3#157] Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?)
39  [1.3#157] Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?)

Anagrammes  40  mahafaty, mahatafy

Mis à jour le 2025/08/10