Entrée manatitra (atitra)
Partie du discours verbe actif
Explications en malgache Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona
Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao
Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay
Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina
Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady [1.1]
Explications en anglais To present, to convey [1.2, 1.7]
 To send, to return. [1.2]
Explications en français Présenter, apporter [1.3, 1.8]
 Offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins)
Conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel)
Escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté)
Porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave)
Rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre) [1.3]
 Offrir, livrer [1.8]
Exemples 
1Manatitra ny nahandro, tompoko! [2.69]
2Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245]
3Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508]
4Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366]
Morphologie 
Présent : manatitra
Passé : nanatitra
Futur : hanatitra
Impératif : manatera
Mots composés 
Proverbes 

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/09/29