Entrée manenjika (enjika)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Manaraka: Sasatra aho ka nanenjika an-dry zalahy moramora avy aoriana
¶ Mihazakazaka avy aorian' ny olona iray ka manao izay hahatratrarana azy: Nanenjika ny zanakao aho mba hohafarako
¶ Manaraka hatrany: Loza Ramatoa iny raha hanenji-damaody
¶ Mihaza: Lasa nanenjika lolo any an-tsaha any izy
¶ Mamely an-kolaka na mivantana izay tsy azoazo: Tsy fantatro izay anenjehan' ny lehibeko ahy, nefa tsy misy ratsy nataoko
¶ Mampijalijaly olona, izay trandrahina hatraiza hatraiza: Nanenjika ny kristianina Ranavalona reniny. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to pursue; to persecute [Hallanger 1973]
Définition française poursuivre; persécuter [Hallanger 1974]
Morphologie 
manenjika
nanenjika
hanenjika
manenjeha
Mots composés, titres, noms 
Exemples Toa tsy maika, tsy manenjika fotoana, [Andraina: Sahabe, page 1]
Citations 

2012/05/29