Entrée (1/2) | 1 manjombonjombona |
Partie du discours | 2 verbe actif |
Radical | 3 jombonjombona |
Morphologie |
|
Tous les mots composés |
|
Explications en malgache |
8 [1.1] |
Explications en français |
9 [1.3#299] être obscure |
Exemples |
10 [1.3#299] manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la)
11 [1.255] manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany; 12 [2.499#81] Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy. |
Entrée (2/2) | 13 Manjombonjombona |
Partie du discours | 14 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 15 manjombonjombona |
Vocabulaire | 16 Littérature: poèmes |
Auteur |
17 Rafanoharana |
Texte complet |
18 Manjombonjombona ny Tany... 19 Toa malahelo, toa tomany... 20 Ny ravinkazo efa maina 21 Voatsokan-drivotra maraina, 22 Indreo mihintsana dia lasa; 23 Ho aiza, hono, moa?… Asa! 24 Ny taho sisa, tsy mitafy 25 Midridridridry - voa mafy, 26 Miolanolana…. ! indrisy! 27 Mitady vonjy fa tsy misy! 28 Indreo ny sasany hampiasaina 29 Nazerazera, nokapaina. 30 Miboba ra, miala aina; 31 Malazo ireny; eny, maina! 32 Tanety maro, lohasaha, 33 Izao tsy manana mpizaha; 34 Marary ve?… mangavo-bolo 35 Toa tahom-bary bobongolo! 36 Tsy misy aina hita eny, 37 Ny lolo aza tsy mankeny; 38 Ny omby, ondry, tena noana; 39 Ho aiza anefa?… Mandry foana! 40 Anaty saha, an-jaridaina, 41 Ny voronkely very saina: 42 Tsy misy ravina ierena 43 Ka velon-tsento mahonena... 44 Ny lalana aza zary sina, 45 Ny tabatabany mangina; 46 Ny lanitra avy mitaraina... 47 Toa lasan-davitra ny aina. 48 Manjombonjombona ny Tany, 49 Toa malahelo, toa tomany; 50 Izay rehetra taza-maso 51 Dia nosomparan'ny ankaso. 52 " Nankaiza kosa ny masoandro, 53 Ilay mpanjakanao, ry andro? 54 Ny hanazava ve tsy tiany, 55 Sa semban-drahona ny diany" ? 56 Manjombonjombona ny Tany, 57 Toa malahelo, toa tomany... 58 Voahetsiketsiny ny Foko 59 Ka velon-tsento, mitoloko; 60 Ny ranomasoko dia tojo 61 Ny ranon'erika mijojo, 62 Fa ondry kely manim-bala 63 Mba te-hahita'reo malala. 64 Ho aiza anefa?… Hany hery 65 Manoso-menaka ny fery, 66 Dia fery velona tsy maty, 67 Manongotsongo ao anaty... 68 Manjombonjombona ny Tany, 69 Ny foko koa mba toy izany… 70 Ry fiononana antenaina, 71 Avia herezo koa ny saina! 72 Ry Ray mpandahatra ny eto, 73 Toneo ny foko tsy hisento! |
Anagrammes | 74 manjombonjombona, Manjombonjombona |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |