Entrée |
misamboaravoara
(samboaravoara (samboara))
|
Partie du discours | verbe actif
|
Explications en malgache | Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina androany Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin' ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin' izy ireo [1.1]
|
Explications en anglais | To be turbulent, to rise in waves [1.7]
|
Explications en français | être agité, s'agiter en vagues [1.8]
|
Exemples | tsy misy rivotra mitsoka fa tony dia tony ny habakabaka, nefa ny onja misamboaravoara, ary ny ampitso na afak' ampitso vao tonga ny tafiotra mahery arahin-dranonorana.
[2.471]
|
Morphologie |
Présent : |
misamboaravoara |
Passé : |
nisamboaravoara |
Futur : |
hisamboaravoara |
|
Synonymes | |
Mots composés |
|
|