|
|
|
|

Entrée1  Mpikororoka ampombo
Mots élémentaires  2 mpikororoka, 3 ampombo
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Rajaobelison Samuël
Texte complet  7 
8  Milina mpitoto injao migoboka ao,
9  Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho;
10  Indro vehivavy hatsatra sy lao
11  Mitondra am-babena zaza miamboho.

12  Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny,
13  Nataony an-doloha, ny masony efa lalina!
14  Hokororohina io sitrany hisy ventiny,
15  Na kely ihany aza hiantoka ny alina!

16  Etsy ambody hazo ny zaza mitomany,
17  Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava;
18  Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany,
19  Ka mody velon-kira miantsa dridralava

20  Tapaka kapoaka!… lohavary mena!
21  Izay no kororoka namonoana ny andro!
22  Nitsangana Ingory hamonjy ny babena,
23  Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro.

Mis à jour le 2025/11/17