| Entrée | 1 Naloan' ny fasana |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Narivony Jean |
| Texte complet |
5 6 Dia nody ny tafika fa avy nandresy, 7 Nirava ny toby, 8 Ka heno nanako ny antsa misesy 9 Narahina hoby. 10 'Reo foloalindahy nomban-Janahary 11 Nirehi-pamindra 12 Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary 13 Ka mirana indrindra! 14 Somebika faly ny tao an-tanàna, io 15 Nifampiarahaba. 16 Hatraiza hatraiza dia nisy korana 17 Nomban-tabataba. 18 Kanefa indrisy! tanatin' izany, 19 Rahanitriniala 20 Dia re nitoloko sy heno tomany, 21 Nilaoza-malala ! 22 Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy 23 Ho antoky ny ady, 24 Dia very ny toky nampanantenainy, 25 Ka ory ity vady; 26 'Lay hany domohina mamin' ny fony, 27 Nindaosim-papango; 28 Ny fiainana zary tsy sitrany intsony, 29 Fa feno farango. 30 Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra 31 Aharetan' ny saona, 32 Dia tonga ireo efa naniry rehetra 33 Nitady hihaona. 34 Kanefa Rahanitra tsy mba nandray 35 Ny fitia kolokolo; 36 Nilaozan' ny vary ka mandrakizay 37 Tsy mila pisolo! 38 Niroso ny jono, nitranga ny vovo, 39 Fa tsy nahavoa; 40 Ny antitra trema, ny sidin-jatovo 41 Niseho avokoa, 42 Kanefa ny vola sy ny endrika kanto 43 Tsy nanana hery; 44 Nanoro niangavy ireo hanam-binanto 45 Fa tsy afa-nanery! 46 " Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny, 47 Tsy ketsa nafafy 48 Ka ho haiko afindra ombieny ombieny, 49 Fa aleoko mihafy. 50 Ny ahy fitiavana latsaka anaty 51 Maningotra ny aiko, 52 Ka aoka hanaraka ilay efa maty 53 Tsy afaka an-tsaiko!" 54 Dia nofiny, hono, indray alina izay, 55 'Lay tiana eram-po 56 Nivoaka naloan' ny fasana indray, 57 Tsy simba na lo. 58 Dia tamy namafa ny tavany, hono, 59 'Zay feno tomany, 60 No sady nandrehitra ny afo voavonon' 61 Ny Fanantenany! 62 Kinanjo karazan' ny embona ihany 63 'Ty nofiny soa, 64 Fa indro' lay efa natelin' ny tany 65 Nitranga tokoa ! 66 Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka 67 Nanako-masoandro, 68 Nisava ny rahona ka nibaliaka 69 Ny taratry ny andro! 70 Tsy maty Ravalo, fa nony naratra 71 Dia lasan-ko babo, 72 Ka tonga tantanan' izay olona antra 73 Mba nety nitsabo. 74 Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana, 75 Tsy misy ahina, 76 Ka indro fa tody eo an-tany nialany 77 Ravalonirina ! 78 Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy, 79 Dia mandrakizay; 80 Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy 81 Ny fo mifandray! 82 Ny senton' ny lavitra mety ho heno, 83 Miampita tokoa 84 Rehefa fitiavana iray no mameno 85 Ny fon' olon-droa! |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|